| Entry (1/5) | 1 fisoronana |
| Root | 2 sorona |
| Part of speech | 3 noun |
| Explanations in Malagasy |
4 Fanafenana na tsy filazana amin' ny olona izay kilema ananany, nefa tsy hitany, na izay zavatra hita fa tsy mety ataony, na mikasika azy izany na mikasika ny havany:
5 Ny Ntaolo ihany dia efa nampitandrina antsika ny amin' ny fisoronam-bady ao an-trano [1.1] |
| Entry (2/5) | 6 fisoronana |
| Root | 7 sorona |
| Part of speech | 8 noun |
| Explanations in Malagasy |
9 Fikarakarana ny firehetan' ny afo amin' ny fandrosoana kitay ao am-patana: Nataon' ny Ntaolo ohatra ny fisoronana afon' Ikala adala: ny aloha tsy lany, hoy izy, nefa ny aoriana asesika ihany
[1.1] |
| Explanations in French |
10 l'action d'attiser le feu, l'instrument
[1.3] |
| Examples |
11 Tsy manavao rahateo ny fisoronana afo koa dia misosa ho lelafo mivaivay ny ravim-pary maina atosi-tananasy rotsa-kazo.
[2.470]
|
| Entry (3/5) | 12 fisoronana |
| Root | 13 sorona |
| Part of speech | 14 noun |
| Explanations in Malagasy |
[fisoroñana]
15 fivavahana, fanoloran-tsorona (toerana)
[Tambahoaka]
[1.78] 16 Fanaovana sorona:Fisoronana zanak'ondry no natao tamin'ny fetin'ny Paka tamin'ny Testamenta taloha. [1.1] |
| Explanations in French |
17 l'action d'offrir un sacrifice, l'autel, l'instrument, le lieu, le motif
[1.3] |
| Examples |
18 Dia ho azy ireo, amin' ny lalàna mandrakizay ny fisoronana;
[2.996#02.029.009]
19 Ny fombam-pivavahana sy ny fisoronana no ankalazainy indrindra [1.38] |
| Article | 20 Randzavola: fisoronana ao amin' ny Baiboly |
| Entry (4/5) | 21 fisoroñana |
| Part of speech | 22 noun |
| Explanations in Malagasy |
23 tsangambaton-tsampy
[Tambahoaka]
[1.78] |
| Entry (5/5) | 24 Fisoronana |
| Part of speech | 25 name (biblical) [Full list] |
| Explanations in Malagasy |
26 (fanafohezana Fisor) na hoe Levitika = Izany no iantsoana azy, satria izy no mirakitra ny Lalàna mifehy ny fomban-pivavahana sy ny andraikitry ny mpisorona ary ny Levita
[2.611] |
| Vocabulary | 27 Holy Scriptures |
| Synonyms | 28 levitika, levitika, levitika, levitikosy, levitikosy, levitikosy |
| Article | 29 Randzavola: Fisoronana => Fanatitra sy Mpisorana |
| Anagrams | 30 Fisoronana, fisoroñana, fisoronana |
| Updated on 2025/11/13 |
|