|
|
|
|

Entry1  Antsam-pitiavana
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Elementary words  3  antsa, fitiavana
Vocabulary  4  Literature: poems
Author  5  Razakandraina Jean Verdi Salomon
Full text 
6  Fa fitiavako ianao, fifaliako, fahasambarako… 7  Vahatr’aina, tanjon-tokana, eny tokana ifaharako… 8  Ametrahako ny androko, ny fo, fanahy sy fisainako 9  Aminao no miantomboka ka mifarana ny fiainako… !
10  Fa fitiavako ianao, eritreritro, fanahiko… 11  Tsy hisaraka amiko eny, na aiza na aiza tany itsahiko ! 12  Tompon’ny safidim-poko, mpanapaka ny momba ahy ! 13  Anjely hiambina ahy hatrany raha izaho alaim-panahy !
14  Fa fitiavako ianao, eny tena fitiavako ! 15  Hira mamiko izany ka tsy afaka eo am-bavako! 16  Hira mamiko indrindra, ô hirako hatrany !
17  Fa fitiavako ianao, è fitiavako madio… 18  Hoy ny teny fivoadiana atolotro anao anio : 19  Ho fitiavako ianao mandra-podiko ho tany !

Updated on 2025/05/06