|
|
|
|

Entry1  Ilay dobo
Elementary words  2 ilay, 3 dobo
Part of speech  4  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  5  Literature: poems
Author  6 Razafintsalama Josefa
Full text  7 
8  Ny dobo kelinay moa ka soa dia soa tokoa:
9  ny morony tontolo, zozoro manga taho;
10  anivony, tatamo mivela-bony soa;
11  ny tsara sy ny meva samy eo no mifamaho

12  He! dobo tsara rano, tiam-borona hisosana;
13  ny arosy vory sanga, tonga eo hisahosaho;
14  tsiriry sy angaka mankeo mba hikorana;
15  vivy no miria eo fa miery tsimilaho.
16  He! dobo tsara loatra, mamelombelona aina,

17  fa laokan-drano maro no ao mihahohaho:
18  amalona sy trondro, mangata-koalaina;
19  ny patsa dia mihaika ny tanan-tsy mivaho;

20  tsindrahaka mitady izay olona mpitia;
21  irony ondrindrano, antsirina aman-toho
22  mpahery mitsoriaka sy fatra-piriaria
23  dia haza mora alaina, tsihifina an-tandroho.

24  lo dobo kely iroana, ka soa dia soa tokoa;
25  ny rano e dia tsara ka manga ny zozoro;
26  ny vonitsiazonafo, dia manga mena soa;
27  miharo eo ny tsara sy ny meva ka manoro.

Anagrams  28 abolidio, Ilay dobo

Updated on 2025/11/17