|
|
|
|

Entry1 Rabetsimandranto Fidelis-Justin
Elementary words  2Rabetsimandranto
Part of speech  3 name (anthroponym) [Full list]
Explanations in Malagasy  4Rabetsimandranto Fidelis-Justin (1907-1966). [1.1]
5Fidelis-Justin Rabetsimandranto dia teraka tao Antananarivo tamin'ny taona 1907, volana Oktaobra ary nodimandry tamin'ny volana Aogositra 1966. Tao Mananjara, vohitra kely naorin'Andrianampoinimerina tany an-tendrony, ao ambany atsimon'Ambohijanahary, no akany nahitany masoandro. Ny razambeny dia anisan'ireo " Valopololahy " sy " Valopolovavy " nafindran'ny Ombalahibemaso fonenana tao. Tao amin'ny Sekolim-panjakana tao Fiadanana no nanombohan-dRabetsimandranto nianatra, dia nifindra tao amin'ny "Ecole-Supérieure " tao Faravohitra izy, ary avy ao dia niditra ho kilasimandry tao amin'ny " Collège Saint-Michel" Amparibe; dia tao no nianarany nandritra ny efa-taona ka nahazoany ny diplaoman'ny fahazoa-mampianatra. Nony nivoaka ny fianarana izy, tamin'ny taona 1925, noho ny talenta hita taratra nananany tamin'ny fanoratana, dia nangatahina mba ho isan'ny Mpanoratra amin'ny " Feon'ny Marina " , ka dia tao no nanombohany ny asany voalohany amin'ny soratra ary nahalalan'ny maro ny hakanton'ny diam-peniny mitondra ny solon'anarana hoe: Fidelis-Justin, "anarana indrana" nentiny mandra-pahafatiny. Ny poezia no isan'ny soratra nahavanana azy sy nankafiziny fatratra ary nokaliny sy nanorenany fo tokoa. Raha vao herintaona monja no nanoratany an-gazety, dia namoaka ho boky ny asany voalohany izy, izay nomeny anarana hoe "Fehezam-boninkazo" , tononkalo mirindra sy feno aingam-panahy ambony ka toa niavaka tamin'ny asa soratra fahita tamin'izany andro izany. Hatramin'io taona 1926 io, dia tsy nitsahatra ny nanoratra i Fidelis Justin Rabetsimandranto, ary nifototra tamin'ny literatiora ka ny amboaran-tononkalo sy tantara poezia vitany hatramin' izay dia miisa amin-jatony; ny tantara foronina, enina ambin'ny folo; ny tantara fampisehoana, enina; ny Vako-drazana, enina, ka anisan'ireo ny "Kabary taloha sy ankehitriny ".. [2.314]
Vocabulary  6 Literature: authors
Literary works  7 Adidy nandresy fitiavana Tritriva
8 Andraikiba
9 Antananarivo sy Ambanivohitra
10 Avonavona resim-pitia
11 Diksionera Malagasy : A-Doka
12 Fehezam-boninkazo
13 Fo idealy
14 Fomba amam-panao malagasy : 1887-1962
15 Hady folo sosona
16 Hain-teny malagasy
17 Iangivola
18 Kabary vaovao
19 Ny kabary taloha sy ankehitriny
20 Ny voninkazon-dohataona
21 Ralibenja
22 Ranokombe
23 Sahy sedra Mizana tsindrian’ ila
24 Soaniary
25 Sorobaton’ilay jamba
26 Trimofoloalina
27 Vatolahy
28 Votso-droa

Updated on 2025/10/07