|
|
|
|

Entry (1/2)1  indro
Part of speech  2  adverb [Full list]
All compound words 
Explanations in Malagasy  4  [1.1] Enti-manondro olona na zavatra tokana eo akaiky na tazana tsy lavitra, ka tahaka ny atolotra mihitsy aza: Ry sakaiza, indro ny reninao
Explanations in English  5  [1.2] behold! Lo! Here! This is it! See indry.
6  [1.7] behold! look! there he (she, it) is!
Explanations in French  7  [1.3#280] voici, voilà
8  [1.8] le (la) voilà
Examples  9  [2.4] indro ny volanao.
10  [2.298] indro avereno izy!

Entry (2/2)11  Indro
Part of speech  12  name (poem title) [Full list]
Elementary words  13  indro
Vocabulary  14  Literature: poems
Author  15  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Full text 
16  Indro ny Zanakavavin’ny Alina 17  Hiroboka anatin’ny Lanitra lalina… 18  ‘Ndeha handro izy iny…
19  Ny volony lava toa setroka oly, 20  Ny maso baliakany toa hanangoly… 21  Mandrendri-bahiny!…
22  Mba mahina angaha sao misy mahita 23  Ka miherika im-polo…, kinanjo eny am-pita 24  dia indro tokoa…
25  Ingahy masoandro misalotra mena 26  malaina handao an’ity fijerena 27  An-dRavolana soa!…
28  Dia indro fa nihaona ny masony roa 29  Ka menatra indrindra Ravolana soa 30  Noraisiny haingana
31  ‘lay rahona kely mba sendra nandalo 32  ho enti-manafy an’ity tena mimalo 33  tsy ho hita mivaingana…
34  Nandrasany teo ny hiangan’i Mazava… 35  Vao ‘zay izy sahy nampiseho ny tava! 36  …Dia tena nitranga!
37  Nisosa malako, nandeha nilomano 38  namaky ny ony ‘zay manganohano: 39  Ny lanitra manga!

Anagrams  40  indro, Indro, ondry

Updated on 2025/08/22