<-
->

Job / Jb 31:1 I made a covenant with mine eyes; why then should I think upon a maid? Efa nampanekeko ny masoko; Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy? Efa fanekena nataoko tamin' ny masoko, ka hataoko ahoana no fanopy maso hijery virjiny? J' avais fait un pacte avec mes yeux, au point de ne fixer aucune vierge.
Job / Jb 31:2 For what portion of God is there from above? and what inheritance of the Almighty from on high? Fa raha izany, dia inona no anjara avy amin' Andriamanitra any ambony. Sy lova avy amin' ny Tsitoha any amin' ny avo? Fa inona no anjara hotehirizin' Andriamanitra any ambony ho ahy? Anjara toy inona no homen' ny Tsitoha ahy any an-danitra? Or, quel partage Dieu fait-il donc de là-haut, quel lot Shaddaï assigne-t-il de son ciel ?
Job / Jb 31:3 Is not destruction to the wicked? and a strange punishment to the workers of iniquity? Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy? Tsy anjaran' ny ratsy fanahy va ny loza? Ary tsy ho an' ny mpanao ny tsy marina va ny fahoriana? N' est-ce pas le désastre qu' il réserve à l' injuste et l' adversité aux hommes malfaisants ?
Job / Jb 31:4 Doth not he see my ways, and count all my steps? Moa tsy Andriamanitra va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra? Moa tsy mahalala ny lalako va Andriamanitra? Tsy manisa ny diako rehetra va izy? Ne voit-il pas ma conduite, ne compte-t-il point tous mes pas ?
Job / Jb 31:5 If I have walked with vanity, or if my foot hath hasted to deceit; Raha tàhiny nandeha tamin' ny fitaka aho na niezaka tamin' ny fahafetsena. Raha nandia ny lalan' ny lainga aho, raha nidodododo ho amin' ny fitaka ny tongotro, Ai-je fait route avec l' illusion, pressé le pas vers la fraude ?
Job / Jb 31:6 Let me be weighed in an even balance that God may know mine integrity. (Enga anie ka holanjain' Andriamanitra eo amin' ny mizanan' ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny); holanjain' Andriamanitra eo amin' ny mizana marina aho, dia ho hitany ny tsy fananako tsiny. Qu' il me pèse sur une balance exacte : lui, Dieu, reconnaîtra mon intégrité!
Job / Jb 31:7 If my step hath turned out of the way, and mine heart walked after mine eyes, and if any blot hath cleaved to mine hands; Raha tàhiny nivily niala tamin' ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin' ny tanako: Raha nivily niala tamin' ny lalana marina ny tongotro, raha nanaraka ny masoko ny foko, raha misy tsiny tafaraikitra amin' ny tanako; Si mes pas ont dévié du droit chemin, si mon coeur fut entraîné par mes yeux et si une souillure adhère à mes mains,
Job / Jb 31:8 Then let me sow, and let another eat; yea, let my offspring be rooted out. Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko. dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hijinja; aoka ho fongotra ny tamingako. qu' un autre mange ce que j' ai semé et que soient arrachées mes jeunes pousses!
Job / Jb 31:9 If mine heart have been deceived by a woman, or if I have laid wait at my neighbour' s door; Raha tahìny adala tamin' ny vadin' olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran' ny namako aho, Raha adala tamim-behivavy ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran' ny namako aho: Si mon coeur fut séduit par une femme, si j' ai épié à la porte de mon prochain,
Job / Jb 31:10 Then let my wife grind unto another, and let others bow down upon her. Dia aoka kosa ny vadiko halain' ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy. aoka hampihodina ny vato fitotoana ho an' ny hafa, ny vadiko; ary aoka ho olon-kafa no hanala baraka azy. que ma femme se mette à moudre pour autrui, que d' autres aient commerce avec elle!
Job / Jb 31:11 For this is an heinous crime; yea, it is an iniquity to be punished by the judges. Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain' ny mpitsara; Fa heloka mahatsiravina izany, heloka fanameloky ny mpitsara, J' aurais commis là une impudicité, un crime passible de justice,
Job / Jb 31:12 For it is a fire that consumeth to destruction, and would root out all mine increase. Fa afo mandevona hatrany amin' ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra. afo mandoro mandra-pahalevona, tsy maintsy ho nandevona ny ananako rehetra. ce serait un feu qui dévore jusqu'à la Perdition et détruirait jusqu'à la racine tout mon revenu.
Job / Jb 31:13 If I did despise the cause of my manservant or of my maidservant, when they contended with me; Raha tàhiny aho nandà ny rariny izay an' ny ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy, Raha nolaviko ny rariny ananan' ny ankizilahy aman' ankizivaviko, fony ireny nifamaly tamiko; - Si j' ai méconnu les droits de mon serviteur, de ma servante, dans leurs litiges avec moi,
Job / Jb 31:14 What then shall I do when God riseth up? and when he visiteth, what shall I answer him? Dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy? Inona no hatao raha hitsangana Andriamanitra? Inona no havaliko azy amin' ny andro hihaviany? - que ferai-je quand Dieu surgira ? Lorsqu' il fera l' enquête, que répondrai-je ?
Job / Jb 31:15 Did not he that made me in the womb make him? and did not one fashion us in the womb? Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka? Ilay namorona ahy tao ambohoka, moa tsy dia nanao azy koa? Moa tsy Mpahary iray ihany va no nampisy anay? Ne les a-t-il pas créés comme moi dans le ventre ? Un même Dieu nous forma dans le sein.
Job / Jb 31:16 If I have withheld the poor from their desire, or have caused the eyes of the widow to fail; Raha tàhiny aho nandà Izay nirin' ny malahelo ka nahapahina ny mason' ny mpitondratena, Raha nanda ny hataky ny mahantra aho; raha nahavalalanina foana ny mason' ny mananotena aho; Ai-je été insensible aux besoins des faibles, laissé languir les yeux de la veuve?
Job / Jb 31:17 Or have eaten my morsel myself alone, and the fatherless hath not eaten thereof; Na nihinana ny sombin-kaniko irery, ka tsy mba nihinanan' ny kamboty raha nibodoako izaho irery ny anjara mofoko, fa tsy nahazoan' ny kamboty anjara, - Ai-je mangé seul mon morceau de pain, sans le partager avec l' orphelin?
Job / Jb 31:18 (For from my youth he was brought up with me, as with a father, and I have guided her from my mother' s womb;) (Fa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho, dia notezaina teo amiko tahaka ny zanaka ny kamboty, Ary nitondra ny mpitondratena hatrany an-kibon-dreniko aho); hatramin' ny fahazazako, dia nitandrina ahy toy ny ray izy, hatramin' ny nahaterahako nitarika ny diako. Alors que Dieu, dès mon enfance, m' a élevé comme un père, guidé depuis le sein maternel!
Job / Jb 31:19 If I have seen any perish for want of clothing, or any poor without covering; Raha tàhiny aho nahita olona efa ho faty noho ny tsi-fananan-damba. Na malahelo tsy manan-kitafy, Raha nijery ny ory maty tsy manan-damba aho, ny mahantra tsy manan-kirakofana, Ai-je vu un miséreux sans vêtements, un pauvre sans couverture,
Job / Jb 31:20 If his loins have not blessed me, and if he were not warmed with the fleece of my sheep; Koa tsy nankasitraka ahy ny tenany, ary tsy nanafàna azy ny volon' ondriko; ka tsy nisaotra ahy ny fony, sy tsy nanafana azy ny volon' ny zanak' ondriko, sans que leurs reins m' aient béni, que la toison de mes agneaux les ait réchauffés?
Job / Jb 31:21 If I have lifted up my hand against the fatherless, when I saw my help in the gate: Raha tahìny aho naninjitra ny tanako hampahory ny kamboty, saingy hitako fa nisy niandany tamiko teo am-bavahady: raha naninji-tanana namely ny kamboty aho, saingy nahita ahy manana ny mpitsara hiankinana: Ai-je agité la main contre un orphelin, me sachant soutenu à la Porte?
Job / Jb 31:22 Then let mine arm fall from my shoulder blade, and mine arm be broken from the bone. Dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala amin' ny rangomainako, eny, aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin' ny taolam-panaviko. aoka ny soroko hisaraka amin' ny tenabeko, aoka ny sandriko hitsoaka amin' ny taolam-panavy. Qu' alors mon épaule se détache de ma nuque et que mon bras se rompe au coude!
Job / Jb 31:23 For destruction from God was a terror to me, and by reason of his highness I could not endure. Fa mampahatahotra ahy ny loza avy amin' Andriamanitra, ka tsy mahavita na inona na inona aho noho ny fahalehibiazany. Fa izaho olona nataho-tody mandrakariva avy amin' Andriamanitra, ka tsy mahay maharitra eo anatrehan' ny fiandrianany. Car la terreur de Dieu fondrait sur moi, je ne tiendrais pas devant sa majesté.
Job / Jb 31:24 If I have made gold my hope, or have said to the fine gold, Thou art my confidence; Raha tàhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô; Raha ny volamena no nametrahako ny fitokiako, ka ny volamena madio no nataoko hoe: Hianao no fanantenako, Ai-je placé dans l' or ma confiance et dit à l' or fin : "O ma sécurité?"
Job / Jb 31:25 If I rejoice because my wealth was great, and because mine hand had gotten much; Raha tàhiny ho nifaly noho ny haben' ny fananako sy noho ny nahazoan' ny tanako harena betsaka; raha ny habetsahan' ny hareko no nifaliako, mbamin' ny fananana nangonin' ny tanako; Me suis-je réjoui de mes biens nombreux, des richesses acquises par mes mains?
Job / Jb 31:26 If I beheld the sun when it shined, or the moon walking in brightness; Raha tàhiny aho nijery ny masoandro, raha namirapiratra izy, na ny volana, raha nandeha tamin' ny fangarangarany izy, raha nahita ny masoandro mandefa ny hafanany aho, na ny volana nandroso am-pamirapiratana, A la vue du soleil dans son éclat, de la lune radieuse dans sa course,
Job / Jb 31:27 And my heart hath been secretly enticed, or my mouth hath kissed my hand: Ka voafitaka mangingina ny foko, ary nanoroka ny tanako ny vavako ka nety ho voangoly mangingina ny foko; raha nataoko teo am-bavako ny tanako, mon coeur, en secret, s' est-il laissé séduire, pour leur envoyer de la main un baiser?
Job / Jb 31:28 This also were an iniquity to be punished by the judge: for I should have denied the God that is above. (Dia heloka hanamelohan' ny mpitsara koa izany; Fa ho nihatsaravelatsihy tamin' Andriamanitra Izay any ambony aho); dia heloka fanameloky ny mpitsara koa izany, ka ho nanda an' Andriamanitra vo indrindra aho raha izany. Ce serait encore une faute criminelle, car j' aurais renié le Dieu suprême.
Job / Jb 31:29 If I rejoice at the destruction of him that hated me, or lifted up myself when evil found him: Raha tàhiny aho nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy, na nibitabitaka, raha nozoim-pahoriana izy Raha nifaly noho ny fahavoazan' ny fahavaloko aho; sy nibitabitaka noho ny loza nanjo azy; - Me suis-je réjoui de l' infortune de mon ennemi, ai-je exulté quand le malheur l' atteignait,
Job / Jb 31:30 Neither have I suffered my mouth to sin by wishing a curse to his soul. (Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako hangataka ozona hanjo azy); Tsia, tsy namela ny lelako hanota aho, ka nangataka amim-panompana azy ho faty... moi, qui ne permettais pas à ma langue de pécher, de réclamer sa vie dans une malédiction?
Job / Jb 31:31 If the men of my tabernacle said not, Oh that we had of his flesh! we cannot be satisfied. Raha tàhiny ny tao an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no tsy voky tamin' ny henany? Raha tsy filazan' ny olona tao an-daiko ny hoe: Aiza re no hahitana olona tsy voky tamin' ny hanin-databany? Et ne disaient-ils pas, les gens de ma tente "Trouve-t-on quelqu' un qu' il n' ait pas rassasié de viande?"
Job / Jb 31:32 The stranger did not lodge in the street: but I opened my doors to the traveller. Ny vahiny aza tsy nandry teny alatrano; Fa novohako ny varavarako manatrika ny lalana; Raha nandry tany alatrano ny mpivahiny, fa tsy mba novohako varavarana akory ny mpandeha! ... Jamais étranger ne coucha dehors, au voyageur ma porte restait ouverte.
Job / Jb 31:33 If I covered my transgressions as Adam, by hiding mine iniquity in my bosom: Raha tàhiny aho mba nanarona ny fahadisoako tahaka an' i Adama ka nanafina ny heloko tato an-tratrako, Raha mba nanafin-keloka toy ny ataon' ny olona ho, ka nampihiboka ny hadisoako tato anatiko, Ai-je dissimulé aux hommes mes transgressions, caché ma faute dans mon sein?
Job / Jb 31:34 Did I fear a great multitude, or did the contempt of families terrify me, that I kept silence, and went not out of the door? Satria nampihorohoro ny foko ny vahoaka maro be, ary natahotra aho, fandrao hamavoin' ny fokon' olona, ka dia namitsaka, fa tsy sahy nivoaka ny varavarana noho ny tahotro ny fivoriam-be, noho ny tahotra sao hoesoin' ireo fianakaviana, ka ho nangina aho tsy sahy nandingana ny tokonam-baravarana akory! ... Ai-je eu peur de la rumeur publique, ai-je redouté le mépris des familles, et me suis-je tenu coi, n' osant franchir ma porte?
Job / Jb 31:35 Oh that one would hear me! behold, my desire is, that the Almighty would answer me, and that mine adversary had written a book. Enga anie ka hisy hihaino ahy! Indro ny soniako! Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha! Indro ny taratasy voasoratr' ilay manana ady amiko! Ah, aiza re no hahitako olona hihaino ahy? Indro ny soniako: Hamaly ahy anie ny Tsitoha! Aoka hanoratra ny taratasy fitarainany koa ny manana ady amiko. Ah! qui fera donc que l' on m'écoute? J' ai dit mon dernier mot : à Shaddaï de me répondre! Le libelle qu' aura rédigé mon adversaire,
Job / Jb 31:36 Surely I would take it upon my shoulder, and bind it as a crown to me. Hataoko eny an-tsoroko tokoa izany ary hafehiko amiko ho satro-boninahitra. Raha tsy hataoko eo an-tsoroko izany; raha tsy afehiko ny handriko toy ny satro-boninahitra izany! je veux le porter sur mon épaule, le ceindre comme un diadème.
Job / Jb 31:37 I would declare unto him the number of my steps; as a prince would I go near unto him. Ny isan' ny diako dia hambarako aminy, ary tahaka ny fanakon' ny zanak' andriana no hanatonako Azy. Havoakako amin' ny Mpitsara ahy ny diako rehetra, hanatona azy toy ny zanak' andriana aho. Je lui rendrai compte de tous mes pas et je m' avancerai vers lui comme un prince.
Job / Jb 31:38 If my land cry against me, or that the furrows likewise thereof complain; Raha tàhiny mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako; Raha mitaraina hiampanga ahy ny taniko, raha nampitomaniko ny soritsoriny; Si ma terre crie vengeance contre moi et que ses sillons pleurent avec elle,
Job / Jb 31:39 If I have eaten the fruits thereof without money, or have caused the owners thereof to lose their life: Raha tàhiny aho nihinana ny vokatra, nefa tsy nandoa ny vidiny.Na nanao izay hahafaty ny ain' ny tompony: raha nihinana ny vokany tsy nanakarama azy aho; raha naka an-keriny azy tamin' ny tompony marina; si j' ai mangé de ses produits sans payer, fait expirer ses propriétaires,
Job / Jb 31:40 Let thistles grow instead of wheat, and cockle instead of barley. The words of Job are ended. Dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny vary tritika. Ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea. Tapitra ny tenin' i Joba. dia aoka ho tsilo no haniry eo, hisolo ny varimbazaha, aoka ho ahi-dratsy no hisolo ny orja. (Tapitra eo ny lahatenin' i Joba). qu' au lieu de froment y poussent les ronces, à la place de l' orge, l' herbe fétide!

<-
->