| Entry | 1 fakam-panahy |
| Elementary words | 2 faka, 3 fanahy |
| Part of speech | 4 locution |
| Explanations in Malagasy |
5 Teny ilazana ny fitaomana ataon' ny fanahy ratsy mba hampahalatsaka ny olombelona amin' ny ratsy: Tsy nahatohitra ny fakam-panahy izy ka namilivily ny volam-bahoaka Zavatra mitarika na mitaona mafy ny tena: Fakam-panahy lehibe ho azy io zava-pisotro eo ambony latabatra io [1.1] |
| Explanations in French |
6 tentation [1.5] |
| Examples |
7 Mandositra ny fakampanahy aho!
[2.5#]
8 Hahatohitra ny fakampanahy ve hianao rahavako, ka hahandry ny fiverenako? [2.499#] 9 Fa na inona na inona no hevitra momba izany, dia hita mazava fa ao ny fakampanahy mamely antsika [1.38] 10 Voan' ny fakampanahy ny sasany ka nangalatra ny volan' ny namany hividianany mokary [2.356#] |
| Synonyms | 11 fitaoman-dratsy |
| Analogs | 12 fitaoman-dratsy |
| Article | 13 Randzavola: fakampanahy ao amin' ny Baiboly |
| Updated on 2025/09/12 |
|