Entry Haody, ry Ambohimanga!
Part of speech   name (poem title)
Author   Rajaofera Fredy
  
Haody, haody?
Haody mena masoandro, ry aviavy an-tampon' Imanga,
Tsinjovina maitso manga,
tomarotaroka mavamavana,
mampihaodihaody ny manin-kavana!

Haody, haody?
Haody manerikerika, ray voara mifampiondanondana,
natrotra-taona ka mila hirodana,
mamolivoly raha toa tazanina
mampihazakazaka mahamanina!

Haody, haody?
Haody manoran-kely, ray amontana miezinezina,
mampievinevina tsy akaikezina,
manorotoro ny manirery,
ka mampirongatra serisery!

Haody, haody?
Haody malomaloka, ray papango mifampisodika?

Haody mampanjombonjombona, ray goaika mifampitodika?
Itony izahay anie raha mihaody,
dia mihaody tsy kaodikaody;
tsy vahiny tsy nampoizina anie, ry lahy,
na mpandalo tsy nahinahy,
fa nasosan-drivotra avy any Ankaratra
ka niantoraka nianavaratra;
nokaikerin'ny sento fihitra
ka nanamorona ity kirihitra;
nasafotr'eritra tsy miloaka
ka entin'embona misafoaka,
dia indreto tonga
nihoatra bonga,
hilalao masoandro eto Ambatomiantendro
hanaraina ny fendrofendro !

Koa haody, haody?
Haody tolatolaka, ry vavahady mitafy vato,
manai-torimason'ny vetso kanto,
aza vitaina harangarana
fa vohay varavarana.
Indreto izahay
izay miolomay ,
hioty voafotsy eny an-dobolobo,
haka aviavy miroborobo,
hiloka tosika am-batolampy ,
fa raha tsy mirebika sao tsy ampy;
manonofy andro mifono
ka mivantotr'omby minono,
ditsohin-kariva mandrivodrivotra
ka tonga zary mihovotrovotra
mohamohaka manimanina,
safotsafotra fanimpanina!
Vocabulary  
Tables and plates   All the titles

Updated on 2016/08/24