|
|
|
|

Entry1  mijaingijaingy
Root  2 jaingijaingy
Part of speech  3  active verb
Explanations in Malagasy  4 Mandehandeha irery; mandeha mirepirepy sy toa miahotrahotra, mandeha amin' ny famindra madinidinika nefa toa mangozohozo, mitongilana toa hianjera, marary: Nijaingijaingy tahaka ny akoho voakapoka izy niala avy tao.
5 Mamindra toa mitsipitsipika: Lasa nijaingijaingy ny anao lahy nony voatonona ny anarany. [1.1]
Examples  6  Indraindray alim-pody avy ao amin-dRasoa mianakavy izy ka indry mijaingijaingy samirery mamaky ny lalan-kely mankeny aminy. [2.470#]
7  Hafa manko izany teo aloha : raha avy manao fanadinana dia lasa mijaingijaingy irery mamonjy sakafo tany amin' ny "restaurant. [2.356#]
Morphology 
8  Present :
9  Past :
10  Future :
Other spellings  11 mizaingizaingy
Synonyms  12 mijaingy

Updated on 2025/11/11