<-
->

Job / Jb 7:1 Is there not an appointed time to man upon earth? are not his days also like the days of an hireling? Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak' olombelona etý ambonin' ny tany? Ary tsy tahaka ny andron' ny mpikarama va ny androny? Andro fanompoana, ny fiainan' ny olombelona eto an-tany, ary toy ny an' ny mpikarama ny androny. N' est-ce pas un temps de service qu' accomplit l' homme sur terre, n' y mène-t-il pas la vie d' un mercenaire ?
Job / Jb 7:2 As a servant earnestly desireth the shadow, and as an hireling looketh for the reward of his work: Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman' ny asany, Toy ny mpanompo maniry alokaloka, toy ny mpikarama miandry ny karamany, Tel l' esclave soupirant après l' ombre ou l' ouvrier tendu vers son salaire,
Job / Jb 7:3 So am I made to possess months of vanity, and wearisome nights are appointed to me. Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy. mova tsy izany aho nanana izay anjara volana mampahory, sy nanana izay anjara alina mampijaly. j' ai en partage des mois d' illusion, à mon compte des nuits de souffrance.
Job / Jb 7:4 When I lie down, I say, When shall I arise, and the night be gone? and I am full of tossings to and fro unto the dawning of the day. Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan' ny andro. Fa nony handry aho manao hoe: Rahoviana aho no hifoha? Rahoviana ny alina no ho tapitra? dia mandry an-driran' antsy foana eo aho, mandra-pahazavan' ny andro. Étendu sur ma couche, je me dis : " A quand le jour ? " Sitôt levé : " Quand serai-je au soir ? " Et des pensées folles m' obsèdent jusqu' au crépuscule.
Job / Jb 7:5 My flesh is clothed with worms and clods of dust; my skin is broken, and become loathsome. Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray. Ny nofoko rakotra olitra aman-takopery vasoka, ny hoditro mitsefatsefaka, sady ivoahanana. Vermine et croûtes terreuses couvrent ma chair, ma peau gerce et suppure.
Job / Jb 7:6 My days are swifter than a weaver' s shuttle, and are spent without hope. Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana. Mihelina faingana toy ny famahanan-tenona ny androko, dia lany: tsy misy fanantenana intsony! Mes jours ont couru plus vite que la navette et disparu sans espoir.
Job / Jb 7:7 O remember that my life is wind: mine eye shall no more see good. Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko. Andriamanitra o, tsarovy fa fofona kely foana ny aiko? ka tsy hahita fiadanana intsony ny masoko. Souviens-toi que ma vie n' est qu' un souffle, que mes yeux ne reverront plus le bonheur!
Job / Jb 7:8 The eye of him that hath seen me shall see me no more: thine eyes are upon me, and I am not. Tsy hahita ahy intsony ny mason' izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho. Ny maso mijery ahy, tsy hahita ahy intsony; ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho eo intsony aho. Désormais je serai invisible à tout regard, tes yeux seront sur moi et j' aurai disparu.
Job / Jb 7:9 As the cloud is consumed and vanisheth away: so he that goeth down to the grave shall come up no more. Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midina any amin' ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony; Mihahaka dia levona ny rahona: toy izany koa izay midina ho any amin' ny seoly dia tsy hiakatra intsony; Comme la nuée se dissipe et passe, qui descend au shéol n' en remonte pas.
Job / Jb 7:10 He shall return no more to his house, neither shall his place know him any more. Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany. tsy hody ao an-tranony intsony izy, ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany teo aloha. Il ne revient pas habiter sa maison et sa demeure ne le connaît plus.
Job / Jb 7:11 Therefore I will not refrain my mouth; I will speak in the anguish of my spirit; I will complain in the bitterness of my soul. Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian' ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian' ny aiko. Noho izany dia tsy hamehy ny vavako aho; fa hiteny noho ny fahorian' ny fanahiko, handefa ny fitarainako noho ny ngidiny ato am-poko. Et c' est pourquoi je ne puis me taire, je parlerai dans l' angoisse de mon esprit, je me plaindrai dans l' amertume de mon âme.
Job / Jb 7:12 Am I a sea, or a whale, that thou settest a watch over me? Ranomasina va aho, na trozona, no dia asianao fiambenana? Ranomasina va aho, sa biby dia an-dranomasina, no dia asianao fefy avokoa ny manodidina ahy? Suis-je la Mer, moi, ou le monstre marin, pour que tu postes une garde contre moi ?
Job / Jb 7:13 When I say, My bed shall comfort me, my couch shall ease my complaints; Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako. Nony injay aho mba milaza hoe: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako, Si je dis : " Mon lit me consolera, ma couche atténuera ma plainte ",
Job / Jb 7:14 Then thou scarest me with dreams, and terrifiest me through visions: Dia mampitahotra ahy amin' ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin' ny tsindrimandry; injay kosa hianao mampitahotra ahy amin' ny nofy; mampivadi-po ahy amin' ny tsindrimandry. alors tu m' effraies par des songes, tu m'épouvantes par des visions.
Job / Jb 7:15 So that my soul chooseth strangling, and death rather than my life. Ka dia aleon' ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako izato; Endrey! Aleon' ny fanahiko alana aina an-keriny; ny taolako miantso ny fahafatesana! Ah! je voudrais être étranglé : la mort plutôt que mes douleurs!
Job / Jb 7:16 I loathe it; I would not live alway: let me alone; for my days are vanity. Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko. Ny tenako voan' ny fahalevonana; ny aiko mitsoaka amiko ho amin' ny mandrakizay: avelao re aho; fa fofona foana ny androko. Je m' en moque, je ne vivrai pas toujours; aussi, laisse-moi, mes jours ne sont qu' un souffle!
Job / Jb 7:17 What is man, that thou shouldest magnify him? and that thou shouldest set thine heart upon him? Inona moa ny zanak' olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao, Inona moa ny olombelona, no dia tombananao fatratra ery, fa mba mety hikarakara azy hianao, Qu' est-ce donc que l' homme pour en faire si grand cas, pour fixer sur lui ton attention,
Job / Jb 7:18 And that thou shouldest visit him every morning, and try him every moment? Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso? mamangy azy isa-maraina ary zahanao toetra isan-tapak' andro? pour l' inspecter chaque matin, pour le scruter à tout instant ?
Job / Jb 7:19 How long wilt thou not depart from me, nor let me alone till I swallow down my spittle? Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora? Rahoviana re no hitsahatra ny fijerinao ahy? Rahoviana re no havelanao aho, mba hisy hitelemako ivy? Cesseras-tu enfin de me regarder, pour me laisser le temps d' avaler ma salive ?
Job / Jb 7:20 I have sinned; what shall I do unto thee, O thou preserver of men? why hast thou set me as a mark against thee, so that I am a burden to myself? Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho? Raha nanota aho, inona no azoko atao aminao, ry Mpiandry ny olombelona o! Nahoana no dia apetrakao hiantefan' ny zana-tsipikanao aho, ka hampanjarianao enta-mavesatra ho ahy ny tenako? Si j' ai péché, que t' ai-je fait, à toi, l' observateur attentif de l' homme ? Pourquoi m' as-tu pris pour cible, pourquoi te suis-je à charge ?
Job / Jb 7:21 And why dost thou not pardon my transgression, and take away my iniquity? for now shall I sleep in the dust; and thou shalt seek me in the morning, but I shall not be. Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin' ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atý intsony aho. Nahoana no dia tsy avelanao ny heloko? Nahoana no dia tsy hadinoinao ny hadisoako? Fa vetivety foana dia handry any amin' ny vovoka aho, ary hitady ahy hianao; fa tsy hisy intsony aho. Ne peux-tu tolérer mon offense, passer sur ma faute ? Car bientôt je serai couché dans la poussière, tu me chercheras et je ne serai plus.

<-
->