| Entry | 1 mpampiankina |
| Root | 2 ankina |
| Part of speech | 3 noun |
| Explanations in Malagasy |
4 Sokajin-teny entina mampiankina teny fameno amin' ny matoanteny: ohatra:
5 mikapoka amin' ny tehina, miteny amin' ny rainy izy, 6 miresaka momba ny fambolena izy mianaka. 7 Ny amy (amin') sy momba dia teny mpamiankina. 8 Hita amin' ireo ohatra fa samy hafa ny firafitry ny amy sy ny momba, 9 na dia samy mpampiankina aza. Azo zaraina ho antokony roa ny mpampiankina: 10 -- ao ireo mirafitra toy ny famenon' anarana; toy ireto izany: 11 amy, aloha, aoriana, ambony, ambany, ambadika: 12 amin'ny andro ho avy ~ alohan' ny ririnina ~ 13 ambonin' ny latabatra ~ ambadiky ny fefy ... 14 -- ao ireo tsy miova tsy mivalovalo; toy ireto izany: 15 araka, arakaraka, tahaka, ohatra, toraka, toa, momba, mandritra, 16 lavitra, noho, afa-tsy, toy: 17 arakaraka ny halehibe ~ tahaka ny vorona ~ momba ny zaza ~ 18 mandritra ny alina ~ lavitra ny fo ~ noho ny fihavanana ... 19 -- ao ny mandray roa: tandrify, akaiky, izay mirafitra toy 20 irerỳ voalohany raha milaza toerana: 21 tandrifin' ny tsena ~ akaikin' ny sekoly, 22 ary tahaka irero faharoa kosa raha milaza hevitra an' ohatra: 23 tsy tandrify ny haja amam-boninahitrao izany (sahaza) ~ 24 akaiky an-dreninao kokoa ry Rabe noho Rakoto (ara-pihavanana io). 25 (Ny sokajin-teny miisa 11 amin' ny teny malagasy) [1.1] |
| Explanations in English |
26 preposition
[3.1] |
| Explanations in French |
27 préposition
[3.1] |
| Vocabulary | 28 Linguistics |
| Other spellings | 29 mpampiankin-teny |
| All compound words | 30 mpampiankin-teny |
| Tables and plates |
31 All the prepositions |
| Updated on 2025/11/17 |
|