|
|
|
|

Entry1  mihevitra
Root  2 hevitra
Part of speech  3  active verb
Explanations in Malagasy  4 Mamorona na manan-javatra ao an-tsaina, ao an-doha; misaintsaina: Tsy tsara ny mihevi-dratsy olona.
5 Mieritreritra: Latsadranomaso izy nihevitra ny fahorian-janany.
6 Mandinika lalina, miady hevitra momba: Mihevi-draharaha ny lehibe ka tsy azo kotabaina.
7 Mikasa, manampo, mikendry: Mihevitra ny hiainga rahampitso aho.
8 Mandray, mitsara: Ahoana no iheveranao an' izany fihetsiky ny zakaizanao izany.
9 Mino, mieritreritra: Iza no hihevitra fa hahavita izany Rangahy iny. [1.1]
Explanations in English  10 to think, to consider; to talk over. [1.7]
Explanations in French  11 penser, penser à; méditer, délibérer sur. [1.8]
Examples  12  tsy very saina aho fa mihevitra nahoana hianao no toa mitomany? [2.131]
13  Hano aloha ny hanina, fa rehefa avy eo indray, mihevitra. [2.470]
14  Hita ho nihevi-tena ho lehilahy lehibe sahady izy tamin' izany. [2.472]
Morphology 
15  Present :
16  Past :
17  Future :
18  Imperative :
Proverbs  19  Proverbs containing that word

Updated on 2025/11/11