| Entry | 1 mpampiankin-teny |
| Elementary words | 2 mpampiankina, 3 teny |
| Part of speech | 4 locution |
| Explanations in Malagasy |
5 Sokajin-teny entina mampiankina teny fameno amin' ny matoanteny: ohatra:
6 mikapoka amin' ny tehina, miteny amin' ny rainy izy, 7 miresaka momba ny fambolena izy mianaka. 8 Ny amy (amin') sy momba dia teny mpamiankina. 9 Hita amin' ireo ohatra fa samy hafa ny firafitry ny amy sy ny momba, 10 na dia samy mpampiankina aza. Azo zaraina ho antokony roa ny mpampiankina: 11 -- ao ireo mirafitra toy ny famenon' anarana; toy ireto izany: 12 amy, aloha, aoriana, ambony, ambany, ambadika: 13 amin'ny andro ho avy ~ alohan' ny ririnina ~ 14 ambonin' ny latabatra ~ ambadiky ny fefy ... 15 -- ao ireo tsy miova tsy mivalovalo; toy ireto izany: 16 araka, arakaraka, tahaka, ohatra, toraka, toa, momba, mandritra, 17 lavitra, noho, afa-tsy, toy: 18 arakaraka ny halehibe ~ tahaka ny vorona ~ momba ny zaza ~ 19 mandritra ny alina ~ lavitra ny fo ~ noho ny fihavanana ... 20 -- ao ny mandray roa: tandrify, akaiky, izay mirafitra toy 21 irerỳ voalohany raha milaza toerana: 22 tandrifin' ny tsena ~ akaikin' ny sekoly, 23 ary tahaka irero faharoa kosa raha milaza hevitra an' ohatra: 24 tsy tandrify ny haja amam-boninahitrao izany (sahaza) ~ 25 akaiky an-dreninao kokoa ry Rabe noho Rakoto (ara-pihavanana io). 26 (Ny sokajin-teny miisa 11 amin' ny teny malagasy) [1.1] |
| Explanations in English |
27 preposition
[3.1] |
| Explanations in French |
28 préposition
[3.1] |
| Other spellings | 29 mpampiankina |
| Tables and plates |
30 All the prepositions |
| Updated on 2025/11/17 |
|