Entry mihantona (hantona)
Part of speech active verb
Malagasy definition Mikiraviravy, mikirazorazo: Mihantona ao an-dalantsara ny tehiko fa alaovy
¶ Mijanona tsy misy, mitsahatra: Efa hateloana izay no nihantona ny orana
¶ Miato, mianina: Mihantona ny raharaha [Rajemisa 1985]
English definition to be hung up, to hang up. [Richardson 1885]
 to hang [Hallanger 1973]
French definition être suspendu [Hallanger 1974]
Morphology 
mihantona
nihantona
hihantona
mihantòna
Compound words, titles, names 
Examples 
1Nony inona, mody namaky gazety sy nizaha sary vitsivitsy nihantona tsy lavitra eo izy. [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 105]
2Noraisiko ny basy nihantona teny amin' ny rindrina, dia nivoaka ny trano aho, fa tsy namaly. [Andriamalala: Ranomasina, page 33]
3Teo an-kavian' ny varavarambeny raha hiditra, sahala amin' ny nihantona ny tanany. [Andraina: Mitaraina, page 93]

Entry mihantòna (hantona)
Part of speech imperative of active verb mihantona [full list]
Malagasy definition  [Rajemisa 1985]
French definition  [Abinal 1888]

2014/10/03