|
|
|
|

Entry (1/2)1  tsikitsikinao
Part of speech  2  noun tsikitsiky and pronoun
Root  3  tsiky
Examples  4  [1.291] Nisy tia nioty azy, ny tsikitsikinao dia lasany !

Entry (2/2)5  Tsikitsikinao
Part of speech  6  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  7  Literature: poems
Author  8  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Full text 
9  Angamba tsikitsiky ho azy nalefanao tsy iniana… 10  Tsy takatrao ny halehibeny, tsy nampoizinao ny asany… 11  Voninkazo iny anefa, voninkazom-pifaliana… 12  Nisy tia nioty azy, ny tsikitsikinao dia lasany !
13  Dia lasany any aminy, nentiny any am-patoriana, 14  Nanofisany fitia, nanofisany hasambarana, 15  Nikaloan’ny fanahiny tsantatsantam-paniriana, 16  Nametrahany ny fony, nantenainy hifaharana !
17  Hisy angamba amin’ireny sahy hamboraka aminao 18  Ny fitiavana ao am-pony, nateraky ny tsikinao 19  Ka hivoady fa ianao no ho tokana hany tiany !
20  Hisy kosa any hangina, hitahiry ao anatiny 21  Ny fitia vokatr’iny mba ho raki-mandra-matiny, 22  Nofy anao enjehin-dava no ho sisa fifaliany !

Anagrams  23  tsikitsikinao, Tsikitsikinao

Updated on 2025/08/22