|
|
|
|

Entry (1/2)1 mitsikia
Root  2tsiky
Part of speech  3 imperative of active verb mitsiky [Full list]
Explanations in Malagasy  [1.1]
Explanations in French  [1.3]

Entry (2/2)4 Mitsikia!
Elementary words  5mitsikia
Part of speech  6 name (poem title) [Full list]
Vocabulary  7 Literature: poems
Author  8Andriamanantena Georges
Full text  9 Mitsikia! Miràna endrika!
10 K'aza odiana re akory ny fanetoky ny fery
11 ao anatinao, ry foko! Pero aza ny fisento
12 tsy hipololotra intsony, ka ny masonao mijery
13 Hatanjaho tsy ho rendrika !

14 F'efa hatrany am-piandohana
15 no nazava taminao fa ny volana handalo
16 ary hanintsana ny felany aorian'ny famololony;
17 ny lohataona dia ho lasa… ny valiha hitsaha-kalo;
18 ary tahaka izany koa ny fitiavana natolony:
19 Tsiro manam-piafarana.

20 Ny fahendrena ve? Fantaro!
21 Minia mitsiky raha ory. Minia mifaly raha tomany.
22 Ny ranomaso atelomy na mangeja sy mandifotra
23 fa hanjary " perla " izy, toy ny fasika mavany
24 nokobonin-taona maro tao an-kibon'ito sifotra.
25 Ny toloko, atsaharo!

Anagrams  26 masikity, 27 masitiky, 28 misitaky, 29 Mitsikia!, mitsikia

Updated on 2025/11/06