Entry kisendrasendra (sendrasendra (sendra))
Part of speech noun
Malagasy definition Zavatra tonga tampoka tsy nampoizina: Tsy nianatra izy nandritra ny taon fa miandry ny kisendrasendra, hono, izy amin' ny fanadinana
Mitovy hevitra: kendry tohina ~ kinanga ~ kitano ~ kitanotano ~ kitoatoa ~ tsy nahinahy ~ tsy nampoizina ~ tsy tohatohatra ~ vintana [Rajemisa 1985]
 fifanandrifian-javatra [SLP 1986]
French definition hasard [SLP 1986]
Examples izay misy finoana ny vintana sy ny kisendrasendra. [Randzavola: Baiboly, page 709]

Entry kisendrasendra (sendrasendra (sendra))
Part of speech adverb [full list]
French definition par pur hasard, accidentellement [Rajaonarimanana 1995]
Examples Voan-kabaro iray no latsaka tery an-tsisim-boly ka naniry kisendrasendra. [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 44]

2014/01/10