Index

Proverbs : manan-droa

Proverb 1Izay mahay manana dia manana indroa, fa izay tsy mahay manana, dia foan-tanana. [2.415]
Izay mahay manana dia manan-droa, fa izay tsy mahay manana, dia foana avokoa. [2.415]
Izay mahay manana dia manan-droa; fa raha tsy mahay manana dia foana avokoa. [2.653 #1185]
Izay mahay manana, manan-droa; fa raha tsy mahay manana, ny tanan-droa foana avokoa. [2.165 #754]
Izay mahay manana, manan-droa, fa raha tsy mahay manana, votso-droa. [2.558 #1497]
Raha mahay manana, manan-droa; fa raha tsy mahay manana, votso-droa. [1.1]
Raha mahay manan-droa, fa raha tsy mahay foan-tanan-droa. [2.558]
Malagasy interpretationEnti-mampitandrina an' ireo be faniriana loatra ta hahazo betsaka amin' izay ataony nefa mety tsy hahazo na iray amin' iteo aza. [1.1]
Enti-milaza olona be famaritra loatra ka mety hahazo betsaka na tsy hahazo na inona na inona akory. [1.1]
French translationCeux qui savent tirer parti de ce qu' ils ont le possèdent à double, mais ceux qui ne le savent pas perdent bientôt tout. [2.165]
Savoir garder ce qu' on a et en profiter, c' est le posséder deux fois ; ne pas savoir, c' est le posséder inutilement. [2.415 #2191]

Proverb 2Saro-po manan-tokana, ka tsy manan-droa hamolahana. [2.165 #1800, 2.653 #2870]
Saro-po manan-tokana, ka tsy misy hamolahana. [2.558 #3847]
French translationUn homme violent qui n'a qu' une femme, et il n' en a pas deux qu' il pourrait mater plus aisément. [2.165]
French interpretationEn les rendant jalouses l' une de l' autre. [2.165]

Index