Entry fanala
Part of speech   noun
Malagasy definition   Ranonando mandry hita mivaingana fotsifotsy kely eny an-tendron' ny ahitra na miendrika tranonkala eny am-potony
¶ Hatsiaka fatratra: Matin' ny fanala ny tsaramasonay [Rajemisa 1985]
English translation   hoar frost, excessive cold, snow (?). [Richardson 1885]
   cold, frost [Hallanger 1973]
French translation   gelée blanche, froid [Hallanger 1974]
Articles  

Entry fanala (ala)
Part of speech   noun
Malagasy definition   Fomba entina manala, manesotra [Rajemisa 1985]
English translation   [Mod. s. from manala (ala).] That which removes or takes away. [Richardson 1885]
French translation   manière d'enlever, d'arracher, de délivrer; ce qu'on arrache, qu'on délivre [Abinal 1888]
Synonyms   fanalana
Compound words, titles, names  

Entry fanala (ala)
Part of speech   noun
Malagasy definition   Asa marika, fanesorana isa kely amin' ny isa lehibe noho izy: Firy ny valin' ny fanala telo ambin' ny folo amin' ny roapolo? [Rajemisa 1985]
Synonyms   fanalana

Entry fanala (ala)
Part of speech   adjective
Malagasy definition   Azo alana, azo esorina: Tsy fanala ny harato roha tsy efa mitohy tsara ny taolana tapaka [Rajemisa 1985]

Entry fanala
Part of speech   noun
Malagasy definition   Jiro voafefy fitaratra miaro azy amin' ny rivotra [Rajemisa 1985]
English translation   A lantern [Richardson 1885, Hallanger 1973]
French translation   lanterne [Hallanger 1974]
Origin   French: fanal.

Updated on 2017/06/29