Entry hetra
Part of speech noun
Malagasy definition (taloha) Velaran-tany nomen' Andrianampoinimerina ny fianakaviana tsirairay avy izay nahavoka-bary nivelomany nandritra ny herintaona (eo amin' ny roapolo vary eo ho eo, na 240 dcl); io vary azo tamin' ny hetra io dia nakana am-pahany ho an' ny mpanjaka (inenin' ny vata) ka avy amin' izany kosa indray no nampiova ny hevitry ny teny hoe hetra taty aoriana
¶ (ankehitriny) Vola aloa amin' ny fanjakana maha-olom-panjakana ny tena, ka misy atao hoe hetra isandahy (vola aloan' ny lehilahy feno iraika amby roapolo taona izay efa nofoanana ankehitriny), ary ny hetrantrano, tany, omby...; izany hoe vola tsy maintsy aloa isan-taona amin' ny harena ananana [Rajemisa 1985]
English definition Taxes [Hallanger 1973]
French definition Impôt, taxe [Hallanger 1974, Rajaonarimanana 1995]
 Redevance [Rajaonarimanana 1995]
Vocabulary 
Morphology 
hetra
he-
hetran-
hetran'
-ketra
-ke-
-ketran-
-ketran'
Compound words, titles, names 
Quotes 
Articles 

Entry hetra
Part of speech noun
Malagasy definition Anarana hafa ilazana ny fehikibo. [Rajemisa 1985]
French definition Ceinture [Rajaonarimanana 1995]
Derivations 
Synonyms fehikibo ~ fehinkibo

Entry hetra
Part of speech adverb [full list]
French definition  [Tankarana] depuis que. § hàtra. [David 1952 (takila H)]
Synonyms faitra

2017/06/29