Entry | 1 Fo mitohy |
Part of speech | 2 name (poem title) [Full list] |
Elementary words | 3 fo, mitohy |
Vocabulary | 4 Literature: poems |
Author |
5 Rabearivelo Jean-Joseph |
Full text |
6 Toa lisy maina, toa raozy malazo, 7 Misento fa ory sy manina anao, 8 Mariry tsy fantatra. Angaha voninkazo? 9 Asa, tsy fantatra hatramin'izao. 10 Miofo ny loko, malazo ny taho, 11 Toa zary bozaka, tsy lisy intsony. 12 Tsy hehy na tsiky fa feo mitalaho, 13 Toa rivo-baratra tsy mba mitony 14 Miova ho fatana izany masoandro, 15 Ny rivotra koa manjary mamono: 16 Izany no fiainana maizina antoandro 17 Manolo-poizina izay mila ronono 18 Ny lira madinika, mozikan'Edena: 19 Izany tsy re, izany tsy misy; 20 Tsaroana fa singany irery ny tena, 21 Tsaroana fa bozaka ilay tsy mba lisy. 22 Ry vorona ery! Ry rivo-mandalo! 23 Andeha mba ilazao ilay tiana sy tia 24 Fa ketraka hoe ka tena mimalo 25 Ilay tsy eo anilany lavitra aty. |
Updated on 2025/09/13 |
![]() |