|
|
|
|

Entry1  Ny Abidin' ny toaka
Elementary words  2 abi, 3 toaka
Part of speech  4  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  5  Literature: poems
Author  6 Rajaonary
Full text  7  [CR]
8  Adala ny olona izay tia toaka
9  Adabok' ireny ny vola ka lany
10  Ataony ambody barika avy hatrany
11  Areti-mandoza no vokatr' izany

12  Bedain' ny sasany ilay tia toaka
13  Babon' ny Satana ny fony rehetra
14  Barika mandeha toa manjoretra
15  Baikoan' ny vola tsy misy fetra

16  Doran' ny sain' ilay tia toaka
17  Daka diamanga ireo mampijaly azy
18  Difotra ny ainy tsy vazivazy
19  Daroka sisa no mananatra azy

20  Efitrin' ny helo no fiainan' lay tia toaka
21  Eso, latsa no ravakin' ny androny
22  Efa lefy matroka izato masoandrony
23  Esorin' ny Satana ny kely manome ny heriny

24  Fasana no miandry an' ilay tia toaka
25  Fongana avokoa izay hany fananany
26  Fandrika miandry ny lalan-kalehany
27  Fonja manjohy ka mitady ny tenany

28  Godraka ny tenan' ilay tia toaka
29  Gaga ny olona mijery ny toetrany
30  Gidragidra lava no androm-piainany
31  Gaigy sy romotra no fomba fijeriny

32  Hetahatan' adala ny an' ilay tia toaka
33  Hevitra taingina no avoakan' ny vavany
34  Henatra baraka no mameno ny tenany
35  Hosoka halatra no fihetsiketsehany

36  Iza no mba havan' ilay tia toaka
37  Ireo mpidoroka, mpanamaoly no mba sakaizany
38  Ilaozan' ny maro fa kely ny sainy
39  Izy mety manam-pahaizana fa ny heviny ambany

40  Janga no lalan' ilay tia toaka
41  Jereny ny marina toa fahavalony
42  Jesoa halany ka tsy ankasitrahany
43  Jonon' ny Satana izy fa tena rembiny

44  Kilemaina, vatana, saina ilay tia toaka
45  Kamboty velona ireto taranany
46  Kitratraina ny vady aman-janany
47  Kamo be tenda no tena talentany

48  Lova ratsy no anjaran' ilay tia toaka
49  Lany ny harena noho ity fahadalany
50  Levona ny fanahy fa tsy ampy ny heriny
51  Lalan' ny helo no indro izorany

52  Mangozohozo ny tenan' ilay tia toaka
53  Mikainkona ny voa vokatr' izany
54  Matimaty foana ny vady aman-janany
55  Mijaly maloka no fiafaran' ny fiainany

56  Nahoana no manjombona ilay tia toaka
57  Nanafina ny tava noho izato ditrany
58  Natahotra sao hijinja ny vokany
59  Ny antson' i Jesoa tsy nasiany dikany

60  Ozona no miandry an' ilay tia toaka
61  Olona meloka ireto taranany
62  Ory misento ny androm-piainany
63  Omby mahia tsy lelafin' ny namany

64  Potika ny androm-piainan' ilay tia toaka
65  Potraka faona ka hopitaly no tranony
66  Pentina sisa no mamantatra ny tenany
67  Peratra saro-tavohangy no hany ravany

68  Rovitra akanjo no anjaran' ilay tia toaka
69  Ratsy fitafy izato vady aman-janany
70  Raiki-tahotra raha mahita ny tavany
71  Ratra, rangotra no valim-pananarany

72  Sempotra lava ilay tia toaka
73  Sady bila fandeha no mena ny masony
74  Safotra miakatra ambony ny tosidrany
75  Sahirana lava ka makanimakany

76  Taranaka mijaly ny an' ilay tia toaka
77  Tenany very ary koa izato hajany
78  Tapitra sy velona ny fahasambarany
79  Tranomaizina no toa mba anjarany

80  Voa mikainkona sisa ny an' ilay tia toaka
81  Vavaka adino ka toa tsy asiany dikany
82  Very haja ny tenany fa lany izato harenany
83  Vitsika mandady avy toa tsy matiny

84  Zara raha velona ity tia toaka
85  Zovy no manana fo mifora sabora
86  Zovy no mpangataka voa korakora
87  Zatovo naditra iny fony Tanora

Updated on 2025/11/13