<-
->

2Mp 15:1 In the twenty and seventh year of Jeroboam king of Israel began Azariah son of Amaziah king of Judah to reign. Tamin' ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan' i Jeroboama, mpanjakan' ny Isiraely, no vao nanjakan' i Azaria, zanak' i Amazia, mpanjakan' ny Joda. Tamin' ny taona fahafito amby roapolo nanjakan' i Jeroboama mpanjakan' Israely, no vao nanjaka kosa Azariasa zanak' i Amasiasa mpanjakan' i Jodà. En la vingt-septième année de Jéroboam, roi d' Israël, Ozias fils d' Amasias devint roi de Juda.
2Mp 15:2 Sixteen years old was he when he began to reign, and he reigned two and fifty years in Jerusalem. And his mother' s name was Jecholiah of Jerusalem. Enina ambin' ny folo taona izy, fony vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema. Vao enina ambin' ny folo taona izy, dia tonga mpanjaka, ary roa amby dimampolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jekelia, avy ao Jerosalema. Il avait seize ans à son avènement et régna 52 ans à Jérusalem; sa mère s' appelait Yekolyahu et était de Jérusalem.
2Mp 15:3 And he did that which was right in the sight of the Lord, according to all that his father Amaziah had done; Ary nanao izay mahitsy eo imason' i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon' i Amazia rainy; Nanao izay mahitsy eo imason' ny Tompo izy, araka izay rehetra nataon' i Amasiasa rainy. Il fit ce qui est agréable à Yahvé, comme tout ce qu' avait fait son père Amasias.
2Mp 15:4 Save that the high places were not removed: the people sacrificed and burnt incense still on the high places. kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin' ny fitoerana avo ihany ny olona. Ny fitoerana avo anefa mbola tsy foana; notohizan' ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin' ny fitoerana avo. Seulement, les hauts lieux ne disparurent pas et le peuple continuait d' offrir sacrifices et encens sur les hauts lieux.
2Mp 15:5 And the Lord smote the king, so that he was a leper unto the day of his death, and dwelt in a several house. And Jotham the king' s son was over the house, judging the people of the land. Ary Jehovah namely ny mpanjaka, ka dia boka mandra-pahafatiny izy ka nitoetra tao an-trano nitokana. Ary Jotama, zanakalahin' ny mpanjaka, no nanapaka tao an-dapa sy nitsara ny vahoaka. Ary Iaveh namely ny mpanjaka, ka boka hatramin' ny andro nahafatesany izy, ka nitoetra tamin' ny trano manirery. Fa Joatama zanaky ny mpanjaka no nanapaka tao an-trano sy nitsara ny vahoaka tamin' ny tany. Mais Yahvé frappa le roi et il fut affligé de la lèpre jusqu' au jour de sa mort. Il demeura confiné à la chambre, Yotam, son fils, était maître du palais et administrait le peuple.
2Mp 15:6 And the rest of the acts of Azariah, and all that he did, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Judah? Ary ny tantaran' i Azaria sisa mbamin' izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Joda va izany? Ny sisa tamin' ny asan' i Azariasa mbamin' izay rehetra nataony moa tsy dia efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny Tantaran' ny mpanjakan' i Jodà? Le reste de l' histoire d' Ozias, et tout ce qu' il a fait, cela n' est-il pas écrit au livre des Annales des rois de Juda?
2Mp 15:7 So Azariah slept with his fathers; and they buried him with his fathers in the city of David: and Jotham his son reigned in his stead. Ary Azaria dia lasa nodimandry any amin' ny razany, ka nalevina tao amin' ny razany tao an-tanànan' i Davida izy; ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy. Ary nodimandry any amin' ny razany Azariasa, ka nalevina tao amin' ny razany, ao an-tanànan' i Davida. Joatama zanany no nanjaka nandimby azy. Ozias se coucha avec ses pères, on l' enterra dans la Cité de David et son fils Yotam devint roi à sa place.
2Mp 15:8 In the thirty and eighth year of Azariah king of Judah did Zachariah the son of Jeroboam reign over Israel in Samaria six months. Tamin' ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan' i Azaria, mpanjakan' ny Joda, no nanjakan' i Zakaria, zanak' i Jeroboama, tamin' ny Isiraely, ary nanjaka enim-bolana tao Samaria izy. Tamin' ny taona fahavalo amby telopolo nanjakan' i Azariasa mpanjakan' i Jodà no vao nanjaka tamin' Israely tao Samaria kosa Zakariasa zanak' i Jeroboama. Enim-bolana no nanjakany. En la trente-huitième année d' Ozias, roi de Juda, Zacharie fils de Jéroboam devint roi sur Israël à Samarie, pour six mois.
2Mp 15:9 And he did that which was evil in the sight of the Lord, as his fathers had done: he departed not from the sins of Jeroboam the son of Nebat, who made Israel to sin. Ary nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah tahaka ny nataon' ny razany izy, fa tsy niala tamin' ny fahotan' i Jeroboama, zanak' i Nebata, Izay nampanotany ny Isiraely. Nanao izay ratsy teo imason' ny Tompo toy ny nataon' ny razany izy, fa tsy niala tamin' ny fahotan' i Jeroboama zanak' i Nabata izay nampanota an' Israely. Il fit ce qui déplaît à Yahvé, comme avaient fait ses pères, il ne se détourna pas des péchés de Jéroboam fils de Nebat, où celui-ci avait entraîné Israël.
2Mp 15:10 And Shallum the son of Jabesh conspired against him, and smote him before the people, and slew him, and reigned in his stead. Ary Saloma, zanak' i Jabesy, nikomy taminy, dia namely azy teo anatrehan' ny olona ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy. Nikomy taminy Seloma zanak' i Jabesa ary namely nahafaty azy teo anatrehan' ny vahoaka, dia nanjaka nandimby azy izy. Shallum fils de Yabesh fit une conspiration contre lui, il le frappa à mort à Yibleam et devint roi à sa place.
2Mp 15:11 And the rest of the acts of Zachariah, behold, they are written in the book of the chronicles of the kings of Israel. Ary ny tantaran' i Zakaria sisa, indro fa efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Isiraely izany. Ny sisa tamin' ny asan' i Zakariasa, dia indro fa efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny Tantaran' ny mpanjakan' Israely. Le reste de l' histoire de Zacharie est écrit au livre des Annales des rois d' Israël.
2Mp 15:12 This was the word of the Lord which he spake unto Jehu, saying, Thy sons shall sit on the throne of Israel unto the fourth generation. And so it came to pass. Izany no ilay tenin' i Jehovah nolazainy tamin' i Jeho hoe: Ny taranakao hatramin' ny zafindohalika dia hipetraka amin' ny seza fiandrianan' ny Isiraely. Ka dia tanteraka izany. Izany no tenin' ny Tompo nolazainy tamin' i Jeho hoe: Hipetraka eo amin' ny seza fiandrianan' Israely ny zanakao hatramin' ny taranaka fahefatra. Ka tanteraka izany. C'était ce que Yahvé avait dit à Jéhu : "Tes fils jusqu'à la quatrième génération s' assiéront sur le trône d' Israël"; et il en fut ainsi.
2Mp 15:13 Shallum the son of Jabesh began to reign in the nine and thirtieth year of Uzziah king of Judah; and he reigned a full month in Samaria. Ary Saloma, zanak' i Jabesy, dia vao nanjaka tamin' ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan' i Ozia, mpanjakan' ny Joda; ary nanjaka andro iray volana tany Samaria izy. Tamin' ny taona fahasivy amby telopolo nanjakan' i Oziasa mpanjakan' i Jodà no vao tonga mpanjaka kosa Seloma zanak' i Jabesa, ary iray volana no nanjakany tao Samaria. Shallum fils de Yabesh devint roi en la trente-neuvième année d' Ozias, roi de Juda, et régna un mois à Samarie.
2Mp 15:14 For Menahem the son of Gadi went up from Tirzah, and came to Samaria, and smote Shallum the son of Jabesh in Samaria, and slew him, and reigned in his stead. Fa Menahema, zanak' i Gady, niakatra avy tany Tirza ka nankany Samaria, dia namely an' i Saloma, zanak' i Jabesy, tany Samaria ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy. Fa niakatra avy any Tersà, i Manahema zanak' i Gadì, ary nony tonga tao Samaria dia namely nahafaty an' i Seloma zanak' i Jabesa tao Samaria ihany izy, ka nanjaka nandimby azy. Menahem fils de Gadi monta de Tirça, entra à Samarie, y frappa à mort Shallum fils de Yabesh et devint roi à sa place.
2Mp 15:15 And the rest of the acts of Shallum, and his conspiracy which he made, behold, they are written in the book of the chronicles of the kings of Israel. Ary ny tantaran' i Saloma sisa mbamin' ny nikomiany, indro fa efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Isiraely izany. Ny sisa tamin' ny asan' i Seloma mbamin' ny fikomiana nataony, dia indro fa voasoratra ao amin' ny bokin' ny Tantaran' ny mpanjakan' Israely. Le reste de l' histoire de Shallum et le complot qu' il trama, cela est écrit au livre des Annales des rois d' Israël.
2Mp 15:16 Then Menahem smote Tiphsah, and all that were therein, and the coasts thereof from Tirzah: because they opened not to him, therefore he smote it; and all the women therein that were with child he ripped up. Tamin' izany Menahema dia niala tany Tirza ka namely an' i Tifsa mbamin' izay rehetra tao hatramin' ny sisin-taniny; fa tsy namoha vavahady azy Tifsa, ka dia nasiany, ary izay bevohoka rehetra tao notatahany. Tamin' izany, Manahema dia niala tao Tersà ary namely an' i Tapsà sy ny mponina ao aminy mbamin' ny faritaniny; noho izy tsy namoha vavahady azy, no namelezany azy, ary notatahany ny kibon' ny vehivavy bevohoka rehetra. C' est alors que Menahem châtia Tappuah tuant tous ceux qui y étaient et son territoire en partant de Tirça, parce qu' on ne lui avait pas ouvert les portes; il châtia la ville et éventra toutes les femmes enceintes.
2Mp 15:17 In the nine and thirtieth year of Azariah king of Judah began Menahem the son of Gadi to reign over Israel, and reigned ten years in Samaria. Tamin' ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan' i Azaria, mpanjakan' ny Joda, no vao nanjakan' i Menahema, zanak' i Gady, tamin' ny Isiraely, ary nanjaka folo taona tao Samaria izy. Tamin' ny taona fahasivy amby telopolo nanjakan' i Azariasa tamin' i Jodà no vao tonga mpanjaka tamin' Israely kosa Manahema zanak' i Gadì. Folo taona no nanjakany tao Samaria. En la trente-neuvième année d' Ozias, roi de Juda, Menahem fils de Gadi devint roi sur Israël; il régna dix ans à Samarie.
2Mp 15:18 And he did that which was evil in the sight of the Lord: he departed not all his days from the sins of Jeroboam the son of Nebat, who made Israel to sin. Ary nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah izy, fa tamin' ny androny rehetra dia tsy niala tamin' ny fahotan' i Jeroboama, zanak' i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely. Nanao izay ratsy eo imason' ny Tompo izy, fa nandritra ny andro niainany, tsy niala tamin' ny fahotan' i Jeroboama zanak' i Nabata izay nampanota an' Israely. Il fit ce qui déplaît à Yahvé, il ne se détourna pas des péchés de Jéroboam fils de Nebat, où celui-ci avait entraîné Israël. De son temps,
2Mp 15:19 And Pul the king of Assyria came against the land: and Menahem gave Pul a thousand talents of silver, that his hand might be with him to confirm the kingdom in his hand. Ary Pola, mpanjakan' i Asyria, dia avy hananika ny tany; ary Menahema nanome an' i Pola talenta volafotsy arivo mba hampitoetra ny fanjakana eo an-tànan' i Menahema. Tongan' i Fola mpanjakan' i Asiria, ny tany, ary nomen' i Manahema talenta volafotsy arivo Fola mba hamonjy azy sy hanamafy ny fanjakana eo an-tanany. Pul, roi d' Assyrie, envahit le pays. Menahem donna à Pul mille talents d' argent pour qu' il le soutînt et qu' il affermît le pouvoir royal entre ses mains.
2Mp 15:20 And Menahem exacted the money of Israel, even of all the mighty men of wealth, of each man fifty shekels of silver, to give to the king of Assyria. So the king of Assyria turned back, and stayed not there in the land. Ary nampandoavin' i Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin' ny Isiraely, dia sekely volafotsy dimam-polo avy isan-olona, homeny ny mpanjakan' i Asyria. Ka dia niverina ny mpanjakan' i Asyria, fa tsy nitoetra tao amin' ny tany. Israely, dia ny mpanan-karem-be rehetra, no nampandoavin' i Manahema izany vola izany, dimampolo sikla avy, homeny ny mpanjakan' i Asiria. Ka dia niverina ny mpanjakan' i Asiria, fa tsy niato teo amin' ny tany. Menahem préleva cette somme sur Israël, sur tous les notables, pour la donner au roi d' Assyrie, à raison de 50 sicles d' argent par tête. Alors le roi d' Assyrie s' en retourna et ne resta pas là, dans le pays.
2Mp 15:21 And the rest of the acts of Menahem, and all that he did, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Israel? Ary ny tantaran' i Menahema sisa mbamin' izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Isiraely va izany? Ny sisa tamin' ny asan' i Manahema, mbamin' izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny Tantaran' ny mpanjakan' Israely va izany? Le reste de l' histoire de Menahem, et tout ce qu' il a fait, cela n' est-il pas écrit au livre des Annales des rois d' Israël?
2Mp 15:22 And Menahem slept with his fathers; and Pekahiah his son reigned in his stead. Ary Menahema lasa nodi-mandry any amin' ny razany, ary Pekahia zanany no nanjaka nandimby azy. Ary nodimandry any amin' ny razany Manahema, ka Faseia zanany, no nanjaka nadimby azy. Menahem se coucha avec ses pères et Peqahya, son fils, devint roi à sa place.
2Mp 15:23 In the fiftieth year of Azariah king of Judah Pekahiah the son of Menahem began to reign over Israel in Samaria, and reigned two years. Tamin' ny taona fahadimam-polo nanjakan' i Azaria, mpanjakan' ny Joda, no vao nanjakan' i Pekahia, zanak' i Menahema, tamin' ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa taona izy. Tamin' ny taona faha-dimampolo nanjakan' i Azariasa mpanjakan' i Jodà, no vao nanjakan' i Faseià zanak' i Manahema tamin' Israely tao Samaria kosa. Roa taona no nanjakany. En la cinquantième année d' Ozias, roi de Juda, Peqahya fils de Menahem devint roi sur Israël à Samarie, pour deux ans.
2Mp 15:24 And he did that which was evil in the sight of the Lord: he departed not from the sins of Jeroboam the son of Nebat, who made Israel to sin. Ary nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah izy, fa tsy niala tamin' ny fahotan' i Jeroboama, zanak' i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely. Nanao izay ratsy eo imason' ny Tompo izy, fa tsy niala tamin' ny fahotan' i Jeroboama zanak' i Nabata izay nampanota an' Israely. Il fit ce qui déplaît à Yahvé, il ne se détourna pas des péchés de Jéroboam fils de Nebat, où celui-ci avait entraîné Israël.
2Mp 15:25 But Pekah the son of Remaliah, a captain of his, conspired against him, and smote him in Samaria, in the palace of the king' s house, with Argob and Arieh, and with him fifty men of the Gileadites: and he killed him, and reigned in his room. Ary Peka, zanak' i Remalia, lefiny, dia nikomy taminy ka namely an' i Pekahia mbamin' i Argoba sy Aria teo Samaria, tao amin' ny trano-avo amin' ny lapa, ary teo amin' Peka nisy olona dimam-polo lahy tamin' ny taranak' i Gileada; koa namono azy izy, dia nanjaka nandimby azy. Nioko taminy Fasea, zanak' i Romeliasa, manamboninahitra lefiny, ary namono azy mbamin' i Argoba sy Arie tao Samaria, tao amin' ny trano avon' ny tranon' ny mpanjaka, ary nisy dimampolo lahy tamin' ny taranaky ny Gabaadita nomba azy. Namono an' i Faseià izy, dia nanjaka nandimby azy. Son écuyer Péqah fils de Remalyahu complota contre lui et le frappa à Samarie, dans le donjon du palais royal... Il y avait avec lui 50 hommes de Galaad. Il fit mourir le roi et régna à sa place.
2Mp 15:26 And the rest of the acts of Pekahiah, and all that he did, behold, they are written in the book of the chronicles of the kings of Israel. Ary ny tantaran' i Pekahia sisa mbamin' izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Isiraely izany. Ny sisa tamin' ny asan' i Faseià mbamin' izay rehetra nataony, dia indro fa efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny Tantaran' ny mpanjakan' Israely. Le reste de l' histoire de Peqahya, et tout ce qu' il a fait, cela est écrit au livre des Annales des rois d' Israël.
2Mp 15:27 In the two and fiftieth year of Azariah king of Judah Pekah the son of Remaliah began to reign over Israel in Samaria, and reigned twenty years. Tamin' ny taona faharoa amby dimam-polo nanjakan' i Azaria, mpanjakan' ny Joda, no vao nanjakan' i Peka, zanak' i Remalia, tamin' ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa-polo taona izy. Tamin' ny taona faharoa amby dimampolo nanjakan' i Azariasa mpanjakan' i Jodà, no vao nanjaka i Fasea, zana-dRomeliasa, tao Samaria. Roapolo taona no nanjakany. En la cinquante-deuxième année d' Ozias, roi de Juda, Péqah fils de Remalyahu devint roi sur Israël à Samarie; il régna vingt ans.
2Mp 15:28 And he did that which was evil in the sight of the Lord: he departed not from the sins of Jeroboam the son of Nebat, who made Israel to sin. Ary nanao izay ratsy eo imason' i Jehovah izy, fa tsy niala tamin' ny fahotan' i Jeroboama, zanak' i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely. Nanao izay ratsy eo imason' ny Tompo izy, fa tsy niala tamin' ny fahotan' i Jeroboama zanak' i Nabata izay nampanota an' Israely. Il fit ce qui déplaît à Yahvé, il ne se détourna pas des péchés de Jéroboam fils de Nebat, où celui-ci avait entraîné Israël.
2Mp 15:29 In the days of Pekah king of Israel came Tiglathpileser king of Assyria, and took Ijon, and Abelbethmaachah, and Janoah, and Kedesh, and Hazor, and Gilead, and Galilee, all the land of Naphtali, and carried them captive to Assyria. Tamin' ny andron' i Peka, mpanjakan' ny Isiraely, dia tonga Tiglato-pilesera, mpanjakan' i Asyria, ka nahafaka an' Iona sy Abela-beti-maka sy Janoa sy Kadesy sy Hazora sy Gileada ary Galilia, dia ny tanin' ny Naftaly rehetra, ary nitondra ny olona ho babo tany Asyria izy. Tamin' ny andron' i Fasea mpanjakan' Israely no nahatongavan' i Teglathfalasara mpanjakan' i Asiria sy nahazoan' io an' i Ajona, Abela-Beta-Makaa, Janoe, Kedesa, Asora, Galaada ary Galileas, dia ny tanin' i Neftalì rehetra, sady nentiny ho babo tany Asiria koa ny mponina. Au temps de Péqah, roi d' Israël, Téglat-Phalasar, roi d' Assyrie, vint s' emparer de Iyyôn, d' Abel-Bet-Maaka, de Yanoah, de Qédesh, de Haçor, de Galaad, de la Galilée, tout le pays de Nephtali, et il déporta les habitants en Assyrie.
2Mp 15:30 And Hoshea the son of Elah made a conspiracy against Pekah the son of Remaliah, and smote him, and slew him, and reigned in his stead, in the twentieth year of Jotham the son of Uzziah. Ary Hosea, zanak' i Elaha, nikomy tamin' i Peta, Zanak' i Remalia, dia namely azy ho faty ka nanjaka nandimby azy tamin' ny taona faharoa-polo nanjakan' i Jotama, zanak' i Ozia. Nikomy tamin' i Fasea zana-dRomeliasa, Osea zanak' i Ela, ka namono nahafaty azy, ary nanjaka nandimby azy, tamin' ny faha-roapolon' ny taona nanjakan' i Joatama zanak' i Oziasa. Osée fils d' Ela ourdit un complot contre Péqah fils de Remalyahu, il le frappa à mort et devint roi à sa place.
2Mp 15:31 And the rest of the acts of Pekah, and all that he did, behold, they are written in the book of the chronicles of the kings of Israel. Ary ny tantaran' i Peka sisa mbamin' izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Isiraely izany. Ny sisa tamin' ny asan' i Fasea, mbamin' izay rehetra nataony, dia indro fa efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny Tantaran' ny mpanjakan' Israely. Le reste de l' histoire de Péqah, et tout ce qu' il a fait, cela est écrit au livre des Annales des rois d' Israël.
2Mp 15:32 In the second year of Pekah the son of Remaliah king of Israel began Jotham the son of Uzziah king of Judah to reign. Tamin' ny taona faharoa nanjakan' i Peka, zanak' i Remalia, mpanjakan' ny Isiraely, no vao nanjakan' i Jotama, zanak' i Ozia, mpanjakan' ny Joda. Tamin' ny faharoan' ny taona nanjakan' i Fasea zanak' i Romeliasa mpanjakan' Israely, no vao nanjaka kosa Joatama zanak' i Oziasa mpanjakan' i Jodà. En la deuxième année de Péqah fils de Remalyahu, roi d' Israël, Yotam fils d' Ozias devint roi de Juda.
2Mp 15:33 Five and twenty years old was he when he began to reign, and he reigned sixteen years in Jerusalem. And his mother' s name was Jerusha, the daughter of Zadok. Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin' ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin' i Zadoka. Dimy amby roapolo taona izy fony vao nanjaka, ary enina ambin' ny folo taona no nanjakany, tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanak' i Sadaoka. Il avait 25 ans à son avènement et il régna seize ans à Jérusalem; sa mère s' appelait Yerusha, fille de Sadoq.
2Mp 15:34 And he did that which was right in the sight of the Lord: he did according to all that his father Uzziah had done. Ary nanao izay mahitsy eo imason' i Jehovah izy; tahaka izay rehetra nataon' i Ozia rainy no nataony. Nanao izay mahitsy teo imason' ny Tompo izy, sahala tsara ny nataon' izy sy Oziasa rainy. Il fit ce qui est agréable à Yahvé, imitant en tout la conduite de son père Ozias.
2Mp 15:35 Howbeit the high places were not removed: the people sacrificed and burned incense still in the high places. He built the higher gate of the house of the Lord. Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin' ny fitoerana avo ihany ny olona. Izy no nanao ny vavahady ambony amin' ny tranon' i Jehovah. Ny fitoerana avo anefa mbola tsy foana, notohizin' ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin' ny fitoerana avo. Joatama no nanao ny vavahady ambony amin' ny tranon' ny Tompo. Seulement, les hauts lieux ne disparurent pas, le peuple continuait d' offrir sacrifices et encens sur les hauts lieux. C' est lui qui construisit la Porte Supérieure du Temple de Yahvé.
2Mp 15:36 Now the rest of the acts of Jotham, and all that he did, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Judah? Ary ny tantaran' i Jotama sisa mbamin' Izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Joda va izany? Ny sisa tamin' ny asan' i Joatama mbamin' izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny Tantaran' ny mpanjakan' i Jodà va izany? Le reste de l' histoire de Yotam, et tout ce qu' il a fait, cela n' est-il pas écrit au livre des Annales des rois de Juda?
2Mp 15:37 In those days the Lord began to send against Judah Rezin the king of Syria, and Pekah the son of Remaliah. Tamin' izany andro Izany no vao nampandehanan' i Jehovah an' i Rezina, mpanjakan' i Syria, sy Peka, zanak' i Remalia, hanafika an' i Joda. Nanomboka tamin' izany andro izany ny nampandehanan' ny Tompo an' i Rasina mpanjakan' i Siria sy Fasea zana-dRomeliasa hanafika an' i Jodà. En ces jours-là, Yahvé commença d' envoyer contre Juda Raçôn, roi d' Aram, et Péqah, fils de Remalyahu.
2Mp 15:38 And Jotham slept with his fathers, and was buried with his fathers in the city of David his father: and Ahaz his son reigned in his stead. Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin' ny razany, dia nalevina tao amin' ny razany tao an-Tanànan' i Davida rainy izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy. Ary nodimandry any amin' ny razany Joatama ka nalevina tao an-tanànan' i Davida rainy, ao amin' ny razany. Akaza zanany no nanjaka nandimby azy. Yotam se coucha avec ses pères, on l' enterra dans la Cité de David, son ancêtre, et son fils Achaz devint roi à sa place.

<-
->