<-
->

2Mp 16:1 In the seventeenth year of Pekah the son of Remaliah Ahaz the son of Jotham king of Judah began to reign. Tamin' ny taona fahafito ambin' ny folo nanjakan' i Peka, zanak' i Remalia, no vao nanjakan' i Ahaza, zanak' i Jotama, mpanjakan' ny Joda. Tamin' ny taona fahafito ambin' ny folo nanjakan' i Fasea zana-dRomeliasa no vao nanjaka kosa Akaza, zanak' i Joatama mpanjakan' i Jodà. En la dix-septième année de Péqah fils de Remalyahu, Achaz fils de Yotam devint roi de Juda.
2Mp 16:2 Twenty years old was Ahaz when he began to reign, and reigned sixteen years in Jerusalem, and did not that which was right in the sight of the Lord his God, like David his father. Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin' ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary tsy nanao izay mahitsy eo imason' i Jehovah Andriamaniny tahaka ny nataon' i Davida rainy izy; Roapolo taona Akaza fony vao nanjaka, ary enina ambin' ny folo taona no nanjakany tao Jerosalema. Tsy mba nanao izay mahitsy eo imason' ny Tompo Andriamaniny tahaka an' i Davida rainy izy; Achaz avait vingt ans à son avènement et il régna seize ans à Jérusalem. Il ne fit pas ce qui est agréable à Yahvé, son Dieu, comme avait fait David son ancêtre.
2Mp 16:3 But he walked in the way of the kings of Israel, yea, and made his son to pass through the fire, according to the abominations of the heathen, whom the Lord cast out from before the children of Israel. fa nandeha tamin' ny lalan' ny mpanjakan' ny Isiraely izy; eny, ny zananilahy aza dia nampamakiny ny afo, araka ny fahavetavetan' ny jentilisa izay noroahin' i Jehovah tsy ho eo anoloan' ny Zanak' Isiraely. fa nandeha tamin' ny lalan' ny mpanjakan' Israely; ny zanany lahy aza, nampamakiny ny afo, araka ny fahavetavetan' ireo firenena noroahin' ny Tompo teo anoloan' ny zanak' Israely. Il imita la conduite des rois d' Israël, et même il fit passer son fils par le feu, selon les coutumes abominables des nations que Yahvé avait chassées devant les Israélites.
2Mp 16:4 And he sacrificed and burnt incense in the high places, and on the hills, and under every green tree. Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin' ny fitoerana avo sy teny amin' ny havoana ary teny ambanin' ny hazo maitso rehetra. Nanaterany sorona aman-java-manitra avokoa teny amin' ny fitoerana avo sy teny amin' ny havoana ary teny ambanin' ny hazo maitso rehetra teny. Il offrit des sacrifices et de l' encens sur les hauts lieux, sur les collines et sous tout arbre verdoyant.
2Mp 16:5 Then Rezin king of Syria and Pekah son of Remaliah king of Israel came up to Jerusalem to war: and they besieged Ahaz, but could not overcome him. Ary tamin' izany dia niakatra hanafika an' i Jerosalema Rezina, mpanjakan' i Syria, sy Peka, zanak' i Remalia, mpanjakan' ny Isiraely; ary nanao fahirano an' i Ahaza izy, nefa tsy naharesy azy. Tamin' izany no niakaran-dRasina mpanjakan' i Siria, sy Fasea zana-dRomeliasa, hanafika an' i Jerosalema. Nanao fahirano an' i Akaza izy ireo, nefa tsy naharesy azy. C' est alors que Raçôn, roi d' Aram, et Péqah fils de Remalyahu, roi d' Israël, partirent en guerre contre Jérusalem, ils l' assiégèrent mais ils ne purent pas la réduire.
2Mp 16:6 At that time Rezin king of Syria recovered Elath to Syria, and drave the Jews from Elath: and the Syrians came to Elath, and dwelt there unto this day. Tamin' izany andro izany Rezina, mpanjakan' i Syria, dia nahalasa an' i Elota ho isan' ny fanjakan' i Syria ka nandroaka ny Jiosy hiala tao; ary ny Syriana nankany Elota ka monina ao mandraka androany. Tamin' izany fotoana izany ihany koa no nahazoan-dRasina indray an' i Elata ho ambany fahefan' ny Siriana, ka noroahiny hiala tao Elata ny Jody, fa ny Siriana no nankao Elata dia monina ao mandrak' androany. En ce temps-là, le roi d' Edom recouvra Elat pour Edom; il expulsa les Judéens d' Elat, les Edomites y entrèrent et ils y sont restés jusqu'à ce jour.
2Mp 16:7 So Ahaz sent messengers to Tiglathpileser king of Assyria, saying, I am thy servant and thy son: come up, and save me out of the hand of the king of Syria, and out of the hand of the king of Israel, which rise up against me. Ary Ahaza naniraka olona ho any amin' i Tiglato-pilesera, mpanjakan' i Asyria, hanao hoe: Mpanomponao sy zanakao aho; miakara, ka vonjeo aho tsy ho azon' ny mpanjakan' i Syria sy ny mpanjakan' ny Isiraely, izay efa mitsangana hiady amiko. Nandefa iraka tany amin' i Teglathfalasara mpanjakan' i Asiria, Akaza nanao hoe: Mpanomponao sy zanakao aho, ka miakara hanafaka ahy amin' ny tanan' ny mpanjakan' Israely, fa nitsangan-kamely ahy izy ireo. Alors Achaz envoya des messagers à Téglat-Phalasar, roi d' Assyrie, pour lui dire : "Je suis ton serviteur et ton fils! Viens me délivrer des mains du roi d' Aram et du roi d' Israël, qui se sont levés contre moi."
2Mp 16:8 And Ahaz took the silver and gold that was found in the house of the Lord, and in the treasures of the king' s house, and sent it for a present to the king of Assyria. Ary nalain' i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena izay hita tao an-tranon' i Jehovah sy tao amin' ny rakitry ny tranon' ny mpanjaka, dia nampanateriny ho fanomezana ho an' ny mpanjakan' i Asyria. Ary nalain' i Akaza ny volafotsy sy volamena hita tao an-tranon' ny Tompo, sy tao amin' ny rakitry ny tranon' ny mpanjaka, nampitondrainy ho fanomezana ny mpanjakan' i Asiria. Achaz prit l' argent et l' or qu' on trouva dans le Temple de Yahvé et dans les trésors du palais royal et envoya le tout en présent au roi d' Assyrie.
2Mp 16:9 And the king of Assyria hearkened unto him: for the king of Assyria went up against Damascus, and took it, and carried the people of it captive to Kir, and slew Rezin. Dia nanaiky ny teniny ny mpanjakan' i Asyria ka niakatra hamely an' i Damaskosy ary nahafaka azy; dia nentiny ho any Kira ny olona nobaboiny, fa Rezina kosa novonoiny. Nohenoin' ny mpanjakan' i Asiria izy, ka niakatra namely an' i Damasa ny mpanjakan' i Asiria; ary nony azony, nentiny ho babo ho any Kira ny mponina, ary novonoiny ho faty Rasina. Le roi d' Assyrie l' exauça, il monta contre Damas et s' en empara; il déporta les habitants à Qir et fit mourir Raçôn.
2Mp 16:10 And king Ahaz went to Damascus to meet Tiglathpileser king of Assyria, and saw an altar that was at Damascus: and king Ahaz sent to Urijah the priest the fashion of the altar, and the pattern of it, according to all the workmanship thereof. Ary nandeha Ahaza mpanjaka hitsena an' i Tiglato-pilesera, mpanjakan' i Asyria, any Damaskosy; ary nony nahita ny alitara tao Damaskosy izy, dia nampitondra ny mariky ny alitara sy ny sariny araka ny fombany rehetra ho any amin' i Oria mpisorona. Nankany Damasa Akaza mpanjaka hitsena an' i Teglathfalasara mpanjakan' i Asiria. Nony nahita ity otely tao Damasa Akaza mpanjaka, dia nampitondra ny modelin' ny otely sy ny toetr' endriny araka izay nahavitana azy manontolo ho an' i Oriasa mpisorona. Le roi Achaz alla à Damas pour rencontrer Téglat-Phalasar, roi d' Assyrie, et il vit l' autel qui était à Damas. Alors le roi Achaz envoya au prêtre Uriyya l' image de l' autel et son modèle, avec le détail de sa structure.
2Mp 16:11 And Urijah the priest built an altar according to all that king Ahaz had sent from Damascus: so Urijah the priest made it against king Ahaz came from Damascus. Ary Oria mpisorona dia nanao alitara: araka ny marika rehetra nampitondrain' i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy no nanaovan' i Oria mpisorona azy mandra-pihavin' i Ahaza mpanjaka avy tany Damaskosy. Ka naorin' i Oriasa mpisorona ny otely, ary nataon' i Oriasa mpisorona mitovy indrindra amin' ny modely nampitondrain' i Akaza mpanjaka, avy any Damasa, nataony vita mandra-pahatongan' ny mpanjaka avy any Damasa. Le prêtre Uriyya construisit l' autel; toutes les instructions que le roi Achaz avait envoyées de Damas, le prêtre Uriyya les exécuta avant que le roi Achaz revînt de Damas.
2Mp 16:12 And when the king was come from Damascus, the king saw the altar: and the king approached to the altar, and offered thereon. Ary nony tonga avy tany Damaskosy ny mpanjaka, dia nandeha nizaha azy izy ary nanatona ka nanatitra fanatitra teo amboniny. Nony tonga avy any Damasa ny mpanjaka, dia nahita ny otely. Nanatona ny otely ny mpanjaka dia niakatra teo; Lorsque le roi Achaz arriva de Damas, il vit l' autel, il s' en approcha et il y monta.
2Mp 16:13 And he burnt his burnt offering and his meat offering, and poured his drink offering, and sprinkled the blood of his peace offerings, upon the altar. Ary nandoro ny fanatitra dorany sy ny fanatitra hohaniny teo izy ary nanidina ny fanatitra aidiny sady nanopy ny ran' ny fanati-pihavanany tamin' ny alitara. nodorany teo ny sorona dorany sy ny fanatiny, nararany ny fanatiny araraka, ary naidiny teo ambonin' ny otely ny ran' ny sorom-pihavanany. Il fit fumer sur l' autel son holocauste et ses oblations, versa sa libation et répandit le sang de ses sacrifices de communion.
2Mp 16:14 And he brought also the brasen altar, which was before the Lord, from the forefront of the house, from between the altar and the house of the Lord, and put it on the north side of the altar. Ary ny alitara varahina kosa, izay teo anatrehan' i Jehovah, dia nafindrany hiala eo anoloan' ny trano dia eo anelanelan' ny alitara vaovao sy ny tranon' i Jehovah ka nataony teo avaratry ny alitarany. Ilay otely varahina teo anatrehan' ny Tompo, nafindrany hiala eo anoloan' ny trano, mba tsy ho eo anelanelan' ny tranon' ny Tompo sy ny otely vaovao, dia nataony eo anilan' ity otely vaovao, eo avarany. Quant à l' autel qui était devant Yahvé, il le déplaça de devant le Temple, où il était entre le nouvel autel et le Temple de Yahvé, et le mit à côté du nouvel autel, vers le nord.
2Mp 16:15 And king Ahaz commanded Urijah the priest, saying, Upon the great altar burn the morning burnt offering, and the evening meat offering, and the king' s burnt sacrifice, and his meat offering, with the burnt offering of all the people of the land, and their meat offering, and their drink offerings; and sprinkle upon it all the blood of the burnt offering, and all the blood of the sacrifice: and the brasen altar shall be for me to enquire by. Ary Ahaza mpanjaka nandidy an' i Oria mpisorona hoe: Eo ambonin' ny alitara lehibe no andoroy ny fanatitra dorana maraina sy ny fanatitra hohanina hariva sy ny fanatitra dorana mbamin' ny fanatitra hohanina izay ho an' ny mpanjaka, ary ny fanatitra dorana mbamin' ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina izay ho an' ny vahoaka rehetra ary ny rà rehetra avy amin' ny fanatitra dorana sy ny fanatitra alatsa-drà hafa dia hatopinao aminy; ary ny amin' ny alitara varahina dia mbola hataoko fanontanian-javatra Ary izao koa no didy nomen' i Akaza mpanjaka an' i Oriasa mpisorona: Doroy eo ambonin' ny otely lehibe ny sorona dorana ny maraina, ny fanatitra hariva, ny sorona dorana amam-panatitry ny mpanjaka, ny sorona dorana amam-panatitry ny vahoaka rehetra; araraho eo ny fanatiny araraka ary aidino eo ny ra rehetra avy amin' ny sorona dorana sy ny ra rehetra avy amin' ny sorona. Fa ny amin' ny otely varahina, dia raharahako ny manapaka ny aminy. Le roi Achaz fit ce commandement au prêtre Uriyya : "C' est sur le grand autel que tu feras fumer l' holocauste du matin et l' oblation du soir, l' holocauste du roi et son oblation, l' holocauste, l' oblation et les libations de tout le peuple; tu répandras sur lui tout le sang des holocaustes et des sacrifices. Pour ce qui concerne l' autel de bronze, je vais m' en occuper."
2Mp 16:16 Thus did Urijah the priest, according to all that king Ahaz commanded. Ary Oria mpisorona dia nanao araka izay rehetra nandidian' i Ahaza mpanjaka. Notanterahin' i Oriasa mpisorona avokoa izay rehetra nodidian' i Akaza mpanjaka. Le prêtre Uriyya fit tout ce que lui avait ordonné le roi Achaz.
2Mp 16:17 And king Ahaz cut off the borders of the bases, and removed the laver from off them; and took down the sea from off the brasen oxen that were under it, and put it upon the pavement of stones. Ary nesorin' i Ahaza mpanjaka ny kibon ny fitoeran-tavin-drano; ary nesoriny ny tavin-drano, ary ilay tavin-drano lehibe dia nampidininy niala tamin' ireo omby varahina: izay teo ambaniny ka nataony teo ambony lampivato. Fanampin' izany, dia novakin' i Akaza mpanjaka koa ny panoa sy ny tongony ary nesoriny ny tavindrano teo amboniny; nampidininy ny ranomasina avy teo ambonin' ireo omby varahina nibaby azy, ka nataony teo ambony lampivato, Le roi Achaz mit en pièces les bases roulantes, il en détacha les traverses et les bassins, il descendit la Mer de bronze de dessus les boeufs qui la supportaient et la posa sur le pavé de pierres.
2Mp 16:18 And the covert for the sabbath that they had built in the house, and the king' s entry without, turned he from the house of the Lord for the king of Assyria. Ary ny Fialofana tamin' ny Sabata, izay natao teo akaikin' ny trano, sy ny fidirana ivelany izay an' ny mpanjaka, dia nafindrany ho ao an-tranon' i Jehovah noho ny tahony ny mpanjakan' i Asyria. ary nafindrany toerana tao an-tranon' ny Tompo ny trano hevan-tsabata naorina tao amin' ny trano, mbamin' ny fidiran' ny mpanjaka teo ivelany, noho ny henany ny mpanjakan' i Asiria. En considération du roi d' Assyrie, il supprima du Temple de Yahvé l' estrade du trône, qu' on y avait construite, et l' entrée extérieure du roi.
2Mp 16:19 Now the rest of the acts of Ahaz which he did, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Judah? Ary ny tantaran' i Ahaza sisa, tsy efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny tantaran' ny mpanjakan' ny Joda va izany? Ny sisa tamin' ny asan' i Akaza mbamin' izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin' ny bokin' ny Tantaran' ny mpanjakan' i Jodà va izany? Le reste de l' histoire d' Achaz, et tout ce qu' il a fait, cela n' est-il pas écrit au livre des Annales des rois de Juda?
2Mp 16:20 And Ahaz slept with his fathers, and was buried with his fathers in the city of David: and Hezekiah his son reigned in his stead. Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin' ny razany, dia nalevina tao amin' ny razany tao an-Tanànan' i Davida izy; ary Hezekia zanany nanjaka nandimby azy. Ary nodimandry any amin' ny razany Akaza, ka nalevina ao an-tanànan' i Davida ao amin' ny razany. Ezekiasa zanany no nanjaka nandimby azy. Achaz se coucha avec ses pères, on l' enterra dans la Cité de David et son fils Ezéchias régna à sa place.

<-
->