| Entry | 1 Orimbaton' ny Fiadanana |
| Elementary words | 2 orimbato, 3 fiadanana |
| Part of speech | 4 name (book title) [Full list] |
| Author |
5 Andrianjafy Michel |
| Publishings |
6 Edisiona Takariva. 1970. 7 Trano Pirinty FO.PI.PA. 1987. Pages: 176. |
| Text |
8 [CR]Teti-dratsy[CR]
9 [CR]Iny Rasolomanana miakatra ny tanàna.[CR]Na dia vava lalana aza Rambolasoa mianaka, dia ary amin-dRavonimbero rafozany izy aloha no nihevitra ny hivantana, ka rehefa diany dia hody vao hivily ao.[CR]Nohofain-dRaketamalala tanana avy eo am-baravarankely nony fantany fa hanitsy hianavaratra.[CR] 10 [CR]-- Isolo a! Aty aloha e![CR] 11 [CR]Nivily Rasolo fa antsoin'ny anabaviny.[CR] 12 [CR]-- Ahoana izay?[CR] 13 [CR]-- Midira ange aloha e![CR] 14 [CR]-- Ahoana fa maika aho?[CR] 15 [CR]-- Makà aloha toerana e! Izanajaza angaha hohanin'iza fa tsy ao amin-dreniny niteraka azy izy?[CR] 16 [CR]-- Ahoana anefa? sady nihabahaba toa hitombina toa hitsangana.[CR] 17 [CR]-- Misy dinika kely fa nasesiky ny razana ianao ka tonga, hoy[CR]Rambolasoa.[CR] 18 [CR]-- Antsika telo mianaka ihany anefa ny resaka, fa tsy azonao afindra na amin'iza na amin'iza, hoy Raketamalala.[CR] 19 [CR]-- Na dia amin'Izanany aza ve?[CR] 20 [CR]-- Izy indrindra no tena anafenana azy.[CR]Sao tsy ho mafy vava[CR]anefa Isolo?[CR] 21 [CR]-- Lazao fa hateliko e![CR] 22 [CR]-- Tarihon-dry àry ny resaka, ry Ketaka, hoy Rambolasoa, fa izay tsy ampy fenoiko.[CR] 23 [CR]-- Izao àry, hoy Raketamalala:[CR]nisy nanipy voanjobory, hono,[CR]teo am-pandriananareo?[CR] 24 [CR]-- Hay! efa voalazan'lzanany anareo sahady?[CR] 25 [CR]-- Sempotsempotra ery izy nitantara azy anikeheo.[CR]Koa mihainoa sy mandiniha tsara, fa reninao nitondra anao folo volana, sy[CR]anabavinao nifanapatsinay taminao izahay ka tsy hanoro vohony anao akory![CR] 26 [CR]-- Amin'ny ahoana anefa e? hoy Isolo niontana ambavafo.[CR] 27 [CR]-- Izao no izy:[CR]hifindra ety ianareo roa no hitoetra.[CR] 28 [CR]-- Ka hazoto amin'izany ve Izanany?[CR] 29 [CR]-- Satriny aza.[CR]Efa notsapainay teto ny lohany.[CR] 30 [CR]-- Ary tsy hahadikidiky amin'Ineny eny Ambohimiadana?[CR] 31 [CR]-- Ambohijafy tompony indray ve no hangataka atiny e?[CR] 32 [CR]-- Inona anefa aloha no antony?[CR] 33 [CR]-- Voalohany aloha:[CR]hita fa misy te-hisompatra anareo any[CR]Ambohimiadana ka mety ny mihataka kely.[CR] 34 [CR]-- Ekeko raha ny amin'izany.[CR] 35 [CR]-- Faharoa manaraka izany:[CR]tsy anananay fahefana ianareo raha tsy misarimonina ety aminay.[CR] 36 [CR]-- Fahefana amin'inona moa ? hoy Isolo somary nitsangam-bolo.[CR] 37 [CR]-- Henoinao tsara, fa ity vao tena resaka:[CR]farano mihitsy ny hevitra fa tsy hanan-tamingana amin' lzanajaza akory ianao fa ho boribory tahaka ilay voanjobory natorak'olona teo am-pandrianareo...[CR] 38 [CR]-- ! ! ! ![CR] 39 [CR]-- Hataontsika tahaka ny fanorona ka izao no paika:[CR]rehefa[CR]hifindra ety ianareo (mody hoe haka rivotra no fiala amin-dRazafimpananina)[CR]dia atsy amin-dRavonimbero no mivantana fa tsy ato akory.[CR]Ka rehefa tonga ny andro mahamety, araka izay mbola hisikidianantsika azy, dia misintaka moramora ianao mankato aminay mianaka, fa Izanany efa eo anatrehan'ny nahitany masoandro.[CR]Azonao izany?[CR] 40 [CR]Nisondro-dra ny tavan-dRasolomanana.[CR]Tsembo-dratsy izy.[CR]Toa nivahavaha ny hoza-tenany manontolo.[CR]Badenina ny lohany.[CR]Nanjambena ny masony.[CR]Tsy ampy hitepoan'ny fony ny tratrany![CR] 41 [CR]-- Ahoana ianao amin'izany tetika izany e? hoy Rambolasoa[CR]nanaitra azy tsy ho jenjin'ny fahatampohana.[CR] 42 [CR]-- Mbola hoeritreretina ny amin'izany ka I[CR] 43 [CR]-- Handany taona hieritreritra aiza indray e?[CR] 44 [CR]-- Koa raha hariako hatreo Razanajaza, dia ho aiza indray aho araka ny tetikareo mianaka?[CR] 45 [CR]-- Henoinao tsara indray fa tsy hanolo-bato mafana izahay akory, hoy Raketamalala.[CR] 46 [CR]Novonjen-dRambolasoa notohizina ny teny:[CR] 47 [CR]-- Efa nihevitra vady ho anao izahay matoa manao izany tetika izany.[CR]Tsy nitomemama fotsiny akory izahay mianaka fa mampiady[CR]loha andro aman'alina amin'izay hahasoa anao.[CR] 48 [CR]-- Dia iza indray no ho vadiko, hoy ianareo?[CR] 49 [CR]-- Izafin-dRahasy, zafikelin-dRa...[CR] 50 [CR]-- Zafikelin-dRaberesaka etsy Imaharidaza ve?[CR] 51 [CR]-- Fantatrao tsara.[CR]Bikan-janak'olona ireny an! Sahala amin'[CR]ny kinaoly Izanajaza mitaha aminy.[CR] 52 [CR]Toa falifaly nanaiki-molotra Rasolomanana.[CR]Nisava tampoka teo ny andohany nanelo.[CR]Efa mba nozohizohiny mangina teny tokoa mantsy Izafindrahasy, saingy voasingotra tampoka tamin-dRazanajaza izy.[CR]Ka toa nifongatra teo amin'ny fiereny indray ny fikasany taloha.[CR]Hay natory fotsiny ny fitiavany fa tsy maty akory![CR] 53 [CR]-- Sady efa niresahanay anie izy ka nazoto ery e?! hoy Rambolasoa i'apaho haingana ny hevitrao, ry Solo, fa tahaka ny maka fanahy ny zanak'olona fotsiny izahay mianaka.[CR] 54 [CR]Nihodina tamin-dRasolo ny tany aman-danitra.[CR]Fa misy inona tokoa moa Razanajaza raha mitaha amin'lzafindrahasy? Na samy kamboty aza, hafa ny nandova be sy ny tsy manam-bariraiventy.[CR] 55 [CR]-- Hokaramaina anie ianareo raha hivady e! hoy Raketamalala.[CR] 56 [CR]-- Hokaramaina aho ana? hoy Rasolomanana.[CR] 57 [CR]-- Raha manaiky hanambady ny zafikeliny ,hono, ianao, hoy[CR]Ingahy Raberesaka, dia hataony tolotra ho anareo roa ny tanimbary iray vala be eo ambany andrefan'lnandihizana miampy ombalahy vositra anankiray ary vola farantsa tsy zakan-drerilahy.[CR] 58 [CR]Tsy nahatombina intsony Rasolomanana fa niaingainga foana eran'ny trano:[CR] 59 [CR]-- Marina ve?[CR] 60 [CR]-- Izahay mianaka koa mbola hanampy, hoy Rambolasoa.[CR] 61 [CR]-- Inona koa no hanampinareo mianaka? hoy Rasolo.[CR] 62 [CR]-- Ao fa haseho anao ny zavatra betsaka ato ambany rihana navelan'Ingahy Dubosc ho anao.[CR]Afa-tsy ny firakotra sy ny lovia[CR]aman-tsotro mbamin'ny ravin-damba izay efa ampiasainay ato an-trano, dia ho hitanao ao ny palitao matevina misy roa aman'olona, pataloha fonom-basy volontany sy mangamanga, satroka, kiraro, lobaka, izay ho anao daholo mihitsy no nanomezany azy, saingy raha manaiky hanambady an'lzafindrahasy ianao vao hatolotray anao hanaovanao maso vao eran'ny faritany.[CR]Raha tsy izany, dia...[CR] 63 [CR]-- Efa tonga ato ve Rasolo e! hoy Razanajaza miantso ao ala-trano sady arahin-dRavonimbero.[CR] 64 [CR]Nihantona teo ny dinika tsy mivoa-drindrina:[CR]novangovangoina na hoatra ny fihina-mangahazo maina ary natao telimoka hoatra ny vary sosoa mahamay.[CR]Asa ny mpihinana na hahalevon-kanina na tsia...[CR] 65 [CR] 66 [CR]Ny sitrapo sy ny vintana[CR] 67 [CR]Mba niseho ho mahery vaika Razanajaza tamin'izao indray mandeha izao ka nanaraka ambokony nody teny Ambohimiadana Rasolomanana.[CR]Faly am-panahy Razafimpananina.[CR]Rambolasoa mianaka kosa mivonto fo amin'ny hasosorana.[CR] 68 [CR]Fa nangatsiaka ny tokantranon'ny ankizy.[CR]Niova fihetsika Rasolomanana:[CR]tsy be herongerona intsony, tsy nanangana adiady intsony;[CR]kanefa tsy nitsiky fa monto-dava tsy ahitan-teny firy.[CR]Very dia very manko ny heviny, fa Razanajaza sarotra akifika, kanefa Izafindrahasy efa mivolon-ko tompony.[CR]Koa noho ny onjam-panambadiana tsy maintsy andeferana, dia toa foto-boandelaka hanim-bitsikambo no fijery an-dRazanajaza.[CR]Ary noho ny onjam-pitiatiavana te-hilevina aniritra eo amin'ny tanin'olona vita baorina, dia toa olona lasa ambiroa no fijery an-dRasolomanana.[CR]Mpivady samy rotehin'aretina.[CR] 69 [CR]Araka ny fantatry ny ntaolohahy, dia fanambadiana tsy mba nierana tamin'ny mpanandro mantsy:[CR]Asorotany sy Adijady mifaniho vintana.[CR]Hatramin'ny fanambinana isan-karazany no nandamoka be ihany, fa ny ambolen-tsy maniry, ny asosoka maty maso, ny am-pahitra kongonina, ny am-pisoko deronina, ary Ikoto sy Ikala tsy hita veroka.[CR] 70 [CR]Havarina amin'ny vintana àry ve ny andraikitra? Sa hatolaka amin'ny tsiny? Fetsy ny olombelona ka manadidy ny tononandro sy ny razana kanefa izy indrindra no tena tompon'antoka.[CR]Dia Rasolomanana sy Razanajaza:[CR]tompon'ny fony sy ny safidiny;[CR]ary Rambolasoa sy Raketamalala:[CR]tompon'ny ankasomparana sy ny mosavy.[CR]Fanambadian'iza no tsy hosedrain'ny rivo-mahery, fa ny foto-kazo marivo faka no tsy menatra ny hidaraboka![CR] |
| Updated on 2025/11/13 |
|