|
|
|
|

Entry1 Ny Tanindrazako
Elementary words  2tany, 3razana
Part of speech  4 name (poem title) [Full list]
Vocabulary  5 Literature: poems
Author 
Publishings  1907/02/22.
Full text  7 Mba mamiko toy ny tantely
8 Izay tanindrazako izay,
9 Fa toa fonenan’anjely
10 Tsaroako mandrakizay
11 Mba reko fa misy ny tany
12 ‘zay tsara dia tsara tokoa
13 ny ahy tsy latsak’izany
14 fa tany mba be zava-tsoa.

15 Ny rivotra izay mba mitsoka,
16 Mampody ny aiko tokoa
17 Ny volana tsy mba misoka,
18 Iriko ho endriny koa.

19 Ny vorona raha mihira,
20 Manaitra ny saina sy fo
21 Ny hazony miantso : “midira”
22 Fa eto no mahafa-po.

23 Ny taolan’Idada malala,
24 Mitana ny aiko ho ao,
25 Ny saiko dia toy ny adala,
26 Tsy miala fa ao aminao.

27 Mitana hiorina mafy
28 Ny tenan’Ineny tsy foy,
29 Aleoko ho olo-mihafy
30 Fa izy tsy azo nafoy
31 Fonenan’ny olo-malala,
32 Fonenan-tsy tiana ho lao,
33 Ny tiana tsy manan-tsahala
34 Tsy hita tsy ao aminao.

35 Ny kintana tena mazava
36 Mazava malefaka koa
37 Ny volana no mampisava
38 Ny aizina tsy mahasoa.

39 Ry tany malalako loatra,
40 Ny foko dia manina anao,
41 Na lavitra aza hihoatra,
42 Fa tsy tody raha tsy ao aminao.

43 Misento mahalana ihany
44 Ny foko raha lavitra anao
45 Ny hehiko zary tomany,
46 Ny tsiky tsy azo natao.

Updated on 2025/10/11