Entry zahatra
Part of speech noun
Malagasy definition vatan-kazo na volotsangana lehibe maromaro akambana ka atao solon-dakana fitana rano: Nita tamin'ny zahatra ny mpianatra ka horakoraka moa izao! [Rajemisa 1985]
English definition a raft [Hallanger 1973]
French definition radeau [Abinal 1888, Hallanger 1974]
Vocabulary 
Other spellings 
Examples 
1Koa dia ny tafontrano no niendahany natao zahatra. [Randriamamonjy: Tantara, page 458]
2Tapatapa-karefo momba zahatra tapatapa-jozoro momba lakana sarony aho fa kely angalaro fitia aho fa an'olona [Fox: Hainteny, number 88]
3Foana ny fiainana tsy misy azy, ary toy ny zahatra avalan' ny rano ny olombelona tsy voizin' izany fitiavana izany. [Andriamalala: Taolambalo, page 69]
Quotes 

2020/02/12