Entry mitarika (tarika)
Part of speech   active verb
Malagasy definition   Mandrirotra, misarika: Mitari-bato ~ Soavaly mainty sy fotsy no nitarika ny kalesy
¶ Misintona, manintona: Nody nandositra izy mba hitarika ny fahavalo any amin' ny toerana misa velapandrika
¶ Mitondra: Ianao no aoka hitarika ireto vahiny ireto any amin' ny tranom-bahiny? ~ Iza no mitarika ireto mpianatra ireto?
¶ Mitaona: Ikoto no mitarika azy hiloka
¶ Manomboka sady mitantana, manainga, manentana: Mitarika fivavahana, mitari-kira
¶ Mibaiko, mandeha eny anoloana mba hibaiko sy harahin' ny sasany: Mitari-tafika
¶ Mampahazo, mampahita: Mitarika voninahitra ny fahaizana matetika
¶ Mirefarefa: Mitarika ny ziponao fa akaro [Rajemisa 1985]
French definition   traîner, tirer, attirer, conduire, diriger [Abinal 1888]
Morphology  
mitarika
mitarik'
mitari-
nitarika
nitarik'
nitari-
hitarika
hitarik'
hitari-
mitariha
Compound words, titles, names  
Quotes  

Updated on 2017/07/22