<-
->

2Mp 7:1 Then Elisha said, Hear ye the word of the Lord; Thus saith the Lord, To morrow about this time shall a measure of fine flour be sold for a shekel, and two measures of barley for a shekel, in the gate of Samaria. Fa hoy kosa Elisa: Mihainoa ny tenin' i Jehovah ianareo: Izao no lazain' i Jehovah: Rahampitso toy izao dia ho sekely iray ny vidin' ny koba tsara toto eran' ny famarana, ary ho sekely iray koa ny vidin' ny vary hordea indroan' ny famarana ao am-bavahadin' i Samaria. Fa hoy Elisea: Mihainoa ny tenin' ny Tompo hianareo. Izao no lazain' ny Tompo: Rahampitso toy izao, eo am-bavahadin' i Samaria, iray sikla dia hahazo lafarina tsara indrindra eran' ny famarana, iray sikla dia hahazo orja indroan' ny famarana. Elisée dit : "Ecoute la parole de Yahvé! Ainsi parle Yahvé Demain à pareille heure, on aura un boisseau de gruau pour un sicle et deux boisseaux d' orge pour un sicle à la porte de Samarie."
2Mp 7:2 Then a lord on whose hand the king leaned answered the man of God, and said, Behold, if the Lord would make windows in heaven, might this thing be? And he said, Behold, thou shalt see it with thine eyes, but shalt not eat thereof. Fa namaly ny lehilahin' Andriamanitra ilay mpanafika malaza izay nitehenan' ny mpanjaka tamin' ny tànany ka nanao hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin' ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Ary hoy Elisa: Indro, ho hitan' ny masonao indrindra izany, nefa tsy mba hihinananao. Fa namaly an' ity olon' Andriamanitra ilay manamboninahitra nitehenan' ny mpanjaka tamin' ny tànany, ka nanao hoe: Aiza ka dia ho tanteraka izany; na dia hanao varavarankely amin' ny lanitra aza Iaveh? Dia hoy Elisea: Ho hitan' ny masonao izany, nefa tsy mba hihinananao. L'écuyer sur le bras de qui s' appuyait le roi répondit à Elisée : "A supposer même que Yahvé fasse des fenêtres dans le ciel, cette parole se réaliserait-elle?" Elisée dit : "Tu le verras de tes yeux, mais tu n' en mangeras pas."
2Mp 7:3 And there were four leprous men at the entering in of the gate: and they said one to another, Why sit we here until we die? Ary nisy boka efa-dahy teo anoloan' ny vavahady nifampiresaka hoe: Ahoana no ipetrahantsika foana eto mandra-pahafatintsika? Teo anoloan' ny vavahady nisy boka efa-dahy nifampilaza hoe: Ahoana moa izao no ijanonantsika eto mandra-pahafatintsika? Or quatre hommes se trouvaient car ils étaient lépreux à l' entrée de la porte et ils se disaient entre eux : "Pourquoi restons-nous ici à attendre la mort?
2Mp 7:4 If we say, We will enter into the city, then the famine is in the city, and we shall die there: and if we sit still here, we die also. Now therefore come, and let us fall unto the host of the Syrians: if they save us alive, we shall live; and if they kill us, we shall but die. Raha hoy isika: Hankato an-tanàna isika, dia misy mosary ao an-tanàna, ka ho faty ao isika; ary raha hipetraka eto isika, dia ho faty ihany koa. Koa andeha isika hankany amin-ny tobin' ny Syriana; ka raha mamelona antsika moa izy, dia ho velona isika; fa raha mamono antsika kosa izy, dia ho faty ihany isika. Raha ny hankao an-tanàna no fidintsika, dia ao an-tanàna ny mosary ka ho faty ao isika; raha mijanona eto indray, ho faty ihany koa. Koa andeha hitsoboka any an-tobin' ny Siriana: Mamelona antsika moa izy, dia velona isika, mamono kosa izy dia ho faty isika. Si nous décidons d' entrer en ville, il y a la famine dans la ville et nous y mourrons; si nous restons ici, nous mourrons de même. Venez! Désertons et passons au camp des Araméens s' ils nous laissent la vie, nous vivrons, et s' ils nous tuent, eh bien! nous mourrons!"
2Mp 7:5 And they rose up in the twilight, to go unto the camp of the Syrians: and when they were come to the uttermost part of the camp of Syria, behold, there was no man there. Dia niainga izy rehefa takariva hankany amin' ny tobin' ny Syriana; ary nony tonga teny an-tsisin' ny toby izy, indro, tsy nisy olona akory tao. Dia niainga izy nony takariva, nankany an-tobin' ny Siriana; ka tonga teo amin' ny fidiran' ny tobin' ny Siriana izy, ka indro fa tsy nisy olona teo. Au crépuscule, ils se levèrent pour aller au camp des Araméens; ils arrivèrent à la limite du camp, et voilà qu' il n' y avait personne!
2Mp 7:6 For the Lord had made the host of the Syrians to hear a noise of chariots, and a noise of horses, even the noise of a great host: and they said one to another, Lo, the king of Israel hath hired against us the kings of the Hittites, and the kings of the Egyptians, to come upon us. Fa Jehovah efa nampandre ny miaramilan' ny Syriana ny fikodiadian-kalesy sy ny fandehan' ny soavaly, dia ny firodondrodon' ny miaramila be; ary niresaka hoe izy: Injao, fa ny mpanjakan' ny Isiraely efa nanamby ny mpanjakan' ny Hetita sy ny mpanjakan' ny Egyptiana hiady amintsika. Fa tao an-tobin' ny Siriana, dia nampandrenesan' ny Tompo figondongodon-kalesy, sy fikatrokatro-tsoavaly, ary firodorodo-miaramila betsaka, ka nifampilaza izy ireo nanao hoe: Injao fa nanamby ny mpanjakan' ny Heteana sy ny mpanjakan' ny Ejipsiana ho tonga hamely antsika ny mpanjakan' Israely. Car Yahvé avait fait entendre dans le camp des Araméens un bruit de chars et de chevaux, le bruit d' une grande armée, et ils s'étaient dit entre eux : "Le roi d' Israël a pris à solde contre nous les rois des Hittites et les rois d' Egypte, pour qu' ils marchent contre nous."
2Mp 7:7 Wherefore they arose and fled in the twilight, and left their tents, and their horses, and their asses, even the camp as it was, and fled for their life. Dia niainga izy ka riatra nandositra tamin' iny takariva iny ihany, ary nilaozany fotsiny ny tobiny, dia ny lainy sy ny soavaliny ary ny borikiny, ka lasa nandositra hamonjy ny ainy izy. Dia niainga izy ireo, ka iny takariva iny ihany dia rifatra nandositra, nilaozany teo ny lainy, ny soavaliny, ny ampondrany, dia ny tobiny araka izay nanorenana azy ka nitsoaka namonjy ny ainy izy. Ils se levèrent et s' enfuirent au crépuscule : abandonnant leurs tentes, leurs chevaux et leurs ânes, bref le camp comme il était, ils s' enfuirent pour sauver leur vie.
2Mp 7:8 And when these lepers came to the uttermost part of the camp, they went into one tent, and did eat and drink, and carried thence silver, and gold, and raiment, and went and hid it; and came again, and entered into another tent, and carried thence also, and went and hid it. Ary rehefa tonga teny an-tsisin' ny toby ireo boka ireo, dia niditra tao amin' ny lay anankiray Izy ka nihinana sy nisotro, dia naka volafotsy sy volamena ary fitafiana, dia nandeha ka nanafina izany; ary nandeha indray izy ka niditra tao amin' ny lay anankiray koa sady naka avy tao, dia nandeha ka nanafina izany koa. Nitsofoka tamin' ny lay anankiray ireto boka efa-dahy, nony tonga tao amin' ny fidiran' ny toby, ary rahefa nisotro sy nihinana dia naka volafotsy sy volamena amam-pitafiana, ka nandeha nanafina izany. Niverina indray izy nitsofoka tamin' ny lay hafa, naka zavatra sy nanafina koa. Ces lépreux donc arrivèrent à la limite du camp et pénétrèrent dans une tente; ayant mangé et bu, ils emportèrent de là argent, or et vêtements qu' ils allèrent cacher. Puis ils revinrent, pénétrèrent dans une autre tente et en emportèrent du butin qu' ils allèrent cacher.
2Mp 7:9 Then they said one to another, We do not well: this day is a day of good tidings, and we hold our peace: if we tarry till the morning light, some mischief will come upon us: now therefore come, that we may go and tell the king' s household. Dia nifampilaza hoe izy: Tsy mety izao ataontsika izao; ity andro ity dia andro filazana ny mahafaly, nefa mangina isika; raha hitoetra eto mandra-pahamarain' ny andro isika, dia hanan-keloka; fa andeha isika hilaza ao an-tranon' ny mpanjaka. Izay izy ireo vao nifampilaza hoe: Tsy mety izao ataontsika izao, fa andro filazan-java-tsoa mahafaly anio, ka raha mangina isika ka miandry mandra-pahazavan' ny andro, dia hahazo sazy. Ka avia ary handeha isika hilaza amin' ny ao an-tranon' ny mpanjaka. Alors ils se dirent entre eux : "Nous faisons là quelque chose d' injuste. Ce jour-ci est un jour de bonne nouvelle, et nous nous taisons! Si nous attendons que le matin se lève, un châtiment nous frappera. Maintenant, venez! Allons porter la nouvelle au palais."
2Mp 7:10 So they came and called unto the porter of the city: and they told them, saying, We came to the camp of the Syrians, and, behold, there was no man there, neither voice of man, but horses tied, and asses tied, and the tents as they were. Dia avy izy ka niantso ny mpiambina ny vavahadin-tanàna ary nilaza taminy hoe: Tonga tany an-tobin' ny Syriana izahay, ary indro fa tsy misy olona ao, na feon' olona akory aza, fa soavaly mifatotra sy boriky mifatotra, ary ny lay nilaozana fotsiny. Dia niainga izy ireo, ka niantso ny mpiambina ny vavahadin-tanàna, ary izao no filazana nataony: Nitsofoka tany an-tobin' ny Siriana izahay, ka indro tsy misy olona, na feon' olona akory, fa saovaly mifatotra, ampondra mifatotra, ary lay amin' ny toetra nananganana azy no hany ao. Ils vinrent, appelèrent les gardes à la porte de la ville et leur annoncèrent : "Nous sommes allés au camp des Araméens. Il n' y a là personne, aucun bruit humain, seulement les chevaux à l' entrave, les ânes à l' entrave, et leurs tentes telles quelles."
2Mp 7:11 And he called the porters; and they told it to the king' s house within. Ary niantso ny mpiambina ny vavahady izy, ary ireo kosa nilaza izany tao an-tranon' ny mpanjaka. Rafitra nihoby ny mpiambim-bavahady, sady nitondra ny vaovao tany anatin' ny tranon' ny mpanjaka. Les gardes de la porte crièrent, et on porta la nouvelle à l' intérieur du palais.
2Mp 7:12 And the king arose in the night, and said unto his servants, I will now shew you what the Syrians have done to us. They know that we be hungry; therefore are they gone out of the camp to hide themselves in the field, saying, When they come out of the city, we shall catch them alive, and get into the city. Ary ny mpanjaka nifoha raha mbola alina ka niteny tamin' ny mpanompony hoe: Aoka hambarako aminareo ange izao ataon' ny Syriana amintsika izao e! Fantany fa mosarena isika, ka dia niala tamin' ny toby izy mba hanotrika any an-tsaha ka nanao hoe: Raha mivoaka avy any an-tanàna izy dia hataontsika sambo-belona, ary dia hidirantsika ny tanàna. Nifoha mbola alina ny mpanjaka, dia nilaza tamin' ny mpanompony hoe: Tiako hambara aminareo izay ataon' ny Siriana amintsika. Fantany fa mosarena isika, ka niala tamin' ny tobiny izy; niery any an-tsaha any, sy nifampilaza hoe: Rahefa tafavoaka ny tanàna ireny, dia hataontsika sambo-belona, ka hidirantsika ny tanàna. Le roi se leva de nuit et dit à ses officiers : "Je vais vous expliquer ce que les Araméens nous ont fait. Comme ils savent que nous sommes affamés, ils ont quitté le camp pour se cacher dans la campagne en se disant : ils sortiront de la ville, nous les prendrons vivants et nous entrerons dans la ville."
2Mp 7:13 And one of his servants answered and said, Let some take, I pray thee, five of the horses that remain, which are left in the city, (behold, they are as all the multitude of Israel that are left in it: behold, I say, they are even as all the multitude of the Israelites that are consumed:) and let us send and see. Ary ny mpanompony anankiray namaly hoe: Mifona aminao aho, aoka hangalana soavaly dimy amin' izay sisa ato an-tanàna (indro toy ny hamaroan' ny Isiraely rehetra izay mitoetra ato ireo; eny, tahaka ny hamaroan' ny Isiraely rehetra izay efa lany ritra ireo) ka haniraka hizaha izany. Dia niteny ny iray tamin' ny mpanompony nanao hoe: Aoka ny dimy amin' ny soavaly sisa velona eto an-tanàna no halaina, - fa indreo izy ka toy ny be sy ny maro amin' Israely tafajanona ao, indreo izy fa tahaka ny be sy ny maro amin' Israely izay mandroso ho faty, - ka alefaontsika hizaha izany. L' un de ses officiers répondit : "Qu' on prenne donc cinq des chevaux survivants, qui restent ici il leur arrivera comme à l' ensemble qui a péri , nous les enverrons et nous verrons."
2Mp 7:14 They took therefore two chariot horses; and the king sent after the host of the Syrians, saying, Go and see. Dia nalainy ny soavalin' ny kalesy roa; ary ny mpanjaka naniraka hanaraka ny miaramilan' ny Syriana ka nanao hoe: Mandehana, ka izahao. Dia nalaina ny kalesy roa mbamin' ny soavaliny, ka nandefa olona hanaraka ny dian' ny tafiky ny Siriana, ny mpanjaka, nanao hoe: Mandehana hianareo mizaha any. On prit deux attelages, que le roi envoya derrière les Araméens en disant : "Allez et voyez."
2Mp 7:15 And they went after them unto Jordan: and, lo, all the way was full of garments and vessels, which the Syrians had cast away in their haste. And the messengers returned, and told the king. Dia nandeha nanaraka azy hatrany Jordana ireo; ary, indreny, ny lalambe rehetra feno fitafiana sy fanaka izay efa narian' ny Syriana, raha nandositra tamin' ny fahatairana izy. Ary ny iraka niverina ka nilaza tamin' ny mpanjaka. Koa nandeha nanaraka azy hatrany Jordany ireo; ary indro ny lalambe rehetra dia rakotry ny fitafiana amam-panaka narian' ny Siriana, tamin' ny fikoropahany nandositra. Nony niverina ny iraka dia nilaza izany tamin' ny mpanjaka. Ils les suivirent jusqu' au Jourdain; la route était jonchée de vêtements et de matériel que les Araméens avaient abandonnés dans leur panique; les messagers revinrent et informèrent le roi.
2Mp 7:16 And the people went out, and spoiled the tents of the Syrians. So a measure of fine flour was sold for a shekel, and two measures of barley for a shekel, according to the word of the Lord. Dia nivoaka ny olona ka namabo ny tobin' ny Syriana. Koa ny koba tsara toto eran' ny famarana, dia sekely iray monja no vidiny, ary ny vary hordea indroan' ny famarana, dia sekely iray ihany koa ny vidiny, araka ny tenin' i Jehovah. Nivoaka namabo ny tobin' ny Siriana ny vahoaka, ka sikla iray dia nahazo lafarina tsara indrindra eran' ny famarana, sikla iray dia nahazo orja indroan' ny famarana, araka ny tenin' ny Tompo. Le peuple sortit et pilla le camp des Araméens : le boisseau de gruau fut à un sicle et les deux boisseaux d' orge à un sicle, selon la parole de Yahvé.
2Mp 7:17 And the king appointed the lord on whose hand he leaned to have the charge of the gate: and the people trode upon him in the gate, and he died, as the man of God had said, who spake when the king came down to him. Ary ilay mpanafika malaza izay nitehenan' ny mpanjaka tamin' ny tànany dia notendreny hiambina ny vavahady; ary voahitsaka teo am-bavahady izy, ka dia maty araka izay nolazain' ny lehilahin' Andriamanitra, dia ilay nolazainy, raha nidina tany aminy ny mpanjaka. Ilay manamboninahitra nitehenan' ny mpanjaka tamin' ny tànany no napetrany niambina ny vavahady, kanjo voahosihosin' ny tongotry ny vahoaka io manamboninahitra io, ka maty, araka ilay teny voalazan' ny olon' Andriamanitra, tamin' ny mpanjaka nidina tany aminy. Le roi avait mis de surveillance à la porte l'écuyer sur le bras duquel il s' appuyait; le peuple le foula aux pieds, à la porte, et il mourut, selon ce qu' avait dit l' homme de Dieu ce qu' il avait dit lorsque le roi était descendu chez lui.
2Mp 7:18 And it came to pass as the man of God had spoken to the king, saying, Two measures of barley for a shekel, and a measure of fine flour for a shekel, shall be to morrow about this time in the gate of Samaria: Koa dia tanteraka ilay teny nolazain' ny lehilahin' Andriamanitra tamin' ny mpanjaka hoe: Raha, maraina toy izao ao am-bavahadin' i Samaria dia sekely iray monja no ho vidin' ny vary hordea indroan' ny famarana, ary ho sekely iray ihany koa ny vidin' ny koba tsara toto eran' ny famarana; Izany tokoa, satria raha niteny tamin' ny mpanjaka ny olon' Andriamanitra nanao hoe: Iray sikla, dia hahazo orja indroan' ny famarana, iray sikla, dia hahazo lafarina tsara indrindra eran' ny famarana, rahampitso toy izao, eo am-bavahadin' i Samaria, Il arriva ce que l' homme de Dieu avait dit au roi : "On aura deux boisseaux d' orge pour un sicle et un boisseau de gruau pour un sicle, demain à pareille heure, à la porte de Samarie."
2Mp 7:19 And that lord answered the man of God, and said, Now, behold, if the Lord should make windows in heaven, might such a thing be? And he said, Behold, thou shalt see it with thine eyes, but shalt not eat thereof. ka izany mpanafika malaza izany no namaly ilay lehilahin' Andriamanitra hoe: Indro, na dia hanao varavarankely amin' ny lanitra aza Jehovah, dia hisy izany zavatra izany va? Fa hoy Elisa: Indro, ho hitan' ny masonao indrindra izany, fa tsy mba hihinananao. dia namaly ny olon' Andriamanitra kosa ilay manamboninahitra nanao hoe: Aiza ka dia ho tanteraka izany, na dia hanao varavarankely amin' ny lanitra aza Iaveh? Ary Elisea efa nanao hoe: Indro fa ho hitan' ny masonao izany, fa tsy mba hihinananao. L'écuyer répondit à l' homme de Dieu : "A supposer même que Yahvé fasse des fenêtres dans le ciel, cette parole se réaliserait-elle?" Elisée dit : "Tu le verras de tes yeux, mais tu n' en mangeras pas."
2Mp 7:20 And so it fell out unto him: for the people trode upon him in the gate, and he died. Ary dia toy izany no nanjo azy, fa ny olona nanitsaka azy teo am-bavahady, ka dia maty izy. Dia tanteraka taminy izany, fa voahosihosin' ny tongotry ny vahoaka tao am-bavahady izy, ka maty. C' est ce qui lui arriva : le peuple le foula aux pieds à la porte, et il mourut .

<-
->