|
|
|
|

Entry 1  afaka
Part of speech  2  participle
Morphology 
3  Present :
4  Past :
5  Future :
6  Imperative :
Derivatives 
Active verbs :
Passive verbs :
Relative verbs :
Nouns :
Adjectives :
Explanations in Malagasy  26 miala, mivaha: Afaka ny tady tamin' ny tongotr' ilay akoho ka lasa izy
27 miala, mitsoaka, miombotra, miongotra: Notsofin' ny rivotra ka afaka ny savilim-baravarana ~ Nianjera izy ka afaka ny nifiny
28 miala, miendaka, mikipaka: Afaka daholo ny tafontrano tamin' ilay rivo-doza teo iny
29 miala, mihintsana, miraraka: Afaka daholo ny ravinkazo
30 tafahoatra, tafadingana, tafita: Tsy afako io hady io fa be vahana loatra ~ Arahaba fa afaka fanadinana
31 vita, efa, tontosa, azo: Afak' izy roapolo lahy ny tanàna
32 voala, voaesotra: Afaka ny akotry tamin' ny vary ~ Tsy mety afaka ilay pentin-dranomainty tamin' ny akanjonao
33 voala, voavela, voavotsotra: Mandehana fa afaka ny helokao, hoy i Jesoa tamin' ilay boka
34 nalana, namindrana fo: Afaka amin' ny karatra izy fa maro anaka ~ Afaka tamin' ny loa vola izy
35 nialana: Afaka entam-be aho tamin' ny nahasitranan' ny zanako
36 teny fanao saikina matoantenin' ny mpanao, enti-milaza fa manana ny ilaina rehetra mba hahavita zavatra ilay manao ny asan' ny matoanteny: Efa afaka mandeha ny zanako ~ Tsy afa-manoratra ny tanako. [1.1]
Explanations in English  37 free, free from, separated from, disengaged; unlocked, untied; passed over; emptied as a bag; taken, as applied to a town in war; discharged; passed, as an examination. [1.2]
38 free, set free [1.7]
Explanations in French  39 détaché, tombé, enlevé, pris d'assaut, emporté: Afaka ny varavarana (La porte s'est détachée) ~ Afaka ny ravinkazo (Les feuilles sont tombées) ~ Nidona tamin'ny vato izy, ka afaka ny hohon' ny ankibeny (Il a heurté contre une pierre et a eu l'ongle de l'orteil enlevé) ~ Nasiany totohondry izy, ka afaka ny nifiny anankiray (Il lui a donné un coup de poing qui lui a enlevé une dent) ~ Afaka ny diso (Les fautes ont été enlevées) ~ Tsy afaky ny fahavalo ny tanàna (La ville n'a pas été prise par les ennemis)
40 délivré, sauvé, échappé, affranchi, exempt, exempté, délivré de ses engagements, absous, débarrassé, libre, qui peut: Nafatotra izy ka afaka izao (Il avait été attaché, mais il est maintenant délivré) ~ Afaka amin' ny loza izy (Il a échappé au danger) ~ Andevo afaka (Esclave affranchi) ~ Afaka amin' ny fandoavan-ketra izy (Il est exempt d'impôts) ~ Afaka ahiahy izy (Il est exempt d'inquiétude) ~ Afaka ota izy (Il est absous de ses fautes) ~ Afa-draharaha aho (Je suis débarrassé de toute affaire) ~ Afaka aho (Je suis libre) ~ Tsy afa-miala eto aho izao (Je ne puis pas maintenant quitter ici) [1.3]
41 libre, libéré [1.8]
42 capable, admis, apte [1.13]
Examples  43  tsy hisy ho afaka|ho afa, tsy hisy ho afaka|ho afa-mandositra [2.996]
44  Lasa nipetraka izy, ka te-hiteny, nefa tsy afaka [2.324]
45  Nety nisotro rano mafana izy ary afaka namihimpihina ny loha-ratsany [2.470]
46  Voalaza anefa fa afaka efatra na dimy volana vao hiverina io sambo io, ka voatery nikaro-kevitra tamin'ny sambo hafa aho [2.471]
47  Noho izany, tsy afaka handray afa-tsy ireo mandoa aho [2.472]
48  lalana ny toerana tsy homby ny kodiarana roa sy tsy afaky ny omby. [2.117#117]
49  Ny ranjony anefa no dia tsy afaky ny tovovavy kely namany indrindra, fa ny toy izany angaha no nahavaky ny ntaolo fahiny hoe: [2.499#10]
Analogs  50  lasa, 51  misendaka, 52  misindaka, 53  tapaka, 54  tosaka, 55  votsotra
Combinations  56  99 expressions, toponymes, phytonyms and others with the word afaka
Proverbs  57  Proverbs containing that word

Updated on 2026/08/13