|
|
|
|

Entry (1/4)1  Madagasikara
Part of speech  2  name (toponym) [Full list]
Explanations in Malagasy  3  [1.10] Anglisy sy frantsay "Madagascar": izany no nogasiana hoe Madagasikara. Araka izany, ny fanononana sy fanoratana azy dia tokony hatao hoe Madagaskar. Anefa nony anaovana tononkalo izy hita fa mety ny asiana ny litera I eo amin' ny vakiteny fahefatra sy A eo amin' ny farany, ka dia tonga hoe Madagasikara izy.
Examples  4  [2.113#] Marina ve ny Iroe : Radama, Mpanjakan' i madagasikara?
5  [2.356#] Nisokatra teny Ankatso ny Oniversiten' i madagasikara.
6  [2.270#] Noho i madagasikara tsy toy ny andro taloha intsony va?
All compound words  7  11 words containing madagasikara
Vocabulary  8  Geography: countries, people
Other spellings  9  madagascar, madagaskar, malagasikara
Synonyms  10  bokiny, dago
Analogs  11  bokiny, dago, kierabe, madagascar, madagascar
Quotes  12  Texts mentioning Madagasikara
Illustrations 

Entry (2/4)13  madagasikara
Part of speech  14  noun
Explanations in French  15  [1.196] Du nom de l'île de Madagascar dont cette plante pourtant récemment introduite est curieusement devenue le symbole, sans doute en raison de l'association d'idées entre « Île rouge » et bractées rouges. La feuille pliée en deux a la forme de l'île. Poinsettia pulcherrima (Willd. ex Klotzsch) Graham (Euphorbiaceae) ou Euphorbia pulcherrima Willd. ex Klotzsch (Euphorbiaceae). Arbuste décoratif originaire du Mexique, cultivé dans les jardins et se reproduisant facilement par boutures. Il a été introduit à Tananarive en 1923 par Edmond François, alors Directeur des Parcs et Jardins. Un timbre malgache a reproduit cette plante et ses grandes bractées rouges sont devenues un motif habituel des brodeuses tananariviennes.
Vocabulary  16  Botany
Scientific name 

Entry (3/4)17  Madagasikara
Subtitle  18  Ilay nosy mbola nahatahiry ireo lovany mandraka ankehitriny
Part of speech  19  name (book title) [Full list]
Elementary words  20  Madagasikara
Vocabulary  21  Literature: books
Author  22  Bakke Jon Erik, Randrianirina Philippe, Razafimamdimby Andriamanohisoa
Publishings  1994. Pages: 48.

Entry (4/4)24  Madagasikara
Part of speech  25  name (poem title) [Full list]
Elementary words  26  Madagasikara
Vocabulary  27  Literature: poems
Author  28  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Full text  29  Mihira anao avokoa, ô ry Madagasikara,
30  Ny alanao mikirindro L ny ravinala sy akondro,
31  Ny ravintsara sy rofia, ny tanety tsy hita fara,
32  Ny tendrombohitra efa konka, lanin-driaka, efa mondro.

33  Mihira anao izy ireny! Fa izay tsy hita intsony
34  Ary tsy ahitan-teny dia ireo tanàna fahizay
35  Lasa haolo, anaty vero, matory fahizay ka tony
36  Ao anaty hadivory, misaona toa mangaihay.

37  Miova lasy ny tanàna, mamonjy ireo toeran-donaka !
38  Eny an-dohasaha indray no misy setroka midonaka,
39  Ary eny ny korana, miravoravo fahavokarana…

40  Miova endrika izy ireny ary mbola hiova endrika
41  Hahitana fiezahana ho amin'ny fonena-mendrika !
42  Andro vaovao izao fa ny lasa dia nifarana...

Anagrams  43 Madagasikara, madagasikara

Updated on 2025/09/13