| Explanations in Malagasy |
3 aretina tsy fantatry ny natolo mazava. Araka ny diksionera Richardson sy Malzac
4 dia aretina miseho amin' ny hoditra izay manjary vay ratsy sy fery mihady izy io.
5 Angamba vay madinidinika mipoipoitra amin' ny hoditra, toy ny miboiboika avy ao anaty,
6 no fiandohany, ka nahazoany ny anarany. -- Ny fitsaboana azy tamin' ny ntaolo dia voatana ao amin' ny
7 Tantaran' Andriana (P. Callet, Boky I, takila 116) ; nefa fantatra fa tsy mahaleo ny fitsaboana ankehitriny ireny.
8 -- Na izany aza, azo ambara fa ny ravi-mangahazo, velarina maro sosona mandrakotra ny fery, solosoloana
9 matetika dia manintona ny nana sy ny ra maloto ao amin' ny vay, ary aorian' izany mampisondrotra
10 faingana ny nofo ao amin' ny fery; azo atao na aiza na aiza io, fa zavatra mora hita.
11 -- Tokony hodinihina ny fivalan-dranon' ny marary sao misy siramamy (fisehoan' aretin-tsiramamy) mantsy
12 ireny vaivay ireny matetika, ary mety ho ela sitranina raha tsy voatsabo koa ity aretina ity.
13 Izany, mbamin' ny fandinihana ny toetry ny fery sy ny toe-tena no ilana hanatonana doktera, na
14 mety hahavonjy maika aza ny ravi-mangahazo.
[1.10#B292]
15 Vay, fery maharitra ary manitatra
[1.1]
|