Entry mandritra (ritra)
Part of speech   active verb
Malagasy definition   Manao izay hahatankina: Mandritra dobo
¶ Mahandro hena amin' ny fanaovana izay hahalasa fofona ny rano andrahoana azy: Mandritra henan-kisoa
¶ Mandany, maharingana: Mandritra ny harena ny fisotroantoaka [Rajemisa 1985]
French definition   dessécher, épuiser, évaporer, exterminer; ruiner [Abinal 1888]
Morphology  
mandritra
nandritra
handritra
mandrita

Entry mandritra (ritra)
Part of speech   preposition [list]
Malagasy definition   Enti-milaza ny fotoana aharetan' ny asa na zavatra iray: Niasa nandritra ny adiny fito aho
¶ Maninjitra, mipaka, ngarangidina, saingy amin' ireo, ny teny milaza ny fotoana no atao aloha: Niasa adiny fito maninjitra aho [Rajemisa 1985]
English definition   during, until the end of [Hallanger 1973]
French definition   pendant, jusqu'à la fin de [Hallanger 1974]
Examples  
1Eny an-tsena any no lahasa mandritra ny zoma maty masoandro. [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 39]
2Iny foana niresakay tao an-trano mandritra ny herinandro. [Andraina: Mitaraina, page 22]
Vocabulary  
Compound words, titles, names  

Updated on 2012/05/27