| Entry | 1 Ilay fitiavana mpandresy |
| Elementary words | 2 ilay, 3 fitiavana, 4 mpandresy |
| Part of speech | 5 name (book title) [Full list] |
| Author |
6 Rabearivelo Jean-Joseph |
| Text |
7 ...TOKO II : HERY VASOKA8 —« Bonjour, Monsieur le Commissaire » hoy izy. 9 —« Bonjour Monsieur. Inona no ilainao ?» 10 —« Misy zavatra maika holazaiko anao, tompoko.» 11 —« Mandrosoa ary ato. Moa zavatra ilàna fahanginana va no holazainao ?» hoy ny Commissaire. 12 —« Eny, tompoko.» 13 Dia nentin' ny Commissaire tao amin’ny efitra iray, tsy misy hanohofan' ny loza raha te-hihaino resak' olona sofina, Ralanto. 14 —« Izao, tompoko : Misy jio maromaro raitady hangalatra ao amin'ny 33 Rue X ... anio amin' ny 12 ora alina, hangalatra , eny, hangalatra, ka hanao an-keriny amin' ny fahavirijin' ny tovovavy iray ! hoy Ralanto. 15 —« Izany ve? Ary misy porofo !» 16 —« Eny, tompoko, ity ny porofo !» sady natolo-dRalanto ilay taratasy. 17 Nony efa voavakiny, dia niteny izy hoe : «Lalina izany ! tsy maintsy ho voasakana ity; ka dia matokia fa anio dia haniraka polisy maro any aho, ary tsy hisy handre, raha tsy efa miposaka izany.» 18 —«Misaotra dia misaotra, tompoko. Bonsoir, Monsieur le Commissaire » hoy Ralanto dia lasa izy nivoaka. 19 Avy hatrany izy dia any amin-dry Ravoahangy no namantana. 20 —« Anio alina, amin' ny 12 ora, dia ho avy eto ry..., izany atao 21 —« Ratsimirona ? Rasedra ? sy Ramandoro ary ny namany hafa rehetra! Iza izany, ary haninona ?» hoy Ravoahangy. 22 —« Asa izany, fa tsy fantatro koa, ary ny anton'ny alehany dia ny hamefy tsilo maranitra eo anelanelantsika roa, hono !» 23 — Adray ! Mba adala koa izy izany ; izizany angaha dia tsy mba mahalala ilay tonon-kiran' ny olona hoe : 24 Fo roa mitambatra ho iray 25 Tsy ho resin' ny onjan' ny ratsy, 26 Fa ra ireo malama, 'sika malay, 27 Tsy ho laitry ny lelany mantsy, 28 sy ny hafa maro koa? Mba te-hitonantonana izy ! Ary taiza no nahitanao izany, Ralanto? Mba lalina koa hianao io koa !» hoy Ravoahangy. 29 —« Tsia, fantaro fa ny hevitr' izy ireo dia angamba ho vokatry ny fialonany, ary tsarovy kosa koa fa tsy ha—, halaliko no nahitako izany, fa noho ny herin' ny vintam-pitiavana !» hoy Ralanto. 30 —« Ehé ! Miaiky aho ka... Ary hitako izao, ampian' ny efa hitako, fa ampy hiondanan' ny fiadanantsika hianao rahatrizay !» hoy Ravoahangy. 31 —« Inona indray re izato resakareo e ? Mba kanto koa izavavy itsy raha handoka an' izalahy iroa ka... !» hoy Rafara, (renin-dRavoahangy) niditra indrindra. 32 —« Koa inona moa, fa tsy izao miaritra ny alon-dranon' ny mpialona izao, mandra-pitody eo amin' ny nosin-tanin'ny fitiavana ; na ny tena fiadanana tsy voapentina !» hoy Ravoahangy. 33 —« Izany tokoa, fa mba hitokiana ny maha-tena volamena tsy misy fangarony ny ravaka samy hafa dia tsapain' ny sedra izy aloha !» hoy Ralanto. 34 —« Fa inona indray, retany e ?» hoy Rafara. 35 —« Hisy izany olona atao hoe Ratsimirona sy Rasedra ary ny namany hafa izany, hanafika ny mandam-pitiavanay, hono, e ! » hoy Ravoahangy. 36 —« Ka hamefy sy hamboly tsilo tsy azo hihoarana eo anelanelan' ny fonay koa, hono, e!» hoy Ralanto. 37 —« Haninona a ? Ka mba efa nandre ny fanjakana ? » hoy Rafara. 38 —« Koa hoe : hangalatra an-keriny ny fon-dRavoahangy, hono, ka mitady hanatontosa izany hevi-maloto izany amin' ny alina mainty. Ary ny fanjakana ? Izany indray ka anontaniana !» hoy Ralanto. 39 —« Ka hatao ahoana re izany e ? Loza ity marina e!» hoy Rafara. 40 —« Ka inona indray re no loza irin' Imama eo e ? Koa hoe : efa nahare ny Commissaire, sady handefa polisy aty koa, hono, koa... ! » hoy Ravoahangy. 41 —« Na izany aza, moa tsy tokony hiomana ve isika ?» hoy Rafara. 42 —« Ka iza moa no tsy miomana lalandava, ary hitanao fa ny zavatra ho manga rehetra tsy maintsy mbola lalovan'ny mainty ihany !» hoy Ralanto. |
| Updated on 2025/11/17 |
|