Entry tehaka
Part of speech noun
Explanations in Malagasy Fampikatrokatrohana ny felatanana roa entina manamarika ny fingadon' ny hira na ny hafaliana: Nirefodrefotra ny tehaka nony avy niteny izy
Fikasihana amin' ny tanana
Famelezana amin' ny felatanana (jereo Tehamaina) [1.1]
Explanations in English The clapping of hands in applause; a pat [1.7]
Explanations in French Tape de la main; applaudissements [1.8]
Examples 
1Sady nipoapoaka ny tehaka. [2.472]
2Nisy tehaka maimaina ombieny ombieny. [2.356]
3Tehaka be no nandraisan' ny mpihaino ny fanazavana. [2.472]
Derivatives 
Compound words 

Anagrams 

Updated on 2023/06/27