|
|
|
|

Entry1 Dona-tsetroka
Elementary words  2donaka, 3setroka
Part of speech  4 name (poem title) [Full list]
Vocabulary  5 Literature: poems
Author  6Andriarimalala René
Full text  7 Mba mahafinaritra ahy ny mahita dona-tsetroka
8 Mihoatra tafon-trano, maraina vao mifoha,
9 Setroka botsiaka fa tsy mba mainty ngetroka ,
10 Malefaka fibohaka … toy ny vohavoha.

11 Toa azoko vinany ety ivelan-drindrina
12 Fa misy olona ao… mahandro tohan'aina.
13 Ny varavarankeliny mbola indreo mirindrina
14 Anefa toa azo sary ny fikenony maraina.

15 Ho tiako harahi-maso ny sampana adidiny
16 Ao an-tokantranony, ny lanjany amam-bidiny,
17 Saingy voafefy ny saiko tsy hahatakatra…

18 Ilay dona-tsetroka no nety mba harahiko
19 Hampombaiko vavaka avy ato amin'ny fanahiko
20 Hisidina izy anie! Hiakatra ka hiakatra...

Updated on 2025/09/13