|
|
|
|

Entry1  finoana
Root  2  ino
Part of speech  3  noun
Explanations in Malagasy  4  fandraisana sy fanekena amim-pahatokiana an' Andriamanitra sy ny teniny ary ny fotondrany; -- fanekena sy fitokiana ho marina ny zavatra ambaran' olona , na ny fampanantenana omeny; -- fanekena amim-pahatokiana zavatra tsy hita maso, na ara-panahy, na tsy takatry ny saina, na tsy hay porofoina, nefa tsaorana ho misy, na ho marina. -- Miasa amin' ny zavatra rehetra momba ny fiainana andavanandro ny finoana. Indraindray dia vokatry ny fahitana sy ny fahalalana ny zavatra efa niseho teo aloha izy... [1.10]
5  Fitokiana izay voalazan' olona iray: Ny tsy finoanao ny teniko ihany izao no nahavoa anao
Herim-panahy mahatonga hino ny fisian-javatra tsy hita maso, noho ny filazan' Andriamanitra na ny irany: Tsara ny manana ny finoana nefa koa mbola tokony hampifanaraka aminy ny atao
Foto-kevitra iompanan' ny fivavahana iray: Ny finoana kristianina. / Mampiely ny finoana [1.1]
6  fandraisana sy fankatoavana hevitra na zavatra iray tsy ilana porofo fa atao tanteraka amin'ny fo tsy misy fihambahambana [1.13]
Explanations in English  7  faith, belief [1.2, 1.7]
Explanations in French  8  croyance [1.3#172]
9  foi [1.3#172, 1., 1.13.fr8]
Examples  10  -Maha kely finoana ahy ny fahamarinany; [2.470]
11  Marina mafy tsy mahakelikely finoana amin' ny fiainana mihitsy izy ity! [2.4]
All compound words 

Anagrams  15 afonina, 16 anafony, 17 fanoina, 18 fianona, 19 finoana, 20 foinana, 21 ifonana

Updated on 2025/09/15