Entry | 1 malama |
Root | 2 lama |
Part of speech | 3 adjective |
Explanations in Malagasy |
4 Malambolambo mampibolisatra: Tandremo sao potraka fa malama ny fotaka Midifidify tsy mety mandoa trosa: Olona malama iny Rangahy iny fa aza mba mampisambo-bola an' iny. [1.1] |
Explanations in English |
5 smooth, slippery [1.2, 1.7] |
Explanations in French |
6 glissant [1.3, 1.8] 7 Poli, uni figuré: mauvais payeur, peu probe, qui ne rend pas ce qu'il emprunte [1.3] 8 lisse [1.8] |
Examples |
9 Indray asabotsy, fahavaratra ny andro tamin' izay, latsaka tany an-tevana noho ny tany malama io omby io, ka tapaka ny tongony iray.
[2.472]
10 Raha manaiky ny tsy hiverina ilalana ny tongotrao kapohin‘ ny bozaka kotsan' ando sy solafaka impolo kely amin' ny fotaka malaman' ny riaka... [2.529] 11 nefa tandremo sao lavo fa malama ny lalana; [2.1010] 12 Tonon' andry malama, Mahaiza mitan-kazomanga, Fa ny zana-Bazaha no hitsangaaa. [2.69] |
Morphology |
|
All compound words | 14 15 combinations of malama |
Proverbs | 15 Proverbs containing the word malama |
Anagrams | 16 malama, 17 mamalà, mamala |
Updated on 2025/09/20 |
![]() |