|
|
|
|

Entry1 Madagasikara tanindrazanay
Elementary words  2Madagasikara, 3tany, 4razana
Part of speech  5 name (poem title) [Full list]
Explanations in Malagasy  6 Hiran' ny MDRM, 1946. Tonony : Jacques Emma Rahamefy. Feony : Rahamefison [3.1]
Vocabulary  7 Literature: poems
Author  8Tonony: Rahamefy Jacques Emma. Feony: Rahamefison
Text  9
Full text  10 I
11 Madagasikara tanindrazanay!
12 Tany saro-bidy masina sy soa;
13 Lova soa navelan' ny razanay taloha;
14 Maty ho anao no tena lazanay.

15 II
16 Isika rehetra izao akanga miara-dia
17 Tsy azo tabaina na ravana koa;
18 Ka hitomban-dahy hiasa re satria
19 Io no loharano fototry ny soa.

20 III
21 Malagasy ô, andeha hifankatia;
22 Ho mpirahalahy tena iray tam-po;
23 Ny hifankahala hatao sanatria.
24 Ka iray tokoa ny saina sy ny fo.

25 Isan' andininy
26 Mitsangàna ry tanora !
27 Mitsangàna ka aza manana ahiahy;
28 Izao no andro sady ora,
29 Mijoroa sahia tokoa ho lehilahy.

Updated on 2025/10/11