|
|
|
|

Entry1  Tsy hitony tsy akory
Elementary words  2  tsy, 3  mitony, 4  tsy akory
Part of speech  5  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  6  Literature: poems
Author  7  Rabearivelo Jean-Joseph
Full text  8  Na dia misy olon-tiana
9  Hanakely ny mahory,
10  Sy hitondra hafaliana -
11  Tsy hitony tsy akory !

12  Na dia misy anjely soa
13  Hanafoana sorisory,
14  Sy hamalifaly koa -
15  Tsy hitony tsy akory

16  Na dia manan-kery aza
17  Ny fitia mamorivory,
18  Dia sahiko ny milaza:
19  Tsy hitony tsy akory !

20  Tsy hitony tsy akory
21  Fa diso ny finoana
22  Ry raozy e, esory
23  Ny tsilo manoloana.

24  Tsy hitony tsy akory
25  F' efa diso fanantena !
26  Ny foko avela hatory,
27  Hanadino e, ry sena !

28  Eny indrisy ! tsy hitony
29  Fara hery : manadino.
30  Fa ny tsy ho tia intsony
31  'Zany kosa, aza mino !

Updated on 2025/09/13