Entry | 1 voronandrano |
Elementary words | 2 vorona, 3 rano |
Part of speech | 4 noun |
Explanations in Malagasy |
5 Karazam-borona, toy ny angaka, arosy... mivelona eny amin' ny hetrina; toy izao ny toetoetra manokana ananan' ny voronandrano: fohy ny tongony fa mafy ny hoho amin' ny loha rantsany ary misy hoditra manify mampikambana ny rantsana efatra ho toy ny fivoy [1.1] |
Examples |
6 Nambenana mafy tsy azo naleha teo, ka ny voronandrano nonina teo tsy nisy mpananaitra - nanatody any anaty zozoro any aza.
[1.437#]
7 Ary izao koa no fomba ny heniheny dia azo angalana laoka hafa indray hihinanana vary, fa eo ny voronandrano, sy ny vano-fotsy, sy ny vanomainty, sy ny vorompotsy, sy ny talèvana, sy ny angaka, sy ny arosy na haralahy, sy ny faralambotra, sy ny fotsielatra, sy ny kitanotano, sy ny tsiriry, sy ny vivy, sy ny otrika. [2.48] |
Vocabulary | 8 Zoology: birds |
Updated on 2025/09/12 |
![]() |