|
|
|
|

Entry (1/3)1  embona
Part of speech  2  noun
Explanations in Malagasy  3  [1.1] fahatsiarovana amin' alahelo olona na zavatra (toy ny tanàna na tany) noho ny fitiavana: Anisan' ny fihetseham-po mamelovelo so am-pony embona ny tanindrazana
Explanations in English  4  [1.209] sigh
Explanations in French  5  [1.3] regret
soupir poussé en songeant à une personne ou à un objet chéri, absent ou perdu
Examples  6  [2.314] Hita mifaritra mazava ny azy ny embona.
7  [2.356] Tsy tana ny embona : " Vitsika momba kitay, hoy Jean Narivony, ka manimanina ny any aminay!
8  [2.529] Izay no voalohany nandehanan' ny sainy tany amin' i Sahondra, dia ohatra ny nisy embona nifangaro hatezerana nibosesika tao am-pony.
Derivatives 
Active verbs :
Passive verbs :
Relative verbs :
Names :
All compound words 
Vocabulary  20  Emotions
Analogs  21  hanina

Entry (2/3)22  embona
Part of speech  23  noun
Explanations in French  24  [1.19] flotter [Tankarana]
Derivatives 
Active verbs :
Relative verbs :

Entry (3/3)27  Embona
Part of speech  28  name (poem title) [Full list]
Elementary words  29  embona
Vocabulary  30  Literature: poems
Author  31  Razafindrafidy Bien-Aimé
Full text  32  Midona malefaka ery Ankaratra,
33  vaky tsipelana ny eny Anjafy.
34  Midona kanefa tsy fahavaratra,
35  fa erika kely no re mifafy.

36  Lanitra soa, tomarataratra,
37  otronin'ny rahona mitsitoko,
38  kanefa, ry lahy, iry Ankaratra
39  zary manjombona sy manjoko.

40  Ankaratra ô! nahoana kosa,
41  manembona ve ilay nisaraka,
42  ka ny tolokony miavosa
43  eo aminao no te-hiraraka?…

44  Raha manina izy ka mitomany,
45  lalim-pisento fa te-hiverina,
46  asaivo mitony hangina ihany
47  fa toraka izany'lay eto Imerina!

48  Ny sentom-pony raha tonga fatra
49  - ka indro mandrotika ny fanahy -
50  aoka hionona fa ny ratra
51  iombonako aminy lavitra ahy!

52  Tsy oram-baratra no midona, fa
53  fo feno hanina no miteny,
54  ka ny vetsom-panahiny kely foana
55  tsy sasa-mivezika sy manjeny.

56  Eny, ry rahona ery Ankaratra!
57  ry rahona fotsy iaraha-mijery,
58  meteza ianao mba ho fitaratra
59  hampita ny sarin'ilay miery.

60  Vaky tsipelana ve Anjafy
61  ka tsy hidoboka iry Ankaratra?
62  Raha izy misento ka mafimafy,
63  ny foko no toy ny latsaham-baratra!

Anagrams  64 ambeno, 65 ambone, 66 añombe, 67 bomena, 68 embona, Embona, 69 mañebo

Updated on 2025/09/13