Entry fisoronana (sorona)
Part of speech noun
Malagasy definition Fanafenana na tsy filazana amin' ny olona izay kilema ananany, nefa tsy hitany, na izay zavatra hita fa tsy mety ataony, na mikasika azy izany na mikasika ny havany: Ny Ntaolo ihany dia efa nampitandrina antsika ny amin' ny fisoronam-bady ao an-trano [Rajemisa 1985]

Entry fisoronana (sorona)
Part of speech noun
Malagasy definition Fikarakarana ny firehetan' ny afo amin' ny fandrosoana kitay ao am-patana: Nataon' ny Ntaolo ohatra ny fisoronana afon' Ikala adala: ny aloha tsy lany, hoy izy, nefa ny aoriana asesika ihany [Rajemisa 1985]
French definition l'action d'attiser le feu, l'instrument [Abinal 1888]
Examples Tsy manavao rahateo ny fisoronana afo koa dia misosa ho lelafo mivaivay ny ravim-pary maina atosi-tananasy rotsa-kazo. [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 44]

Entry fisoronana (sorona)
Part of speech noun
Malagasy definition [ fisoroñana ] [Tambahoaka] fivavahana, fanoloran-tsorona (toerana) [Rakotosaona 1972]
 Fanaovana sorona:Fisoronana zanak'ondry no natao tamin'ny fetin'ny Paka tamin'ny Testamenta taloha. [Rajemisa 1985]
French definition l'action d'offrir un sacrifice, l'autel, l'instrument, le lieu, le motif [Abinal 1888]
Examples Ny fombam-pivavahana sy ny fisoronana no ankalazainy indrindra [Randzavola: Baiboly, page 34]
Articles 

Entry fisoroñana
Part of speech noun
Malagasy definition  [Tambahoaka] tsangambaton-tsampy [Rakotosaona 1972]

Entry Fisoronana (sorona)
Part of speech name (biblical) [full list]
Malagasy definition (fanafohezana Fisor) na hoe Levitika = Izany no iantsoana azy, satria izy no mirakitra ny Lalàna mifehy ny fomban-pivavahana sy ny andraikitry ny mpisorona ary ny Levita [Randrianasolo: Baiboly]
Synonyms Levitika ~ Levitikosy
Articles 
Full text Parallel Bibles

2017/06/29