<-
->

Job / Jb 24:1 Why, seeing times are not hidden from the Almighty, do they that know him not see his days? Nahoana no tsy misy fotoan' andro voatendrin' ny Tsitoha, ary nahoana no tsy hitan' ny mahalala Azy izany androny Izany? Nahoana no tsy misy fotoana natokan' ny Tsitoha, ary ireo manompo azy tsy mba mahita ny androny? Pourquoi Shaddaï n' a-t-il pas des temps en réserve, et ses fidèles ne voient-ils pas ses jours ?
Job / Jb 24:2 Some remove the landmarks; they violently take away flocks, and feed thereof. Misy mamindra fari-tany sy mangalatra omby aman' ondry sady miandry azy. Misy olona mamindra orim-bato, miandry biby fiompy nangalariny, Les méchants déplacent les bornes, ils enlèvent troupeau et berger.
Job / Jb 24:3 They drive away the ass of the fatherless, they take the widow' s ox for a pledge. Mandroaka ny borikin' ny kamboty izy, ary maka ny ombin' ny mpitondratena ho tsatòka. mandroaka ny ampondran' ny kamboty, mitana ny ombin' ny mananotena ho tsatoka, On emmène l'âne des orphelins, on prend en gage le boeuf de la veuve.
Job / Jb 24:4 They turn the needy out of the way: the poor of the earth hide themselves together. Manosika ny mahantra hiala amin' ny lalana izy, ka dia miery azy avokoa ny malahelo amin' ny tany. manosika ny mahantra hivily lalana, ka voatery hiery avokoa ny madinika amin' ny tany. Les indigents doivent s'écarter du chemin, les pauvres du pays se cacher tous ensemble.
Job / Jb 24:5 Behold, as wild asses in the desert, go they forth to their work; rising betimes for a prey: the wilderness yieldeth food for them and for their children. Indro, tahaka ny fivoaky ny boriki-dia any an-efitra no fivoak' ireny ho amin' ny asany hiremby; Ny tani-hay no ahazoany hanina ho an' ny zanany. Mova tsy ny ampondra dia any an' efitra izy: dia mivoaka izy hanao ny asany, mitady ny rembiny hatramin' ny vao maraina. Ny tany efitra no ahazoany hanina ho an-janany; Tels les onagres du désert, ils sortent à leur travail, cherchant dès l' aube une proie, et le soir, du pain pour leurs petits.
Job / Jb 24:6 They reap every one his corn in the field: and they gather the vintage of the wicked. Any an-tsaha izy maka vilona sy mitsimpontsimpona ny voaloboky ny ratsy fanahy. ny salohim-bary eny an-tsaha no tsongoiny, ary ao an-tanim-boaloboky ny mpampahory azy izy no mifetsy. Ils moissonnent dans le champ d' un vaurien, ils pillent la vigne d' un méchant.
Job / Jb 24:7 They cause the naked to lodge without clothing, that they have no covering in the cold. Mandry mitanjaka amin' ny alina izy, satria tsy manan-damba, ka dia tsy manana firakotra amin' ny hatsiaka; Mihanjaka izy ireo, ary mandritra ny alina, noho ny fitafiana tsy misy, mandry tsy amam-pirakofana aro hatsiaka. Ils passent la nuit nus, sans vêtements, sans couverture contre le froid.
Job / Jb 24:8 They are wet with the showers of the mountains, and embrace the rock for want of a shelter. Kotsan' ny ranonoram-baratra any an-tendrombohitra izy, ka mitampisaka amin' ny vatolampy, fa tsy manam-pialofana. Kotsan' ny ranonorana eny an-tendrombohitra, mitampisaka eny amin' ny vatolampy fa tsy manan-kialofana. L' averse des montagnes les transperce; faute d' abri, ils étreignent le rocher.
Job / Jb 24:9 They pluck the fatherless from the breast, and take a pledge of the poor. Misarika ny kamboty eo am-pinonoana izy ary maka tsatòka amin' ny ory. Misarika ny kamboty eo am-pinonoana, maka tsatoka amin' ny olona ory; On arrache l' orphelin à la mamelle, on prend en gage le nourrisson du pauvre.
Job / Jb 24:10 They cause him to go naked without clothing, and they take away the sheaf from the hungry; Mandeha mitsaitsaika ireo, fa mitanjaka tsy manan-kitafy, ary noana eo am-pitondrana ny amboaram-bary. ka dia miboridana tsy manan-kitafy ireo, noana mivesatra ny amboaram-barin' ny tompo; Ils s' en vont nus, sans vêtements; affamés, ils portent les gerbes.
Job / Jb 24:11 Which make oil within their walls, and tread their winepresses, and suffer thirst. Manao diloilo eo anatin' ny tambohon' ny mpampahory azy izy; Ary manosihosy ny famiazam-boaloboka izy, nefa mangetaheta ihany. mamia ny diloilo ao an-trano fitahirizana divay; mangetaheta eo am-pamiazana voaloboka. Entre deux murettes, ils pressent l' huile; altérés, ils foulent les cuves.
Job / Jb 24:12 Men groan from out of the city, and the soul of the wounded crieth out: yet God layeth not folly to them. Mitrona ny lehilahy ao an-tanana, ary mitaraina ny fanahin' ny voalefona; Nefa tsy ahoan' Andriamanitra akory ny ratsy atao. Misondrotra avy eny an-tanana eny ny feon' ny olona mitoloko, velon-taraina ny ain' ny voaratra, nefa tsy ahoan' Andriamanitra izany heloka bevava izany! De la ville on entend gémir les mourants, les blessés, dans un souffle, crier à l' aide. Et Dieu reste sourd à la prière!
Job / Jb 24:13 They are of those that rebel against the light; they know not the ways thereof, nor abide in the paths thereof. Ireny no mpikomy amin' ny mazava; Tsy mba mihevitra ny lalany izy, na mitoetra eo amin' ny alehany. Misy miteotra ao amin' ny fahavalon' ny fahazavana, tsy mahalala ny lalany akory, na maharitra mizotra amin' ny sakeli-dalany. D' autres sont de ceux qui repoussent la lumière : ils en méconnaissent les chemins, n' en fréquentent pas les sentiers.
Job / Jb 24:14 The murderer rising with the light killeth the poor and needy, and in the night is as a thief. Raha vao mangiran-dratsy, dia mifoha ny mpamono olona; Mamono ny ory sy ny malahelo izy, ary nony alina, dia tahaka ny mpangalatra. Ny mpamono olona mifoha vao mangiran-dratsy, mamono ny ory aman-tsy manana, misodisody alina toa jiolahy. Il fait noir quand l' assassin se lève, pour tuer le pauvre et l' indigent. Durant la nuit rôde le voleur,
Job / Jb 24:15 The eye also of the adulterer waiteth for the twilight, saying, No eye shall see me: and disguiseth his face. Ny mason' ny mpijangajanga miandry ny maizimaizina, ka hoy izy: Tsy misy hahalala ahy ka dia manao very maso izy. Ny mason' ny mpaka vadin' olona mikendry izay ihavian' ny maizimaizina: tsy misy mahita ahy, hoy izy, dia manao very maso izy. L' oeil de l' adultère épie le crépuscule : " Personne ne me verra ", dit-il, et il met un voile sur son visage.
Job / Jb 24:16 In the dark they dig through houses, which they had marked for themselves in the daytime: they know not the light. Misy manamy trano nony maizina; Nefa nony antoandro dia miery izy; Tsy mahalala ny mazava izy; Ny sasany manamy trano amin' ny alina, mihery nony antoandro; tsy mahalala ny fahazavana izy. 16
Job / Jb 24:17 For the morning is to them even as the shadow of death: if one know them, they are in the terrors of the shadow of death. Fa ny aizim-pito no marainan' ireo rehetra ireo; Satria efa mahazatra azy ny fampahatahoran' ny aizim-pito izy. Toy ny aloky ny fahafatesana ho azy ireo ny maraina, satria ny alina mahatahotra no efa mahazatra azy. Pour eux tous, le matin devient l' ombre de mort, car ils éprouvent les terreurs de l' ombre de mort.
Job / Jb 24:18 He is swift as the waters; their portion is cursed in the earth: he beholdeth not the way of the vineyards. Mitsinkafona paohin' ny rano izy; Voaozona ny anjarany eo amin' ny tany; Tsy mivily ho amin' ny lalana mankeny amin' ny tanim-boaloboka izy. Ah, mitsinkafona ambonin' ny rano, toy ny zava-maivana, ny tsy mivavaka, tsy manana afa-tsy anjara voaozona izy eto an-tany, tsy mba manitsy lalana mankany amin' ny tanim-boaloboka izy. Ce n' est plus qu' un fétu à la surface des eaux, son domaine est maudit dans le pays, nul ne prend le chemin de sa vigne.
Job / Jb 24:19 Drought and heat consume the snow waters: so doth the grave those which have sinned. Toy ny andevonan' ny maina sy ny mafana ny ranom-panala no andevonan' ny fiainan-tsi-hita ny mpanota. Toy ny ifohan' ny maina sy ny hafanana ny ranom-panala, no iteleman' ny seoly ny mpanota. Comme une chaleur sèche fait disparaître la neige. Ainsi le shéol celui qui a péché.
Job / Jb 24:20 The womb shall forget him; the worm shall feed sweetly on him; he shall be no more remembered; and wickedness shall be broken as a tree. Manadino azy ny vohoka; manjary hanim-py ho an' ny olitra izy ka tsy tsarovana intsony; Ary tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy, Ah, ny kibo nitoerany manadino azy, ny olitra mihinana azy amam-pankafizana, ny olona tsy mahatsiaro azy intsony: tapaka toy ny hazo ny haratsiana. Le sein qui l' a formé l' oublie et son nom n' est plus mentionné. Ainsi est foudroyée comme un arbre l' iniquité.
Job / Jb 24:21 He evil entreateth the barren that beareth not: and doeth not good to the widow. Dia ilay nandroba ny momba izay tsy niteraka ary tsy nanisy soa ny mpitondratena. Nandroba ny momba tsy niteraka izy, ary tsy nanisy soa sy mananotena. Il a maltraité la femme stérile, privée d' enfants, il s' est montré dur pour la veuve.
Job / Jb 24:22 He draweth also the mighty with his power: he riseth up, and no man is sure of life. Kanefa halavain' Andriamanitra amin' ny heriny ny andron' ny olo-mahery; Mitsangana indray ireo, na dia tsy nanampo izay ho velona intsony aza. Ny olo-mahery kosa anefa hozongozonin' ny herin' Andriamanitra: mitsangana izy, dia tsy manampo izay ho velona intsony ireo: Mais Celui qui se saisit des tyrans avec force surgit et lui ôte l' assurance de la vie.
Job / Jb 24:23 Though it be given him to be in safety, whereon he resteth; yet his eyes are upon their ways. Ataony mandry fahizay sy tsara tohana izy, sady tsinjoviny mandrakariva ny lalany. ataony matoky tsy manana ahiahy ihany ireo, fa ataony andry maso eny amin' izay alehany. Il le laissait s' appuyer sur une sécurité trompeuse, mais, des yeux, il surveillait ses démarches.
Job / Jb 24:24 They are exalted for a little while, but are gone and brought low; they are taken out of the way as all other, and cut off as the tops of the ears of corn. Nasandratra izy, kanjo vetivety dia tsy ao intsony, dia mihalevona izy ka otazana tahaka ny olona rehetra, ary tangosana tahaka ny salohim-bary. Mba misandratra izy, nefa vetivety, dia tsy eo intsony indray; mianjera sy jinjaina toy ny olon-drehetra, tangosana toy ny salohim-bary. Elevé pour un temps, il disparaît, il s' affaisse comme l' arroche qu' on cueille, il se fane comme la tête des épis.
Job / Jb 24:25 And if it be not so now, who will make me a liar, and make my speech nothing worth? Raha tsy izany, dia aoka hisy hamaky lainga ahy ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona. Raha tsy izany no izy, dia iza kosa no hamaky lainga ahy? Iza no hampiseho ny teniko ho tsinontsinona? N' en est-il pas ainsi ? Qui me convaincra de mensonge et réduira mes paroles à néant ?

<-
->