Entry fihasinana (hasina)
Part of speech noun
Malagasy definition ny toerana na ny fombafomba isehoan' ny mpanjaka amin' ny vahoaka mba hanajan' ny olona azy sy hanaovany ny velirano hankato azy ary hanolorana azy ny hasina (volatsivaky) mariky ny maha-mpanjaka azy [Ravelojaona 1937]
 toerana nanamasinana ny Mpanjaka fahiny [Rajemisa 1985]
French definition lieu de la consécration, du couronnement [Abinal 1888]

Entry fihasinana (hasina)
Part of speech noun
Malagasy definition Fiolanana; fandrotsirotsiana [Rajemisa 1985]

Entry Fihasinana
Part of speech name (toponym) [full list]
Malagasy definition renivohitr' i Manandriana fahiny. Mbola betsaka ny aloalo hita any ankehitriny. Tao no nonenan' Andrianantara mpanjakan' i Manandriana sy Ramanato ilay mpamoron-tononkalo betsileo nalaza dia nalaza [Ravelojaona 1937]

2015/04/04