<-
->

Mar / Mk 4:1 And he began again to teach by the sea side: and there was gathered unto him a great multitude, so that he entered into a ship, and sat in the sea; and the whole multitude was by the sea on the land. Ary nampianatra teo amoron' ny ranomasina indray Jesosy; ary nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka teo amin' ny ranomasina; ary ny vahoaka rehetra dia teny an-tanety amoron-dranomasina. Ary nampianatra teo amoron-dranomasina indray izy, ka nisy vahoaka be nitangorona teo aminy, izy moa niakatra nipetraka teo an-tsambo kely teo ambonin' ny ranomasina, ny vahoaka rehetra kosa teny amoron-dranomasina. Il se mit de nouveau à enseigner au bord de la mer et une foule très nombreuse s' assemble auprès de lui, si bien qu' il monte dans une barque et s' y assied, en mer ; et toute la foule était à terre, près de la mer.
Mar / Mk 4:2 And he taught them many things by parables, and said unto them in his doctrine, Ary nampianatra azy zavatra maro tamin' ny fanoharana Izy ka nilaza tamin' ny fampianarany azy hoe: Ary nampianatra azy zavatra maro tamin' ny fanoharana izy, ka nilaza tamin' ny fampianarany hoe: Il leur enseignait beaucoup de choses en paraboles et il leur disait dans son enseignement :
Mar / Mk 4:3 Hearken; Behold, there went out a sower to sow: Mihainoa: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy. Mihainoa: Indro niainga hamafy ny mpamafy, " Écoutez ! Voici que le semeur est sorti pour semer.
Mar / Mk 4:4 And it came to pass, as he sowed, some fell by the way side, and the fowls of the air came and devoured it up. Ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana, dia avy ny vorona ka nandany izany. ka nony namafy izy, ny sasany latsaka teny amoron-dàlana, dia tonga ny voro-manidina ka nitsindroka azy. Et il advint, comme il semait, qu' une partie du grain est tombée au bord du chemin, et les oiseaux sont venus et ont tout mangé.
Mar / Mk 4:5 And some fell on stony ground, where it had not much earth; and immediately it sprang up, because it had no depth of earth: Ary ny sasany dia voafafy teny amin' ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina. Ny sasany latsaka tamin' ny tany be vato sy marivo nofo, ka nitsimoka vetivety satria tsy nisy tany lalina; Une autre est tombée sur le terrain rocheux où elle n' avait pas beaucoup de terre, et aussitôt elle a levé, parce qu' elle n' avait pas de profondeur de terre ;
Mar / Mk 4:6 But when the sun was up, it was scorched; and because it had no root, it withered away. Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny; ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy. fa nony niposaka ny masoandro, sady nasian' ny hainandro izy no tsy latsa-paka ka maina. et lorsque le soleil s' est levé, elle a été brûlée et, faute de racine, s' est desséchée.
Mar / Mk 4:7 And some fell among thorns, and the thorns grew up, and choked it, and it yielded no fruit. Ary ny sasany dia voafafy teny amin' ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy, dia tsy namoa izy. Ny sasany latsaka tany anaty tsilo, ary nitombo ny tsilo ka nangeja azy, dia tsy namoa izy. Une autre est tombée dans les épines, et les épines ont monté et l' ont étouffée, et elle n' a pas donné de fruit.
Mar / Mk 4:8 And other fell on good ground, and did yield fruit that sprang up and increased; and brought forth, some thirty, and some sixty, and some an hundred. Ary ny sasany dia voafafy teny amin' ny tany tsara, ary raha naniry sy namoa, dia vokatra, fa namoa: ny sasany avy telo-polo heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny. Ary ny sasany latsaka tamin' ny tany tsara, dia naniry sy nitombo ary namoa, ka ny sasany avo telopolo heny, ny sasany avo enim-polo heny, ny sasany avo zato heny. D' autres sont tombés dans la bonne terre, et ils ont donné du fruit en montant et en se développant, et ils ont produit l' un trente, l' autre soixante, l' autre cent. "
Mar / Mk 4:9 And he said unto them, He that hath ears to hear, let him hear. Ary hoy Izy: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino. Ary hoy izy: Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino. Et il disait : " Entende, qui a des oreilles pour entendre ! "
Mar / Mk 4:10 And when he was alone, they that were about him with the twelve asked of him the parable. Ary raha tao amin' ny mangingina Izy, dia nanontany Azy ny amin' ny fanoharana ireo nomba Azy mbamin' ny roa ambin' ny folo lahy. Nony efa nitokana izy, dia nanontany azy ny amin' ny fanoharana ireo momba azy mbamin' ny roa ambin' ny folo lahy. Quand il fut à l'écart, ceux de son entourage avec les Douze l' interrogeaient sur les paraboles.
Mar / Mk 4:11 And he said unto them, Unto you it is given to know the mystery of the kingdom of God: but unto them that are without, all these things are done in parables: Ary hoy Izy taminy: Hianareo no efa nomena ny zava-miafina ny amin' ny fanjakan' Andriamanitra; fa amin' ireny izay any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin' ny fanoharana; Ary hoy izy taminy: Hianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin' ny fanjakan' Andriamanitra, fa amin-dry zareo any ivelany kosa ny zavatra rehetra dia atao amin' ny fanoharana, Et il leur disait : " A vous le mystère du Royaume de Dieu a été donné ; mais à ceux-là qui sont dehors tout arrive en paraboles,
Mar / Mk 4:12 That seeing they may see, and not perceive; and hearing they may hear, and not understand; lest at any time they should be converted, and their sins should be forgiven them. mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony (Isa. 6. 9, 10). mba hahita maso izy fa tsy hahalala, ary handre sofina fa tsy hahafantatra, fandrao hibebaka izy ka havela ny helony. afin qu' ils aient beau regarder et ils ne voient pas, qu' ils aient beau entendre et ils ne comprennent pas, de peur qu' ils ne se convertissent et qu' il ne leur soit pardonné. "
Mar / Mk 4:13 And he said unto them, Know ye not this parable? and how then will ye know all parables? Ary hoy Izy taminy: Tsy azonareo va ilay fanoharana teo? koa hataonareo ahoana no fahafantatra ny fanoharana rehetra? Dia hoy izy: Tsy azonareo va izany fanoharana izany? Koa hataonareo ahoana àry no fahalala ny fanoharana rehetra? Et il leur dit : " Vous ne saisissez pas cette parabole ? Et comment comprendrez-vous toutes les paraboles ?
Mar / Mk 4:14 The sower soweth the word. Ny mpamafy dia mamafy ny teny. Ny mpamafy dia mamafy ny teny. Le semeur, c' est la Parole qu' il sème.
Mar / Mk 4:15 And these are they by the way side, where the word is sown; but when they have heard, Satan cometh immediately, and taketh away the word that was sown in their hearts. Ary ireto no ilay teo amoron-dalana, dia izay amafazana ny teny, fa rehefa nandre izy, dia avy miaraka amin' izay Satana ka manaisotra ny teny izay nafafy tao aminy. Ireto eo amoron-dàlana dia ny olona izay amafazana ny teny; fa raha vao nahare izy, dia tonga Satana ka manesotra ny teny voafafy tao am-pony. Ceux qui sont au bord du chemin où la Parole est semée, sont ceux qui ne l' ont pas plus tôt entendue que Satan arrive et enlève la Parole semée en eux.
Mar / Mk 4:16 And these are they likewise which are sown on stony ground; who, when they have heard the word, immediately receive it with gladness; Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin' ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin' ny hafaliana; Toy izany koa, ireo mandray ny voa amin' ny tany be vato no izay vao mandre ny teny, dia mandray azy an-kafaliana; Et de même ceux qui sont semés sur les endroits rocheux, sont ceux qui, quand ils ont entendu la Parole, l' accueillent aussitôt avec joie,
Mar / Mk 4:17 And have no root in themselves, and so endure but for a time: afterward, when affliction or persecution ariseth for the word' s sake, immediately they are offended. nefa tsy manam-paka ao anatiny ireny, fa maharitra vetivety foana; koa rehefa afaka izany, ka tonga izay fahoriana na fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin' izay izy. nefa tsy miorim-paka ao anatiny izy, ka tsy maharitra ela; fa nony tonga ny fahoriana sy ny fanenjehana noho ny teny, dia tafintohina miaraka amin' izay izy. mais ils n' ont pas de racine en eux-mêmes et sont les hommes d' un moment : survienne ensuite une tribulation ou une persécution à cause de la Parole, aussitôt ils succombent.
Mar / Mk 4:18 And these are they which are sown among thorns; such as hear the word, Ary misy hafa koa izay voafafy teny amin' ny tsilo, dia ireo no ilay nandre ny teny, Ireo mandray ny voa ao anatin' ny tsilo no izay mihaino ny teny; Et il y en a d' autres qui sont semés dans les épines ; ce sont ceux qui ont entendu la Parole,
Mar / Mk 4:19 And the cares of this world, and the deceitfulness of riches, and the lusts of other things entering in, choke the word, and it becometh unfruitful. fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy. fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mbamin' ny fanirian-javatra hafa, dia miditra mamono ny teny, ka tonga tsy mamoa izy. mais les soucis du monde, la séduction de la richesse et les autres convoitises les pénètrent et étouffent la Parole, qui demeure sans fruit.
Mar / Mk 4:20 And these are they which are sown on good ground; such as hear the word, and receive it, and bring forth fruit, some thirtyfold, some sixty, and some an hundred. Ary ireto no ilay voafafy teny amin' ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny. Ary ireo mandray ny voa amin' ny tany lonaka no izay sady mihaino ny teny no mandray azy ka mamoa, ny sasany avo telo-polo heny, ny sasany enim-polo heny, ary ny sasany zato heny. Et il y a ceux qui ont été semés dans la bonne terre : ceux-là écoutent la Parole, l' accueillent et portent du fruit, l' un trente, l' autre soixante, l' autre cent. "
Mar / Mk 4:21 And he said unto them, Is a candle brought to be put under a bushel, or under a bed? and not to be set on a candlestick? Ary hoy Izy taminy: Moa entina va ny jiro mba hosaronan' ny vata famarana, na hatao ao ambanin' ny farafara? Tsy hatao amin' ny fanaovan-jiro va izy? Ary hoy koa izy taminy: Moa entina hapetraka ao ambanin' ny vata famarana na ambanin' ny farafara va ny jiro? Moa tsy hapetraka amin' ny fanaovan-jiro va izy? Et il leur disait : " Est-ce que la lampe vient pour qu' on la mette sous le boisseau ou sous le lit ? N' est-ce pas pour qu' on la mette sur le lampadaire ?
Mar / Mk 4:22 For there is nothing hid, which shall not be manifested; neither was any thing kept secret, but that it should come abroad. Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy haseho. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy haposaka. Car il n' y a rien de caché qui ne doive être manifesté et rien n' est demeuré secret que pour venir au grand jour.
Mar / Mk 4:23 If any man have ears to hear, let him hear. Raha misy olona manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino. Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino. Si quelqu' un a des oreilles pour entendre, qu' il entende ! "
Mar / Mk 4:24 And he said unto them, Take heed what ye hear: with what measure ye mete, it shall be measured to you: and unto you that hear shall more be given. Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza ianareo. Dia hoy indray izy: Diniho izay renareo. Araka izay famarana hamaranareo ihany no hamarana ho anareo, ary homena mihoatra aza hianareo. Et il leur disait : " Prenez garde à ce que vous entendez ! De la mesure dont vous mesurez, on mesurera pour vous, et on vous donnera encore plus.
Mar / Mk 4:25 For he that hath, to him shall be given: and he that hath not, from him shall be taken even that which he hath. Fa izay manana no homena; ary ny amin' ny tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy. Fa izay manana dia homena, ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hoesorina aminy. Car celui qui a, on lui donnera, et celui qui n' a pas, même ce qu' il a lui sera enlevé. "
Mar / Mk 4:26 And he said, So is the kingdom of God, as if a man should cast seed into the ground; Ary hoy Izy: Toy izao ny fanjakan' Andriamanitra: tahaka ny lehilahy mamafy voa amin' ny tany Ary hoy koa izy: Ny fanjakan' ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray mamafy voa amin' ny tany, Et il disait : " Il en est du Royaume de Dieu comme d' un homme qui aurait jeté du grain en terre :
Mar / Mk 4:27 And should sleep, and rise night and day, and the seed should spring and grow up, he knoweth not how. ka matory sy mahatsiaro isan' alina sy isan' andro; ary ny voa dia mitsimoka ka maniry, nefa tsy fantany ny faniriny ka izy matory sy mahatsiaro isan' alina sy isan' andro, ary ny voa mitsimoka sy mitombo, nefa tsy fantany izay faniriny; qu' il dorme et qu' il se lève, nuit et jour, la semence germe et pousse, il ne sait comment.
Mar / Mk 4:28 For the earth bringeth forth fruit of herself; first the blade, then the ear, after that the full corn in the ear. Fa ny tany mahavokatra ho azy: voalohany misy tahony, dia teraka, ary rehefa izany, dia feno voa. fa mahavokatra ho azy ny tany, ka tahony no voalohany, dia salohiny no manarakaraka, vao ventim-bary amin' ny salohiny no farany. D' elle-même, la terre produit d' abord l' herbe, puis l'épi, puis plein de blé dans l'épi.
Mar / Mk 4:29 But when the fruit is brought forth, immediately he putteth in the sickle, because the harvest is come. Fa rehefa azo jinjana izy, dia jinjany miaraka amin' izay, fa efa tonga ny fararano. Ary rahefa vokatra dia jinjana miaraka amin' izay, satria tonga ny taom-pijinjana. Et quand le fruit s' y prête, aussitôt il y met la faucille, parce que la moisson est à point. "
Mar / Mk 4:30 And he said, Whereunto shall we liken the kingdom of God? or with what comparison shall we compare it? Ary hoy Izy: Ahoana no hanoharantsika ny fanjakan' Andriamanitra, ary inona no fanoharana hanoharantsika azy? Ary hoy indray izy: Amin' inona no hampitahantsika ny fanjakan' Andriamanitra, ary fanoharana inona no hanehoantsika azy? Et il disait : " Comment allons-nous comparer le Royaume de Dieu ? ou par quelle parabole allons-nous le figurer ?
Mar / Mk 4:31 It is like a grain of mustard seed, which, when it is sown in the earth, is less than all the seeds that be in the earth: Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely noho ny voa rehetra, raha vao afafy amin' ny tany; Tahaka ny voatsinapy izy, izay kely indrindra amin' ny voa rehetra ambonin' ny tany raha vao afafy, C' est comme un grain de sénevé qui, lorsqu' on le sème sur la terre, est la plus petite de toutes les graines qui sont sur la terre ;
Mar / Mk 4:32 But when it is sown, it groweth up, and becometh greater than all herbs, and shooteth out great branches; so that the fowls of the air may lodge under the shadow of it. Fa rehefa voafafy kosa izy, dia maniry ka tonga lehibe noho ny anana rehetra, ary mandrantsana vaventy, ka azon' ny voro-manidina itoerana ny alokalony. fa tonga lehibe indrindra amin' ny anana rehetra kosa rahefa voafafy sy mitombo, ary mandrantsana vaventy ka azon' ny voro-manidina ialofana ny alokalony. mais une fois semé, il monte et devient la plus grande de toutes les plantes potagères, et il pousse de grandes branches, au point que les oiseaux du ciel peuvent s' abriter sous son ombre. "
Mar / Mk 4:33 And with many such parables spake he the word unto them, as they were able to hear it. Ary fanoharana maro toy izany no nanambarany ny teny taminy, araka izay hainy hohenoina. Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy, araka izay takatry ny sain' izy ireo. C' est par un grand nombre de paraboles de ce genre qu' il leur annonçait la Parole selon qu' ils pouvaient l' entendre ;
Mar / Mk 4:34 But without a parable spake he not unto them: and when they were alone, he expounded all things to his disciples. Ary raha tsy tamin' ny fanoharana dia tsy niteny taminy Izy; ary tamin' ny mangingina no nilazany tamin' ny mpianany ny hevitr' ireo rehetra ireo. Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin' ny fanoharana izy, fa nony mangingina vao nanambara tamin' ny mpianany ny hevitr' ireo rehetra ireo. et il ne leur parlait pas sans parabole, mais, en particulier, il expliquait tout à ses disciples.
Mar / Mk 4:35 And the same day, when the even was come, he saith unto them, Let us pass over unto the other side. Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita. Androtr' izay ihany, nony hariva ny andro, dia hoy izy taminy: Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano. Ce jour-là, le soir venu, il leur dit : " Passons sur l' autre rive. "
Mar / Mk 4:36 And when they had sent away the multitude, they took him even as he was in the ship. And there were also with him other little ships. Ary rehefa nampodin' ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin' io sambokely io tamin' izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy. Dia nilaozan' izy ireo teo ny olona ka nentiny tamin' izao tao an-tsambo kely Jeso, ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy. Et laissant la foule, ils l' emmènent, comme il était, dans la barque ; et il y avait d' autres barques avec lui.
Mar / Mk 4:37 And there arose a great storm of wind, and the waves beat into the ship, so that it was now full. Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran' ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano. Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely, ka efa nihafeno rano izy. Survient alors une forte bourrasque, et les vagues se jetaient dans la barque, de sorte que déjà elle se remplissait.
Mar / Mk 4:38 And he was in the hinder part of the ship, asleep on a pillow: and they awake him, and say unto him, Master, carest thou not that we perish? Ary Jesosy natory teo am-bodin' ny sambokely tambonin' ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao? Fa Jeso kosa natory teo am-body sambo kely tambonin' ny ondana, ka nofohazin' izy ireo izy nilazany hoe: Ry Mpampianatra ô! tsy mampaninona anao va raha maty izahay? Et lui était à la poupe, dormant sur le coussin. Ils le réveillent et lui disent : " Maître, tu ne te soucies pas de ce que nous périssons ? "
Mar / Mk 4:39 And he arose, and rebuked the wind, and said unto the sea, Peace, be still. And the wind ceased, and there was a great calm. Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin' ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro. Dia nifoha izy ka niteny mafy ny rivotra, ary nilaza tamin' ny ranomasina hoe: Mangina, mitonia. Dia nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro. S'étant réveillé, il menaça le vent et dit à la mer : " Silence ! Tais-toi ! " Et le vent tomba et il se fit un grand calme.
Mar / Mk 4:40 And he said unto them, Why are ye so fearful? how is it that ye have no faith? Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo? Ary hoy izy tamin' izy ireo: Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va hianareo? Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe: Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky azy? Puis il leur dit : " Pourquoi avez-vous peur ainsi ? N' avez-vous pas encore de foi ? "
Mar / Mk 4:41 And they feared exceedingly, and said one to another, What manner of man is this, that even the wind and the sea obey him? Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy? Alors ils furent saisis d' une grande crainte et ils se disaient les uns aux autres : " Qui est-il donc celui-là, que même le vent et la mer lui obéissent ? "

<-
->