|
|
|
|

Entry 1  lasa
Part of speech  2  adjective
Morphology 
3  Simple :
4  Prefixed :
5  Imperative :
Derivatives 
Active verbs :
Explanations in Malagasy  8 Miainga, mandeha: Lasa anikeheo i Dada ~ Manisa telo aho dia lasa
9 Milefa, mandositra, tsy tana: Tapaka ny fatorany ka lasa ilay alika
10 Entina: Lasany ilay bokinao teto ambony latabatra
11 Vidina: Aiza hovidiko iry satroka iry -- Efa lasan' olona io, tompoko ~ Lasako dimampolo itỳ amalona itỳ
12 Angalarina, faohina: Lasan' ny sasany halina ny kisoanay
13 Tsy eo intsony: Zavatra efa lasana izany ka tsy tokony hofohazina intsony
14 Lany andro: Efa lasa izany lamody izany
15 Maty: Lasa halina tamin' ny iray Rakoto
16 Manomboka milalao: Lasa aho [1.1]
Explanations in French  17 qui part, qui est parti, qui s'en va, qui s'en est allé, qui commence ou a commencé à ajouter, qui s'est échappé: Veloma, fa lasa aho (Adieu, je m'en vais, je part) ~ Lasan-davitra izy (Il est allé au loin) ~ Lasa taon' itsy izy (Il est parti l'année dernière) ~ Mameleza, fa lasa ny azy (Jouez, car il a commencé) ~ Lasa aho (Je commence à jouer, je joue) ~ Tapaka ny fatorana, ka lasa tampoka izy (Les liens se sont cassés, et il s'est vite échappé)
18 pris, emporté, volé, acheté: Lasako ny bokinao tao ambony latabatra (J'ai pris votre livre qui était sur la table) ~ Moa lasa any aminareo ny sininay? (Auriez-vous pris notre cruche chez vous?) ~ Lasan'ny sasany halina ny ombinay (On a volé nos boeufs la nuit dernière) ~ Lasako iraimbilanja ity satroka ity (J'ai acheté ce chapeau un franc)
19 qui a fait son temps, passé, mort: Efa lasa izany lamody izany (Cette mode a fait son temps) ~ Tonga taty tamin'ny taona lasa izy (Il est venu ici l'année dernière) [1.3]
Examples  20  Malahelo vady lasan-davitra [2.69#214]
21  Dia lasan' izy roa lahy ny tanimbary. [2.293#32]
22  izay no olonay lasanareo any andafy, koa tsy aterinareo fa tananareo any ihany [2.366#55]
23  Taon-dasa, tsy tsaroana tokoa ny an' i Datoa [2.445#50]
Synonyms  24 lasana
Analogs  25  dila, 26  nadio ny rano nitana, 27  nandao, 28  nanifi-drano, 29  niala, 30  nidify, 31  niendaka, 32  nihataka, 33  ny lalana mody no nasiany olona, 34  nirintona, 35  nisava, 36  nisinda, 37  nisintaka, 38  nisintona
Combinations  39  28 expressions, toponymes, phytonyms and others with the word lasa
Proverbs  40  Proverbs containing that word

Anagrams  lasa, 41 sala

Updated on 2026/04/22