|
|
|
|

Entry (1/3)1  embona
Part of speech  2  noun
Derivatives 
Active verbs :
Passive verbs :
Relative verbs :
Names :
All compound words 
Explanations in Malagasy  14  [1.1] fahatsiarovana amin' alahelo olona na zavatra (toy ny tanàna na tany) noho ny fitiavana: Anisan' ny fihetseham-po mamelovelo so am-pony embona ny tanindrazana
Explanations in English  15  [1.209] sigh
Explanations in French  16  [1.3] regret
soupir poussé en songeant à une personne ou à un objet chéri, absent ou perdu
Examples  17  [2.314] Hita mifaritra mazava ny azy ny embona.
18  [2.356] Tsy tana ny embona : " Vitsika momba kitay, hoy Jean Narivony, ka manimanina ny any aminay!
19  [2.529] Izay no voalohany nandehanan' ny sainy tany amin' i Sahondra, dia ohatra ny nisy embona nifangaro hatezerana nibosesika tao am-pony.
Vocabulary  20  Emotions
Analogs  21  hanina

Entry (2/3)22  embona
Part of speech  23  noun
Derivatives 
Active verbs :
Relative verbs :
Explanations in French  26  [1.19] [Tankarana] flotter

Entry (3/3)27  Embona
Part of speech  28  name (poem title) [Full list]
Elementary words  29  embona
Vocabulary  30  Literature: poems
Author  31  Razafindrafidy Bien-Aimé
Full text 
32  Midona malefaka ery Ankaratra, 33  vaky tsipelana ny eny Anjafy. 34  Midona kanefa tsy fahavaratra, 35  fa erika kely no re mifafy.
36  Lanitra soa, tomarataratra, 37  otronin'ny rahona mitsitoko, 38  kanefa, ry lahy, iry Ankaratra 39  zary manjombona sy manjoko.
40  Ankaratra ô! nahoana kosa, 41  manembona ve ilay nisaraka, 42  ka ny tolokony miavosa 43  eo aminao no te-hiraraka?…
44  Raha manina izy ka mitomany, 45  lalim-pisento fa te-hiverina, 46  asaivo mitony hangina ihany 47  fa toraka izany'lay eto Imerina!
48  Ny sentom-pony raha tonga fatra 49  - ka indro mandrotika ny fanahy - 50  aoka hionona fa ny ratra 51  iombonako aminy lavitra ahy!
52  Tsy oram-baratra no midona, fa 53  fo feno hanina no miteny, 54  ka ny vetsom-panahiny kely foana 55  tsy sasa-mivezika sy manjeny.
56  Eny, ry rahona ery Ankaratra! 57  ry rahona fotsy iaraha-mijery, 58  meteza ianao mba ho fitaratra 59  hampita ny sarin'ilay miery.
60  Vaky tsipelana ve Anjafy 61  ka tsy hidoboka iry Ankaratra? 62  Raha izy misento ka mafimafy, 63  ny foko no toy ny latsaham-baratra!

Anagrams  64  ambeno, ambone, añombe, bomena, Embona, embona, mañebo, naembo

Updated on 2025/08/22