Entry marenina (renina)
Part of speech adjective
Malagasy definition Tsy mandre, donto: Marenina hatrany an-kibon-dreniny io olona io
¶ Enti-milaza vilany na fahandroan-kanina hafa ela vao mahamasaka na. handro: Marenina koa itỳ vilany itỳ: aiza ve ka dia adiny iray tsy hahamasa-bary? [Rajemisa 1985]
English definition deaf [Hallanger 1973]
French definition sourd [Abinal 1888, Hallanger 1974, Rajaonarimanana 1995]
 dur d'oreille [Abinal 1888]
Vocabulary 
Compound words, titles, names 
Examples 
1ny lalana ihany no nasiany olona: toa moana toa marenina. [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 32]
2Nohenoiko fe tsy marenina izany anatr' i Patrice izany, kanjo tato aoriana dia tsapako ny fahamarinany. [Andriamalala: Ranomasina, page 39]
3Nefa henoy fe tsy marenina ny teniny, fa izay hazo anankiray tsy miteny tsy mivolana arý amin' ny fara ala aiý no tadiavo, ary iza; [Dahle: Angano, page 34]

Entry marenina (renina)
Part of speech adjective
Malagasy definition mamono sofina, manentsin-tadiny [Rajemisa 1985]
French definition insensible [Rajaonarimanana 1995]

Entry marenina (renina)
Part of speech adjective
French definition enti-milaza vilany na fahandroan-kanina hafa ela vao mahamasaka nahandro [Abinal 1888]
 lente à se chauffer, se dit d’une marmite [Abinal 1888]
Examples Marenina koa itỳ vilany itỳ: aiza ve ka dia adiny iray tsy hahamasa-bary? [Rajemisa 1985]

2015/10/24