Entry (1/3) | 1 manidina |
Root | 2 idina |
Part of speech | 3 active verb |
Explanations in Malagasy |
4 [mañidiña]
mandraraka rano [Tambahoaka]
[1.78] 5 [mañidiña] mandrotsaka rano, manondraka [Sihanaka] [1.78] 6 Manao izay hidinana, mampidina, mandrotsaka: Manidina kafe ao anaty kaopy Mandatsaka ao anaty lasitra: Manidina lakolosy [1.1] |
Explanations in English |
7 to pour out, to take down; to cast [1.2] |
Explanations in French |
8 Faire descendre, verser dans, couler dans un moule [1.3] |
Morphology |
|
Entry (2/3) | 13 manidina |
Root | 14 sidina |
Part of speech | 15 active verb |
Explanations in Malagasy |
16 Mihetsika na mihantona eny amin' ny rivotra amin' ny alalan' ny elatra: Manidina ambony ny papango Mandeha eny amin' ny habakabaka: Nahita aeroplanina nanidina aho tamjn' ny 7 ora teo ho eo Mihantona, mivoivoy eny amin' ny rivotra: Aza kopahina mafy io fandiavana io fa manidina ny vovoka Mandeha na mihazakazaka haingana dia haingana: Manidina izany raha soavaly Enti-milaza olona -- indrindra ny vehivavy -- mandehandeha, tsy tsara fitondran-tena: Ho lany zara marina io tovovavy fatra-panidina io [1.1] |
Explanations in English |
17 to fly [1.7] |
Explanations in French |
18 voler dans l'air [1.8] |
Examples |
19 Ny voro-manidina dia maro karazana sady betsaka tokoa
[1.38]
|
Morphology |
|
All compound words |
|
Proverbs | 25 Proverbs containing the word manidina |
Entry (3/3) | 26 manidìna |
Part of speech | 27 imperative of active verb manidina [Full list] |
Explanations in Malagasy |
28 [1.1] |
Anagrams | 29 manidìna, manidina, 30 miandany, 31 midanina |
Updated on 2025/09/20 |
![]() |